Na dia tsy mbola misy zavatra voasonia aza, araka ny voalazan’ny fitondra-panjakana, ny amin’ity resaka iray tapitrisa hekitara mahery ho an’i Daewoo ity dia efa diso ny mpitondra », hoy Andrianjaka Rajaonah, mpitarika ny fikambanana OTRIKAFO. « Raha tadidintsika dia vao resaka « pourparlers » na fifanatonana fifampiresahana fotsiny ny nitranga tamin’ny andron’ny Pr. Zafy Albert sy Pastera Andriamanjato Richard dia efa nokianina mafy sy nolavina. Ny antony dia satria efa noheverina fa adisoana eo anatrehan’ny tanindrazana (fautes patriotiques ) izany. Tamin’izany moa dia ny resaka « déchets nucléaires » sy « financements parallèles » teo ho eo amin’ny roa miliara no resaka ».
Soa fa vaky ny resaka, nisy niboritsaka ny tsiambaratelo dia tsy nisy ilay izy.
Ka amin’ny lafiny iray izany ho an’ity mpitarika fikambanana politika ity dia tsy misy valaka amin’izany ity resaka Daewoo ity.
Nangonin’i Raw