Izahay raiamandreny vitsivitsy, izay nihaona ary niara-nidinika dia miray fo sy tery am-panahy hampita aminareo mpiray tanindrazana aminay izao fanambarana sy antso izao :
Iza moa izahay ?
Raiamandreny vitsivitsy eo amin ‘ny fiaraha-monina sy ny fivavahana ary ny sokajin’andraikitra samihafa izahay. Samy hafa ihany koa ny faritra niavianay. Tsy mitovy ny firehankevitra anananay. Tsy misolontena ny antokom-pivavahana na ny faritra niavianay avy koa fa miteny amin’ny maha raiamandreny anay. Ny antony manosika hiombom-peo amin’izao fanambarana sy antso izao dia tokana ihany : ny fahatsiarovan-tena ho raiamandreny ka tsy afa-miala andraikitra fa entanin’ny fitiavana an’i Madagasikara sy ny Malagasy. Mahatsiaro ho mangirifiry miaraka aminareo rehetra amin’izao manjo antsika mianakavy ankehitriny izao. Izahay koa dia misokatra amin’izay raiamandreny te-hanatevin-daharana anay ka miombom-po aminay amin’izao fanambarana sy antso izao.
Ry mpiray Tanindrazana malala.
Mila raiamandreny mijoro ho amin’ny famaranana ny krizy ny tanindrazana
Mila raiamandreny mijoro mba hamerina ny soatoavina maha malagasy antsika ny mpiray tanindrazana amintsika.
Andao isika hifampitantana
Dimy ambin’ny folo volana izay no naharetan’izao krizy lalovantsika izao :
Fahasimbam-pananana, rà nandrika, herisetra, fifanaratsiana, adilahy, fifanenjehana, fifankahalana, teny mankarary, ozona, fahantrana efa ha-tenda. Mbola hotohizana ihany ve ? Heverinay fa hiara-miteny aminay ianareo ka hihiaka hoe : aoka izay ! tsy miady olom-bodo fa izay to fo mpamosavy. Andao isika hifampitantana hanorina an’i Madagasikara vaovao
Andro sisa no isaina dia hankalaza ny faha-50 taona niverenan’ny fahaleovantenantsika izay sady faha 50 taonan’ny tafika Malagasy rahateo .Endrika toa inona no hiarahantsika mankalaza izany ?
Ary inona no sary tiantsika raiamandrany avela ho lova ho an’ny taranaka ankehitriny sy ho avy ?
Moa tsy Malagasy mifampitantana sy mahay mifandamina, ary afaka hirehareha amin’ny maha-malagasy azy va ?
Inona no ataontsika ?
Tianay holazaina etoana ary ekenay tanteraka fa tsy hoe izao isika vao hihetsika.
Nandritra izay krizy izay, dia efa nisy tokoa ny zavatra efa natao :
Tao ireo fikambanana samihafa nanao antso, nivory, namoaka fehin-kevitra na olon-tsotra izany na antoko politika na fiaraha-monim-pirenena.
Nisy ireo hetsika fampihavanana na teto an-toerana, eny hatrany ivelany aza.
Tao ireo nataon’ny olon-tsotra, tao koa ny nataon’ny teo anivon’ny tafika sy ny maro tsy voatanisa…
Izahay dia mankasitraka izay ezaka rehetra vita sy mety mbola hatao ka hahasoa ity tanintsika ity. Atolotra ho an’izay rehetra sy nisahirana sy nandany ron-doha tamin’izay ny fisaorana sy ny fankasitrahana. Izahay dia manamafy fa tsy misy lalàna hahazoantsika mivoaka amin’izao krizy izao afa-tsy làlan-tokana dia ny làlan’ny fifampidinihana amin-kitsi-po itsinjovana ny ho avy tsaratsara kokoa ho an’ity tanindrazana malalantsika ity.
Ny hevitra tera-bary
Atolotray amintsika rehetra izay heverinay fa asa maika amin’izao fotoana izao :
Ny tanjona kendrena dia ny firosoantsika ho amin’ny Repoblika fahefatra, hisintona ny lesona rehetra hita fa tsy nampahomby ny Repoblika nifandimby isika nefa koa handray izay mety ho soa fianatra nandritra izay taona izay.
Aoka horaisina avokoa ny volavolan-kevitra avy amin’ny sokajin’olona rehetra ho fandrafetana izay ho Lalàmpanorenan’ny Repoblika fahefatra. Ireo volavola ireo no hiadian-kevitra sy hanaovana fanapahan-kevitra ao amin’ny fihaonambem-pirenena ary hanaovana fitsapan-kevi-bahoaka. Hisy dinika santatra handinihana sy handravonana ny hevitra voaray. Ankoatra ny fandinihana ny Lalàm-panorenana dia mety koa ny handinihana ao amin’ny fihaonambem-pirenena ireo hevitra hafa avy amintsika rehetra ka hita fa hahasoa. Santionany amin’izany ohatra :
Ny fampihavanam-pirenena izay tsy maintsy atomboka nefa koa fantatra fa asa mitohy.
Ny Amnistia
Ny fomba hahazoana ny fankatoavana iraisam-pirenena. Izahay dia resy lahatra fa mahasoa antsika samy Malagasy ny mifampidinika eto amin’ny tanintsika. Mihevitra koa izahay fa ireo vahiny nanampy antsika dia tsy ho sarotiny alohan’ny tompony akory.
Ny zava-dehibe dia isika sahy miara-miteny hoe : aoka izay ny lasa, andao hiara-hidinika !
Mety ny hanaovana io fihaonambem-pirenena io alohan’ny 26 Jona 2010 mba hahazoantsika miara-mankalaza ny fetim-pirenena ao anatin’ny fitoniana sy fahamendrehana.
Hevirinay koa fa mahasoa ny firenentsika ny fijoroan’ny raiamandreny any amin’ny faritra rehetra eto Madagasikara satria tsy izahay ihany akory no raiamandreny, ary midadasika ny nosintsika. Ireto kosa anefa no aoka hotandremana toy ny anakandriamaso amin’ny fampijoroana izany :
Ho olona tsy miandany amin’ny firehan-kevitra politikan’ny atsy na ny aroa fa miezaka hijoro amin’ny fampihavanana sy ny fahamarinanana ary ny maha raiaman-dreny azy.
Ho olona vonona hihaino na dia ny tsy mitovy hevitra aminy aza ka hihazona mafy ny hoe ny hevitra no mety hiady fa tsy ny olona na oviana na oviana.
Izahay “Raiamandreny mijoro” dia vonona handray izay andraikitra mety ho tandrify anay noho ny tanindrazana iarahantsika manana. Ny hazo tokana hono tsy mba ala ary izay mitabe tsy lanin’ny mamba koa mandraisa anjara fa antsika rehetra i Madagasikara.
Amin’ny anaran’ny “Raiamandreny Mijoro”
Androany, 27 Mey 2010
LISITR’IREO NIARA-NIDINIKA SY NANAO SONIA
TILAHY Robert, Ancien Président de la HCC
Pasteur RAMINO Paul
Madeleine RAMAHOLIMIHASO
Gisèle RABESAHALA
Céline RAVAO
Général RAZAFITOMBO Léon
Docteur Péri RASOLONDRAIBE
Mpanjaka TSIARASO IV
OUSTAZ BOINA Idi Madi M’Zé (Prédicateur Musulman)
RAZAFINDRAINIBE Parson, Ancien Bâtonnier
Prôfesôra NJARA ERNEST
RANDRIANJANAKA Georges
Mompera RATONGAVAO Charles
Mpanjaka RAMASITRAKARIVO




