::::  Site web indépendant, sans attache avec le journal papier  ::::  Les dernières actualités  Actus Générales    Annonces personnelles  Annonces    ::::    Facebook    Twitter   ::::
Antananarivo | 11h20  :  21°C  :  Soleil et nuages épars
jeudi 31 mai 2012
 

 > Malagasy

Ravalomanana Marc

Tonga ny moton’ny ben’ny tanàna

vendredi 19 décembre 2008, par Gilbert R.

Tonga tao amin’ny seranantsambon’i Toamasina ny alakamisy faha 18 desambra, ireo moto nampanantenain’ny filoham-pirenena, Ravalomanana Marc, ho an’ireo ben’ny tanana rehetra eto Madagasikara. Fiaraha-miasan’ny UNICEF any Danemark sy ny fitondram-panjakana malagasy no nahatonga ireo moto ireo teto Madagasikara. Ry zareo avy ao amin’ny UNICEF Danemark, no nanao ny fividianana ireo moto ireo tany Japon, fa ny fitondram-panjakana malagasy kosa no niantoka ny vola nahazoana azy ireo. Mitentina Ar 7 miliara no teti-bidin’izy ireto. Mitondra ny marika HONDA XL 125 ireo moto vao tonga teto Toamasina ireo, ka kaontenera miisa 19 no nasiana azy ireo, izay ny sambo MSC Aurora no nitondra azy ireo niala avy any Danemark. Efa tomombana avokoa ny kojakoja rehetra mandrafitra ireo moto ireo, fa ny guidon sy ny kodiarana sisa no apetraka amin’ny fitoerana, rehefa tonga any amin’ny orinasa hanaovana ny fitsinjarana azy ireo. Avy hatrany dia nalefa niakatra ho any Antananarivo ny andron’io alakamisy io ihany ireo moto ho an’ny ben’ny tanana ireo, ka fiara vaventy miisa 19 ihany koa no nitondra ireo kaontenera ireo.

Marihina, fa tonga nandray ireo moto ireo tao amin’ny seranatsambon’i Toamasina, ireo solontenan’ny fitondram-panjakana avy any Antananarivo, notarihin’ny directeur des concours financiers de l’Etat, Andrianarivo Benjamin, sy ny lehiben’ny faritra Atsinanana, Andriamorasata Julien.

   Imprimer cet article    Enregistrer au format PDF    Partager

Pour vos voyages, utilisez l'un des meilleurs comparateurs actuels

Un Top des prix tous les jours


La météo à Madagascar

 

Publicité sur Madagascar-Tribune.com

 

Fleur d'école

 

avril 2012   mai 2012
L Ma Me J V S D
  1 2 3 4 5 6
7 8 9 10 11 12 13
14 15 16 17 18 19 20
21 22 23 24 25 26 27
28 29 30 31      
 
Le Petit Futé

 

  • Version pour Smartphone
  • m.madagascar-tribune.com

  • Version pour IPhone
  • iphone.madagascar-tribune.com

    Visiteurs connectés : 433  



    Mettre en page d'Accueil | Ajouter á mes Favoris | Newsletter | © Madagascar-Tribune.Com | Propulsé par Vahiny |  Motorisé par SPIP
    Découvrez aussi : Xbox 360