Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
vendredi 3 mai 2024
Antananarivo | 09h29
 

Malagasy

TIM Analamanga

Tafapetraka ny birao vaovao

lundi 22 décembre 2008 |  506 visites  | Penjy R.

Vita ny kongresy rezionaly nataon’ny antoko TIM ny faran’ny herinandro teo. Vita ihany koa ny fe-potoana niasan’ireo birao teo aloha, ka nandray ny toerany ny birao vaovao. Tsangan-tanana teo anoloan’ny mpizaika rehetra, no nandaniana ireo birao vaovao teo anivon’ny TIM faritra Analamanga ny sabotsy teo. Lany tsy nisy nitsipaka ho filoha i Fidy Ratsimbazafy. Fantatry ny maro tsara izy io, satria filohan’ny faritra Analamanga ankehitriny. Ny filoha lefitra voalohany kosa, dia ny depiote Robert Razaka, ary ny filoha faha-roa ny kesitora etsy Tsimbazaza, Mamy Rakotoarivelo. Ny SG kosa dia i pasitera sady depiote Ravelonanosy Mamitiana, ary ny mpitantam-bola dia Randriamanantenasoa Rodolphe. Fanamby goavana no napetraky ny filoha vaovao, fa tsy maintsy ho lohalaharana amin’ny lafiny maro eto amin’ny firenena ny TIM Analamanga.

Tsipaipaika : 13 tapitrisa Ar

Hifanome tanana, fa tsy hifamingana ireo mpikambana rehetra miainga any amin’ny foko-TIM ary mipaka any amin’ny ambaratonga isan-tsokajiny. Hatevenina ny hidiran’ny olona ho ao amin’ity antoko ity, ary hiasa fa tsy natao hiatrika fifidianana fotsiny. Nandritra io fotoana io ihany koa no nanaovana ny tsipaipaika rehetra ho entina miatrika ny asa isan-karazany, ka vola mitentina Ar 13 tapitrisa no voangona io sabotsy maraina io tetsy amin’ny kianja mitafon’Ankorondrano. Ny filohan’ity antoko ity Ivan Randriasandratriniony no nitarika ny fotoana.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS 
 

Archives