Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
jeudi 9 mai 2024
Antananarivo | 12h16
 

Malagasy

Pierre Houlder

Ny kajikajy politikan’ny Arema

mardi 13 janvier 2009 |  1685 visites  | Naivo kely
Noraisin’ingahy Pierrot Rajaonarivelo indray ny fanevan’ny antoko AREMA.

Niala tsy ho sekretera jeneralin’ ny antoko Arema i Pierre Houlder. Noraisin’ingahy Pierrot Rajaonarivelo indray ny fanevan’ity antoko ity, na dia any ivelany aza no misy azy.

Tsy taitra amin’ny raharaha anatin’ity antoko ity ny rehetra, fa ny mahazendana, dia ny filazana fa noraisin’ny SG teo aloha manao sesin-tany ny tenany any ivelany indray ilay andraikitra goavana efa nolaviny teo aloha.
“Mandeha ny kajikajy politikan’ny antoko Arema”, hoy ny mpitazana, satria mety tsy hampiray hina ny mpikatroka rehetra i Pierre Houlder. Rajaonarivelo no afaka manao izany, ka làlana iray hanome tosika ny mpanohitra hiray hina amin’i Andry TGV ny fandrenesana ity vaovao ity. Ho mora amin’iretsy nitsoa-ponenana any ivelany mantsy ny mody raha mahomby haingana ny tolona. Heno fa hisy hafatra lehibe hambaran’ingahy Pierrot Rajaonarivelo ato ho ato, saingy ny haino aman-jery samy hafa no matahotra handefa izany, satria sao voa toy ny nahazo ny fahitalavitra VIVA farany teo.

Ny tsy azo lavina anefa, dia ireo mpikambana toan-dry Ange Andrianarisoa sy ny ekipany, dia ny amiraly Ratsiraka ihany no lohany ao amin’ity antoko ity, ka tsy mankasitraka izay rehetra milaza fa hamelo-maso ny antoko ry zareo. Mbola tantara mitohy ity Arema ity.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS