Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
mercredi 24 avril 2024
Antananarivo | 13h29
 

Malagasy

Ranon’i Mananara

Amidy any Arabia

mardi 9 décembre 2008 | France Rakotoarison

Fantatra izao fa ny orinasa vahiny “Aquamar” no mikasa hanondrana ny rano Malagasy any amin’ny Golfe Persique. Hotovoziny avy ao Mananara Avaratra izany rano izany. Miahiahy ihany anefa ny loholon’ny faritr’i Sofia iny, sao dia tsy mahazo tombontsoa amin’izany fanondranana rano izany iny faritra avaratry Mahajanga iny. Avy ao amin’ny distrikan’i Mandritsara, ao anatin’ny ala antsoina hoe Antsitsika, no loharano ipoiran’izany rano haondran’ny orinasa Aquamar izany. Ny minisitry ny Rano kosa anefa dia nanamarika sady nanome toky fa manana kitapom-bolam-pirenena ny ministera mba hitantanana ny vola azo avy amin’ny fifandraharahana toy izao ataon’i Madagasikara sy ny orinasa Aquamar izao.

Rano fisotro madio

“Marina fa io orinasa io dia manampy mivantana ny mponin’i Mananara Avaratra amin’ny fanorenana ny hopitaly sy ny sekoly amin’izao fotoana izao, hoy ny minisitra, fa i Mandritsara kosa tsy hatao ambanin-javatra fa homena ny anjarany”. Torak’izany ihany koa ny faritra sasany, satria ny vola azo avy amin’ny fiaraha-miasa toy itony dia entina indrindra hampivelarana ireo tetikasa hafa manerana ny Nosy. Tsy tokony adinoina anefa fa amin’ny maha nosy an’i Madagasikara dia tsy manankarena rano loatra izy. Noho izany dia tokony ezahana aloha ny hampisy ny lava-drano amin’ny faritra rehetra eto Madagasikara mba hahafahan’ny isan-tokantrano manana rano fisotro madio, izay vao mba manondrana. Tsy mety ny tia zarazara na koa maim-bola fotsiny nefa ny vahoaka tompon-tany mangetaheta fatratra.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS