::::  Site web indépendant, sans attache avec le journal papier  ::::  Les dernières actualités  Actus Générales    Annonces personnelles  Annonces    ::::    Facebook    Twitter   ::::
Antananarivo | 11h19  :  21°C  :  Soleil et nuages épars
jeudi 31 mai 2012
 

 > Malagasy

TIM Analamanga

Tafapetraka ny birao vaovao

lundi 22 décembre 2008, par Penjy R.

Vita ny kongresy rezionaly nataon’ny antoko TIM ny faran’ny herinandro teo. Vita ihany koa ny fe-potoana niasan’ireo birao teo aloha, ka nandray ny toerany ny birao vaovao. Tsangan-tanana teo anoloan’ny mpizaika rehetra, no nandaniana ireo birao vaovao teo anivon’ny TIM faritra Analamanga ny sabotsy teo. Lany tsy nisy nitsipaka ho filoha i Fidy Ratsimbazafy. Fantatry ny maro tsara izy io, satria filohan’ny faritra Analamanga ankehitriny. Ny filoha lefitra voalohany kosa, dia ny depiote Robert Razaka, ary ny filoha faha-roa ny kesitora etsy Tsimbazaza, Mamy Rakotoarivelo. Ny SG kosa dia i pasitera sady depiote Ravelonanosy Mamitiana, ary ny mpitantam-bola dia Randriamanantenasoa Rodolphe. Fanamby goavana no napetraky ny filoha vaovao, fa tsy maintsy ho lohalaharana amin’ny lafiny maro eto amin’ny firenena ny TIM Analamanga.

Tsipaipaika : 13 tapitrisa Ar

Hifanome tanana, fa tsy hifamingana ireo mpikambana rehetra miainga any amin’ny foko-TIM ary mipaka any amin’ny ambaratonga isan-tsokajiny. Hatevenina ny hidiran’ny olona ho ao amin’ity antoko ity, ary hiasa fa tsy natao hiatrika fifidianana fotsiny. Nandritra io fotoana io ihany koa no nanaovana ny tsipaipaika rehetra ho entina miatrika ny asa isan-karazany, ka vola mitentina Ar 13 tapitrisa no voangona io sabotsy maraina io tetsy amin’ny kianja mitafon’Ankorondrano. Ny filohan’ity antoko ity Ivan Randriasandratriniony no nitarika ny fotoana.

   Imprimer cet article    Enregistrer au format PDF    Partager

Pour vos voyages, utilisez l'un des meilleurs comparateurs actuels

Un Top des prix tous les jours


La météo à Madagascar

 

Publicité sur Madagascar-Tribune.com

 

Fleur d'école

 

avril 2012   mai 2012
L Ma Me J V S D
  1 2 3 4 5 6
7 8 9 10 11 12 13
14 15 16 17 18 19 20
21 22 23 24 25 26 27
28 29 30 31      
 
Le Petit Futé

 

  • Version pour Smartphone
  • m.madagascar-tribune.com

  • Version pour IPhone
  • iphone.madagascar-tribune.com

    Visiteurs connectés : 417  



    Mettre en page d'Accueil | Ajouter á mes Favoris | Newsletter | © Madagascar-Tribune.Com | Propulsé par Vahiny |  Motorisé par SPIP
    Découvrez aussi : Xbox 360