Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
jeudi 9 mai 2024
Antananarivo | 13h51
 

Malagasy

Miteny ny mpanao politika

Novelesin’i Moxe kanota i Radidy sy Andry TGV

vendredi 16 janvier 2009 |  3307 visites  | Naivo kely

“Ampiharo ny lalàna ho an’izay mandika izany. Olona efa namotika ny vahoaka tamin’ny taona 2002 ve no mbola omena sehatra mandritra ny 41 minitra, ary mbola milaza indray Ratsiraka tao amin’ny fahitalavitra VIVA fa mpisandoka fahefana ny mpitondra ankehitriny”. “Tsy azo ekena izany”, hoy ny loholona Moxe Ramandimbilahitra. Fananan’olontokana ve no hanaovan’ingahy Andry Rajoelina ny mponina eto an-dRenivohitra fitaovana. Ny mampalahelo, hoy i Moxe Ramandimbilahitra, dia ny fanasan’ny filoha Ravalomanana an’ity ben’ny tanàna ity ny zoma teo teny Iavoloha, nefa dia tsy tonga izy. Fifampiarahabana tratry ny taona anefa no atao, ary tokony hanome voninahitra ny raiamandrenin’ny firenena izy.

"Tsy misy olona ambonin’ny lalàna eto, ka na ny filoham-pirenena aza no mandika izany, dia tokony hihatra avy hatrany ny lalàna rehetra”. Toy ny vely kanota an-dRadidy sy Andry TGV no nataon’ity loholona ity, izay hany mpanao politika notendren’ny filohan’ny Nosy sahy maneho ny heviny amin’izao raharaham-pirenena izao. Ny antoko Grad Iloafo ihany koa dia efa nanambara ny tsy fankasitrahany ny hidirana amin’ny korontana intsony eto amin’ny tany sy ny firenena. Ary ny antoko hafa nahazo toerana ireo nahoana no tsy sahy maneho hevitra ? Sa matahotra ny hiteniteny foana, ka ho very seza no hiafarany ?

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS