Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
lundi 29 avril 2024
Antananarivo | 01h47
 

Malagasy

Ifaty

Toerana iray ankafizin’ny mpizahatany

vendredi 19 décembre 2008 |  798 visites  | Poussy R.
Ny moro-dranomasina ao Ifaty.

Telopolo kilaometatra miala ao Toliara no misy an’Ifaty. Toerana izay ahitana moron-dranomasina, hahafahan’ireo mpitsidika miala voly. Maro dia maro tokoa ny mpizaha-tany mitsidika azy, izay anisan’ny mamelona ny ankamaroan’ny mponina ao.

Volana janoary hatramin’ny volana mey no tena maha-be mpitsidika an’Ifaty. Manomboka eo amin’ny volana mey dia voamarik’ireo mponina fa Italianina no tena maro an’isa. Tsy dia betsaka izany rehefa novambra sy desambra.

Ar 3 arivo ny saran-dalana avy ao Toliara raha hihazo an’Ifaty. Kamio manodidina ny 15 sy mazda 6 no mifarimbona mitatitra ny mpandeha.
Ankoatra ny varobarotra isan-karazany, dia anisan’ny fidiram-bolan’ny mponina ao Ifaty ny manotra, mandrandrana, mitondra vahiny amin’ny lakana. Ar 2000 ny manotra raha Malagasy, ary tafakatra hatrany amin’ny Ar 5000 izany ho an’ny vahiny. Sahala amin’izay ihany koa ny mandrandrana. Ar 1 alina isaky ny olona kosa ny mitaingina lakana. Raha miaraka amin’ny sakafo izany, dia mahatratra Ar 5 arivo sy 2 alina any ho any.

Mbola olana sedrain’ny mponina ao Ifaty anefa ny haratsian’ny lalana. Fototra iray mampikatso ny firoboroboan’ny toerana. Sarotra dia sarotra ny fakana ireo entana ilaina andavanandro hamatsiana ny vahiny. Isan’andro dia tsy maintsy misy fiara iray farafahakeliny, mikatso anaty fasika, na simba vokatr’io faharatsian’ny lalana io.

Ankoatr’izany, dia mbola fahasahiranana ho an’ny mponina ihany koa ny tsy fahazoana rano fisotro madio. Tsy mba misy paompin-drano ao an-toerana, fa vovo avokoa no hatsakan’ny mponina. Raha tsy masira araka izany ny rano azo ao, dia somary mamimamy.

Miandrandra vahaolana ireo mponina ao Ifaty, satria tampina ny asa fivelomana raha tsy voavaha haingana ny faharatsian’ny lalana.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS