Taom-baovao Malagasy ! Toa vaovao amin’ny sofina ihany, indrindra ho an’ireo taranaka ankehitriny. Nefa dia zavamisy ary efa niainana tokoa. Hay ve ? Ankalazaina indray izy ankehitriny, efa taona vitsivitsy mantsy eh, saingy tsy re tsaika toy ny saka fotsiny ny fankalazana hatramin’izay. Tsy fantatra loatra izay nahazo ireo mpikarakara, ry zareo ao amin’ny Trano Koltoraly Malagasy, fa dia amin’ny fomba manetriketrika no hanatontosana ny lanonana amin’ity taona ity.
« Ny faha-26 martsa amin’ny fito ora hariva eo ho eo no hiposaka ny volana “Alahamady”, io ilay voalohan’ny taona ho an’ny Malagasy », araka ny fanambarana nataon’Atoa Randrianjatovo Henri, filohan’ny Trano Koltoraly Malagasy, sady mpandinika ny kintana sy ny zava-miafiny rahateo. Mpikaroka hoy ny fitenenana. Toy izay koa no nambaran’Atoa Rabearifeno, zokiolona tao amin’ity trano koltoraly ity, ary milaza ihany koa fa mpikaroka, ary mpandinika ny fiovaovan’ny kintana. Izy moa dia efa manana ihany koa ny mpanaradia azy.
Sambany teo amin’ny tantara raha ny fahitana azy no mba mitovy ny daty tinondron’ireto milaza azy ho mpikaroka ireto momba ny taom-baovao Malagasy. Io tsy fitoviam-pandinihana io mantsy dia fototry ny fizarazarana hatramin’izay, ka hatramin’izao. Samy miseho ho lohany e, hany ka ny fomba Malagasy, ny kolotsaina mihitsy no lasa very. Adino raha izay no tiantsika. Kisendrasendra ihany anefa izany satria, samy hankalaza ilay « Asaramanitra » amin’ny toerana samy hafa ny roa tonta amin’ity. Randrianjatovo Henri sy ny namany eny Ambohidrabiby. Rebearifeno sy ny mpanaradia azy etsy Analakely, ao amin’ny Tahala Rarihasina.
Itovizana ny andro fa…
Tsy mbola fantatra aloha ny fizotry ny lanonana ho an’ny etsy Analakely. Voalaza kosa fa ny faha-26 sy 27 martsa ho avy izao no hifaly havanja ny etsy Ambohidrabiby. Fety mitovy tsy misy valaka tamin’ny nataon’ny mpanjaka vavy Ranavalona faha III tamin’ny fotoan’andro. Roa andro be izao. Ny fahasamihafana,- mba tsy hilazana fa maka tahaka be fahatany ve ? dia amin’ity indray mandeha ity tsy mialoha ny andro lehibe, toy ny taloha, no manomboka ny lanonana fa amin’ny andro mana-tantara mihitsy.
Manomboka ny Alakamisy 26 martsa ary dia hisy ny fandraisana ireo kitain’ny fikambanana samihafa vohitra manodidina. Misy lanjany lehibe hono ny kitay amin’ny tantara toy itony. Misy ihany koa ny fanombohana ny arendrina, toy ny tamin’ny fotoan’androny e ! Ary ny maha-Malagasy antsika dia tsy adino ny kabary fanokafana, ny vako-drazana, ny lanonana maro mandra-maraina, ary ny fandroana.
Fety be. Ny Zoma faha 27 martsa io. Mamoha mandry manomboka amin’ny 6ora maraina. Mamono omby avy eo, io no mitondra amin’ilay hoe « nofon-kena mitam-pihavanana », ny kabary ofisialy, ny tatao na vary amin-dronono tondrahan-tantely, ny « zara hasina » na fifanolorana salohim-bary ho endriky ny voninahitra hifanomezana vokatry ny fandresena ny mosary, ny « fanolorana mari-pahatsiarovana » ary ny « tsidi-bohitra ».
Ankoatra ny fety dia… soatoavina
Haverina indray hono ny soatoavina malagasy fa very ! Noho io fahaverezany io indrindra hono no fototry ny korontana nisy teto amin’ny tany sy ny fanjakana hatramin’izay araka ny fanazavan’ny mpikaroka ao amin’ny Trano Koltoraly Malagasy. Iza anefa no nanary azy ? Dia tsy misalasala ny tompon’andraikitra mamaly hoe, « Ny Malagasy rehetra ». Tsy fantatra aloha ny tena fahamarinan’izany fa araka ny fanazavany dia « nohon’ny fandrosoana hono dia lasa no tsinitsiniavina ny soatoavina maha-Malagay ».
Ny « Asaramanitra » dia androm-piravoravoana ho an’ny Malagasy eny hatramin’ny taloha ela be. Andron’ny mpanjaka hono izy io. Ranavalona faha-III ohatra dia nankalaza azy isaky ny 22 novambra, andro nahaterahany. Ny mpanjaka tao Alasora sy Ambohidrabiby kosa dia nametraka azy isaky ny fiandohan’ny volana Alahamady, ao anatin’ny fankalazana ny tsingerin-taona nahaterahany. Noho izany dia tsy azo atao ny mandatsa-drà, ary tsy maintsy mifandefitra mandritry ny fety. Noho izay indrindra dia manao antso avo amin’ny vahoka Malagasy sy ny mpanao politika ny mpikarakara mba hampitsahatra ny « gidragidra » misy eto. « Sao dia mba misy hevi-dalina kosa ary ao e ! ».






