::::  Site web indépendant, sans attache avec le journal papier  ::::  Les dernières actualités  Actus Générales    Annonces personnelles  Annonces    ::::    Facebook    Twitter   ::::
Antananarivo | 05h51  :  12°C  :  Clair de lune très nuageux
jeudi 17 mai 2012
 

 > Malagasy

« Fiverenana Andoharano »

Aleo hilamina dia misesy

samedi 10 janvier 2009, par Penjy R.

Mbola misy raiamandreny azo hianteherana ve etoamin’ny firenena ? Tsy ho avelanay ho potiky ny ady an-trano ny firenena Malagasy, hoy ny komity nasionaly mpamolavola “Ny “Fiverenana Andoharano”.

Ny volana Aogositra no efa nanao antso avo teto amin’ny tanindrazana izahay, ka nahatonga ireo olobe isaky ny faritra nanao kaikavo ireo fotsy volo, toy ny tany Amoron’i Mania, ny hazo lava toy ny tany Toliara, ny tany Toamasina nanao barara. Midika izany, fa tsy hisy hifandraisany amin’ny hetsika politika izay tian’ny sasany atao eto izao hetsika hamerenana an’Andoharano izao. Io no nambaran’i José Razafimandimby, izay isan’ireo mpikarakara ny hetsika raha nihaona tamin’ny mpanao gazety tetsy tetsy amin’ny “Le Maestro” Betongolo omaly.

“Masina sy be vonihaitra ny fiainampirenena ka tsy sandaina amin’ny tombontsoan’olom-bitsy, hoy izy ireo. Ity fiverenan’Andoharano ity, dia voalaza fa tadidon’ny lasa, satria firenena efa nanana ny rafim-piaraha-monina isika talohan’ny andron’ny fanjanahan-tany”. Rehefa nanjaka teto ny Frantsay, dia nisy ny fomba nitantanany antsika. Tato afara dia niditra tamin’ny sosialisma sy ny demokarsia ary ny liberalisma. Sahirana hatrany anefa ny fifandraisan’ny vahoaka sy ny mpitondra. Rehefa nandinika ireto komity ireto, dia ny fiverenana amin’Andoharano no tsara indrindra. Nanana ny soa toavina isika, ary nipetraka hatrany ilay teny hoe valala iray hifanapahana, ary tondro tokana tsy mahazo hao. Io no làlana tsara indrindra hialana amin’ny fahapotehana, ka aloe haverina dien’izao.

Ny teny hierana nampirindra ny fiaraha-monina ka nahavitana ny lemaky Betsimitatatra isan-karazany no fototra maha-iray antsika, ary tsy hianteherana amin’ny any ivelany ny famerenana izany.

   Imprimer cet article    Enregistrer au format PDF    Partager

Pour vos voyages, utilisez l'un des meilleurs comparateurs actuels

Un Top des prix tous les jours


La météo à Madagascar

 

Publicité sur Madagascar-Tribune.com

 

Fleur d'école

 

avril 2012   mai 2012
L Ma Me J V S D
  1 2 3 4 5 6
7 8 9 10 11 12 13
14 15 16 17 18 19 20
21 22 23 24 25 26 27
28 29 30 31      
 
Le Petit Futé

 

  • Version pour Smartphone
  • m.madagascar-tribune.com

  • Version pour IPhone
  • iphone.madagascar-tribune.com

    Visiteurs connectés : 78  



    Mettre en page d'Accueil | Ajouter á mes Favoris | Newsletter | © Madagascar-Tribune.Com | Propulsé par Vahiny |  Motorisé par SPIP
    Découvrez aussi : Xbox 360