::::  Site web indépendant, sans attache avec le journal papier  ::::  Les dernières actualités  Actus Générales    Annonces personnelles  Annonces    ::::    Facebook    Twitter   ::::
Antananarivo | 05h13  :  19°C  :  Clair de lune très nuageux
jeudi 16 février 2012
 

 > Malagasy

Fibaikona alika

Fanatontosana fitsangatsanganan’alika

mardi 24 mars 2009, par Rakotoarilala Ninaivo

Tontosa ny alahady 22 martsa 2009 ny hetsika nataon’ireo mpibaiko alika miisa 18 mianadahy mivondrona ao anatin’ny Fikambanan’ireo Mpibaiko Alika nivoaka teo anivon’ny Zandarimariam-Pirenena (Association des Maîtres Chiens Sortant de la Gendarmerie Nationale na AMCSGN).

Fitsangantsaganana an-tongotra (randonnée)izy io, ary nahavitana halavirana 10 kilometatra, niala teny amin’ny Tobin’ny ESCAPARA IVATO nihazo an’i Mandrosoa, Ambohidratrimo, Ialanana, Bout de piste, Antsambilo ary Mamory-Ivato.

Izao no notanterahina dia mba ho fampahafantarana ny fisian’io fikambanana io eto Madagasikara ary famerenana amin’ny toerana tokony hisy ny Zandarimariam-pirenena eo amin’ny lafiny fibaikona alika izay nahafantarana azy hatramin’izay sy ny fampisehoana izany teo amin’ny asa sahaniny. Hanomezana lanja ihany koa ny taranja fibaikona alika eto amintsika sy fampivondronana ireo mpibaiko alika.

Zandary efa misotro ronono sy amperin’asa ary ireo olon-tsotra efa nahazo fiofanana ka manana marim-pahaizana tamin’izany ary hialana amin’ireo fisolikiana amin’ny endriny maro ataon’ny sasany eo amin’ity sehatra ity.

Santatra ambavarano ihany moa ity hetsika ity fa mbola hisy ny hetsika ho tanterahina amin’ny volana jolay 2009 izao hahafantarana bebe kokoa ny fahaiza-manaon’izy ireo amin’ny lafiny fibaikona alika sy fampisehoana izany ho an’ny besinimaro.

Ny fikambanana dia misokatra amin’ny fiara-miasa amin’ireo “société civile” liana amin’izany.

   Imprimer cet article    Enregistrer au format PDF    Partager

 2 réactions Lire les commentaires

  • Fanatontosana fitsangatsanganan’alika
    25 mars 2009 08:18, par andry (#1213)

    Sao dia mba misy contact ny Gendarmerie Nationale mampanao ilay formation azafady ?

  • Fanatontosana fitsangatsanganan’alika
    25 mars 2009 13:04, par Rhanary (#1577)

    tsara ilay izy fa raha azo atao dia mba omeo sarina karazana alika sy ny anarany avy ve aho fa ilaiko, miaraka amin’ny fomba fikarakarana azy ireo. Vao maika tiako raha misy ihany koa ny saka. Merci

Pour vos voyages, utilisez l'un des meilleurs comparateurs actuels

Un Top des prix tous les jours


La météo à Madagascar

 

Publicité sur Madagascar-Tribune.com

 

Fleur d'école

 

fr 2009-03-24 04:37:52
février 2009   mars 2009   avril 2009
 
Le Petit Futé

 

  • Version pour Smartphone
  • m.madagascar-tribune.com

  • Version pour IPhone
  • iphone.madagascar-tribune.com

    Visiteurs connectés : 85  



    Mettre en page d'Accueil | Ajouter á mes Favoris | Newsletter | © Madagascar-Tribune.Com | Propulsé par Vahiny |  Motorisé par SPIP
    Découvrez aussi : Xbox 360