Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
jeudi 25 avril 2024
Antananarivo | 09h11
 

Malagasy

Tapatapany

samedi 17 janvier 2009

- Tsy ho avy etsy Ambohijatovo i Lianah. Nambaran’ity mpanan-kanto ity, fa any Mahajanga ny tenany amin’izao fotoana izao, ka tsy hanafàna ny hetsiky ny mpanohitra etsy Ambohijatovo. “Diso ny fitanisana ny anarako amin’ny fiantsoana vahoaka etsy Ambohijatovo”, hoy ihany i Lianah.

- Vita ny asa nataon’ireo andrim-panjakana mpanao lalàna roa teto amintsika. Ampiharin’ny fanjakana avy hatrany izany ireo lalàna ireo manomboka izao. “Maika ve ny fandinihana nataon’ireto depiote sy loholona ireto”, hoy ny jeneraly Razakarimanana Ferdinand ? “Ny fampiasam-bolam-panjakana no tokony nodinihana mialoha, indrindra ny filazana fa nisy volam-panjakana nampiasaina tamin’ny fividianana ny fiaramanidina Force One, ary ampahany kosa volan’ny filoha Ravalomanana”.

- Namboly hazo teny amin’i “Analamanga Park”, ny lehiben’ny faritra, Fidy Ratsimbazafy sy ireo mpiasa eto amin’ity faritra ity. Ao anatin’ny vanim-potoanan’ny fambolen-kazo izao, ka nisantatra izany ny teto Analamanga. Niara-nisalahy tamin’izao hetsika izao ny fanjakana foibe.

- Vita omaly teny Iavoloha ny fifampiarahabana tratry ny asaramanitra tamin’ireo masoivoho vahiny miasa sy monina eto amintsika. Herinandro taorian’ny fifampiarahabana tamin’ny vahoaka Malagasy nataon’ny filoha Ravalomanana ity hetsika ity.

- Hitondra ny heviny momba ny raharaham-pirenena ankehitriny ao amin’ny ojam-peon’ny Aceem radio kosa i Moxe Ramandimbilahitra rahampitso alahady. Hitondra ny heviny momba ny fandaniana ny lalàna hifehy ny antoko politika ihany koa ity filoha mpanorina ny antoko TEZA teo aloha ity.

- Vitsy ny olona mividy ny lalàmpanorenana eto Madagasikara. Araky ny fantatra dia vao 2000 isa no lafo amintsika miteny izao. Raha ampitahana amin’ny isan’ny vahoaka Malagasy io, dia vitsy, ary ny eny amin’ny fivarotam-boky ihany koa zara raha maha-lafo.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS