::::  Site web indépendant, sans attache avec le journal papier  ::::  Les dernières actualités  Actus Générales    Annonces personnelles  Annonces    ::::    Facebook    Twitter   ::::
Antananarivo | 11h20  :  21°C  :  Soleil et nuages épars
jeudi 31 mai 2012
 

 > Malagasy

Dinika eny Iavoloha anio

Tsy hiandry izay tsy vonona ny filoha

mercredi 17 décembre 2008, par Penjy R.

Tsy naharototra ny antoko politika ny antso nataon’ny filoha Ravalomanana, amin’ny dinika ho atao eny Iavoloha anio. Hametraka ny sata hifehy ny antoko politika ny tanjona anio, nefa maro ireo antoko milaza tsy ho eny. Tao anatin’izay fotoana vitsy nanaovan’ny filoha Ravalomanana antso avo izay, dia efa fantatra ireo antoko tsy ho eny Iavoloha anio. Isan’io ny CRN, tarihan’ny Profesora Zafy Albert. Ny Akfm misy an-dramatoa Gisèle Rabesahala, ny « Fihavanantsika » tarihan’ny pasitera Daniel Rajakaoba, ny SPDUN izay ingahy Lahiniriko Jean no filohany. Ny antoko AVI izay nihemotra tamin’ny ora farany noho ny fanakatonana ny fahitalavitra VIVA. Ingahy Norbert Lala Ratsirahonana ihany koa dia lasa any ivelany ny alatsinainy teo. Ny Farimbon’i Madagasikara vaovao misy an’i Pierre Andrianantenaina. Ny RPSD ahitana an’i Marson Evariste, ny antoko Arema miaraka amin’i Pierre Holder, ny Federalista misy an’i Tabera Randriamantsoa. Ny « Analamanga » miaraka amin’ingahy Avonel, ny « Herivelona Rasalama » ihany koa izay ingahy Avonel Andriantsilavo no voasoratra mitarika azy.

Ireo vonona hiady hevitra

Ireo ho antoko ho eny Iavoloha kosa dia ny antoko MFM miara-diaa amin’i Manandafy Rakotonirina. Ny Arema Matotra misy an’i Pierre Raharijaona, ny antoko MFM/3FM misy an’i Satrobory, ny antoko TEZA miaraka amin’i Moxe Ramandimbilahitra. Ny antoko Grad Iloafo misy ny loholona Rabetsitonta, ny PRM misy an’i Ralison Roger, ny « Tambatra », izay ny filohany mbola migadra eny Tsiafahy, Pety Rakotoniaina, ka ny solontenany no ho eny. Ny AKFM Fanavaozana miaraka amin’i Pasitera Andriamanjato Richard.

Ireto kosa ny antoko tsy hay na ho eny na tsia, satria manjavozavo be ihany no momba azy ireo. Ny RPSD vaovao misy an’i Voninahitsy izay migadra eny Tsiafahy, ny AME izay tarihan’i Raveloson Clément. Ny « Madagasikarantsika » misy an-dRamatoa Elia Ravelomanantsoa. Ny antoko MONIMA tarihan’ingahy Monja Roindefo.

Ireo no fantatra tamin’ny fotoana nanoratanay, ka mbloa mety misy ny hiova hevitra amin’ny ora farany.

Hatreto aloha, dia tsy miandry izay tsy vonona ny filoha Ravalomanana, fa dia hiroso amin’ny ady hevitra izy ireo anio.

   Imprimer cet article    Enregistrer au format PDF    Partager

Pour vos voyages, utilisez l'un des meilleurs comparateurs actuels

Un Top des prix tous les jours


La météo à Madagascar

 

Publicité sur Madagascar-Tribune.com

 

Fleur d'école

 

avril 2012   mai 2012
L Ma Me J V S D
  1 2 3 4 5 6
7 8 9 10 11 12 13
14 15 16 17 18 19 20
21 22 23 24 25 26 27
28 29 30 31      
 
Le Petit Futé

 

  • Version pour Smartphone
  • m.madagascar-tribune.com

  • Version pour IPhone
  • iphone.madagascar-tribune.com

    Visiteurs connectés : 404  



    Mettre en page d'Accueil | Ajouter á mes Favoris | Newsletter | © Madagascar-Tribune.Com | Propulsé par Vahiny |  Motorisé par SPIP
    Découvrez aussi : Xbox 360