Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
mardi 19 mars 2024
Antananarivo | 10h44
 

Malagasy

Kolontsaina

Atrik’asa fizarana traikefa momban’ny bà gasy

jeudi 12 novembre 2009

Betsaka ny tanora mankafy ny Kalon’ny Fahiny. Te hahafantatra sy hifehy ny Ba Gasy. Sahirana ihany anefa izy ireo satria tsy tena mahafantatra sy mahafehy izany. Mora kokoa mantsy ny mamantatra ny hiran’ny avy any ivelany voizin’ny haino aman-jery andro aman-alina noho ny mamantatra ny Kalon’ny Fahiny sy ny Ba Gasy izay miha vitsy ny mahafehy sy mivoy azy, eny na dia ny eto an-toerana aza.

Vakomanitra malagasy feno sy an’ny Malagasy tanteraka anefa ny Ba Gasy. Manana ny maha izy sy mampiavaka azy. Azo rafetina tsara toy ny karazana mozika rehetra (classique, jazz…). Antsika Malagasy ka tokony harovana tsy ho tototry ny be fiavin’ny fanatontoloana. Tsy tokony hatao « horirik’Ambohimanambola ka ny tompony aza tsy tia azy ». Tsy tokony hatao « fiaron’ny tsy manan-kavana » ka ho fihinin’ny tena samirery. Fa kosa tokony ho zaraina sy haparitaka mba hahafantarana sy hankamamiana ary hiarovan’ny besinimaro azy.

Mahatsiaro manana anjara adidy sy andraikitra amin’izany ny Sakaizan’ny Piano, noho ny anjaran-toeran’ny piano eo amin’ny firafitry ny Ba Gasy. Manomana Atrikasa Ba Gasy ary ny Sakaizan’ny Piano, miaraka amin’ireo manana traikefa momba ny Ba Gasy. Izany no hatao dia ny handalinana sy hianarana ny fitendry piano Ba Gasy ary koa hamantarana sy hankamamiana ny fihirana ny Kalon’ny Fahiny. Ho anjara-birikin’ny fikambanana eo amin’ny fitondrana avo ny Mozika Malagasy.

Satria fizarana traikefa no atao dia antsoina handray anjara amin’izany ny efa mpitendry piano, na ny efa mahay na ny mbola hianatra Ba Gasy. Toraka izany koa ireo mpihira rehetra tsy an-kanavaka te hifehy ny Kalon’ny Fahiny, na mandeha irery iey na efa anati-na tarika (chorale…).

Hanentana ny atrikasa Atoa isany : Prosper RALAIARIMANANA, maintimolaly ATAUM, mpitendrin’ny SOLIKA ; Mbosa RABENASOLO, maintimolaly ATAUM, filoha mpamorona ny SOLIKA teo aloha, mpitarika an’i R’imbosa ankehitriny ; Tantely RAMAROMIANTSO, loka voalohany fifaninanana piano Ba Gasy, mpitendrin’ny SOLIKA ; Feno RAVONINARIVO, loka faharoa fifaninanana piano Ba Gasy, mpampianatra piano Ba Gasy ao amin’ny CGM Analakely. Hisy ihany koa mpanakanto manana ny maha izy azy eo amin’ny Ba Gasy antsoina manokana hizara ny traikefany mandritry ny atrikasa. Ary toy ny atrikasa rehetra dia namolavola tahirin-kevitra (atontan-taratasy, oronam-peo…) ny mpikarakara hanankinana sy hanamoràna ny fomba fiasa.

Ho tanterahina ao amin’ny CGM ny asabotsy 14 sy 21 ary 28 novambra 2009 ny atrikasa. Manomboka amin’ny 9H30 hatramin’ny 11H ho an’ny mpitendry piano ary amin’ny 11H hatramin’ny 12H30 ho an’ny mpihira. Ho fehezina amin’ny seho iombonana sy misokatra ho an’ny besinimaro ny atrikasa ny asabotsy 28 novambra ihany manomboka amin’ny 16H30.

Raisina ao amin’ny Sakaizan’ny piano CGM ny fisoratana anarana.

Azo atao koa ny mila hevitra amin’ireo mpanentana :

Prosper RALAIARIMANANA, 032 42 416 92, pro.ralai@yahoo.fr

Mbosa RABENASOLO, 034 01 266 91, rimbossa@yahoo.fr ;

Tantely RAMAROMIANTSO, 032 02 293 58, tantely_rivo2@yahoo.fr ;

Feno RAVONINARIVO, 032 11 177 36.

Publicité




Newsletter

Les actus du jour directement dans votre boîte email

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS