::::  Site web indépendant, sans attache avec le journal papier  ::::  Les dernières actualités  Actus Générales    Annonces personnelles  Annonces    ::::    Facebook    Twitter   ::::
Antananarivo | 03h55  :  14°C  :  Clair de lune très nuageux
mardi 29 mai 2012
 

 > Malagasy

Herim-panoherana

Hanao fotoam-bavaka iraisana etsy Mahamasina ?

lundi 22 décembre 2008, par Penjy R.

Eto no ivon’ny hetsika rehetra momba ny raharaham-pirenena. Izay mitranga eto, dia manaraka avokoa ny any amin’ny faritany. Taorian’ny zava-nisy ny herinandro lasa teo, dia tazana eto avokoa ireo mpitarika politika rehetra avy any amin’ny faritra samy hafa. Ny antony, dia miandry izay hitranga eto, ka hanamafy tosika izay hiseho.

Raha vao nivory niaraka tamin’ny mpanohitra tokoa ingahy Andry Rajoelina, dia efa tafapaka any amin’ny faritra samy hafa sahady izany. Misy mihitsy ny mikasa ny hametraka ny fikambana TGV any amin’ny faritra any, na dia mbola tsy tonga amin’izany aza ny tanjon’ny filoha mpanorina azy.

Ny an’ity farany aloha hatreto, dia ny fitakiana ny hanokafana ny fahita lavitra izay azy no maika. Eo ihany koa ny famelàna azy hiasa am-pilaminana sy ny ahafahan’ny rehetra maneho hevitra tsy misy sakana na fisamborana. Ny fanjakana kosa etsy ankilany, dia toa miandry kendritohina izay ho fihoaram-pefy ataon’ingahy ben’ny tanàna. Indrindra fa taorian’ny nilazany fa hametraka ny kianjan’ny demokrasia eto an-dRenivohitra izay izy ireo.

Atomboka amin’ny vavaka

Vita izay ny fampahafantarana ny fitambaran’ny hery rehetra amin’ny vahoaka. Hitohy ny hetsika rehetra araky ny efa nambaran’izy ireo tamin’ny haino aman-jery isan-karazany. Heno izao fa mety, hanao fotoam-pivavahana iraisana ireto vondromben’ny mpanohitra ireto amin’izao ankatoky ny fetin’ny Noely izao. Vavaka natao ho an’ny firenena izy io, ary ny fanirian’ny mpikatroka sasany dia ho atao eny amin’ny kianjan’ny Mahamasina. Misy kosa anefa no manambara fa aleo aloha entanina amin’ilay fanehoan-kevitra goavana ny mponina vao miroso amin’io. Fanirian’ireo antoko politika sasany ireo, izay ho entina ao anatin’ny fivoriany amin’ity herinandro ity.

   Imprimer cet article    Enregistrer au format PDF    Partager

Pour vos voyages, utilisez l'un des meilleurs comparateurs actuels

Un Top des prix tous les jours


La météo à Madagascar

 

Publicité sur Madagascar-Tribune.com

 

Fleur d'école

 

avril 2012   mai 2012
L Ma Me J V S D
  1 2 3 4 5 6
7 8 9 10 11 12 13
14 15 16 17 18 19 20
21 22 23 24 25 26 27
28 29 30 31      
 
Le Petit Futé

 

  • Version pour Smartphone
  • m.madagascar-tribune.com

  • Version pour IPhone
  • iphone.madagascar-tribune.com

    Visiteurs connectés : 71  



    Mettre en page d'Accueil | Ajouter á mes Favoris | Newsletter | © Madagascar-Tribune.Com | Propulsé par Vahiny |  Motorisé par SPIP
    Découvrez aussi : Xbox 360