Herinandro katroka ny tsy nahenoana azy dia nifandray an-telefaonina tamin’ny vahoaka malagasy, indrindra ireo mpomba azy manerana ny nosy, ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana. Raha vory toa ny fanaony, nanomboka ny sabotsy 21 martsa, teo amin’ny Kianjan’ny demokrasia ireto mpiaro ny ara-dalàna sy tsy manaiky ny fitondrana tetezamita noho ny fakana an-terisetra ny fanjakana, dia niresaka tamin’izy ireo avy any Swaziland ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana. Toa izao izany resaka nifanaovany ny alarobia 25 martsa, izay miendrika fanambarana izany.
Ry vahoaka Malagasy mpiray tanindrazana,
Ry vahoaka marobe vory lanina, maneho ho hitan’izao tontolo izao, ho ren’izao tontolo izao fa manohana ny ara-dalàna, miaro ny demokrasia marina ary manaja ny lalampanorenana sy ny lalàna velona misy eto amin’ny tany sy ny fanjakana.
Miarahaba anareo jiaby aho.
Faly aho, tena faly. Misaotra an’Andriamanitra fa mbola velon’aina. Misaotra anareo vahoaka Malagasy aho, misaotra anareo tonga marobe aho, Mankasitraka ary mankatelina ny fihetsika ataonareo ho fanohanana ahy. Herin’andro katroka izay, harivan’ny talata, herisetra, habibiana, fandrobana ny lapam-panjakana teny Iavoloha. Tampoka tsy nampoizina, izay no nitranga, no nahatonga anay nanavotr’aina.
Mahatoky anefa aho, mahatoky isika mianakavy, fa Andriamanitra mahery ampy ampandresy antsika. Ry Vahoaka Malagasy rehetra manerana ny nosy. Tsy maintsy mijoro isika miaro ny fampandrosoana, ny filaminana ary ny fandriampahalemana eto amin’ny tanintsika.
Tsy maintsy manao izay rehetra azo atao isika mba hisian’ny firaisampirenena ary tsy maintsy miantso isika ireo firenen-drehetra, ny vondrom-paritra rehetra mba hanampy antsika ahafahantsika mamerina indray ny fampandrosoana haingana sy maharitra an’i Madagasikara.
Tsaroako ireo 7 taona niarahana tamin’ny Malagasy. Maro ireo fotodrafitr’asa vita. Tao ny lalana, ny sekoly, ny toeram-pitsaboana sy ny hopitaly, sns, sns. Nanaiky izao tontolo izao fa tena nisafidy ny lalan’ny fampandrosoana marina i Madagasikara ary nanamafy hatrany ny demokrasia. Indrisy anefa, nohon’ny zava-mitranga eto amin’ny firenentsika. Ny lohan’ny firenen-drehetra eran-tany, ny fikambanana iraisampirenena, samy nihataka tamintsika nohon’ny fandrobam-panjakana na ny « coup d’Etat » tsotra izao.
Anjarantsika Malagasy, anjaranao, anjarako ny miaro ity tanindrazana malalantsika ity, ny mampiverina indray amin’ny laoniny ny fiainam-pirenena.
Tongava maro ary ry vahoaka Malagasy, ny mpiasam-panjakana rehetra, ianareo tanora tsy ankanavaka, vonjeo ny firenentsika, arovy ny firaisankinam-pirenena, ny fiandrianam-pirenena. Asehoy ny maha Malagasy antsika, miraisa hina, mifanajà. Andriamanitra irery ihany no tompon’ny fahefana sy ny hery koa dia homba antsika mandrakariva anie Andriamanitra.
Ho avy ny fotoana ihaonantsika tsy ho ela, koa dia mampahery anareo aho, mamporisika anareo aho, asehoy ho hitan’izao tontolo izao ny firaisankinantsika rehetra, ny herintsika, ny maha Malagasy antsika. Raha izaho koa no izaho, tsy hanadino anareo mihitsy aho ry vahoaka Malagasy ary mahatoky sy mino aho fa ianareo koa tsy hamela ahy irery.
Nangonin’i Rakotoarilala Ninaivo

envoyer par mail



