Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
mardi 19 mars 2024
Antananarivo | 06h43
 

Malagasy

Besalampy

Ady amin’ny halatr’omby

vendredi 27 mars 2009 | Rakotoarilala Ninaivo

Andian-dahalo mpangalatra omby mpampihorohoro ny faritry Besalampy sy Ambatomainty ary Maintirano no ravan’ny Zandarimariam-pirenena ao Besalampy ny 25 marsa 2009 lasa teo.

Nanao andiany miisa valo izy ireo izay nirongo basim-borona roa ary nanafika sy nangalatra omby miisa dimapolo (50) tao Analalava, fokotany Antanambao, kaominina sy distrika Besalampy ny 25 marsa 2009 tamin’ny 12 ora atoandro. Avy hatrany dia nanao ny fanarahan-dia ny dahalo ny zandary telolahy miaraka amin’ny fokonolona avy ao an-toerana ka tafaverina avokoa, tsy lavitra loatra ny toerana niaingany, ireo omby rehetra miisa dimapolo. Vaky nandositra ireo dahalo saingy nanao tampody fohy rehefa hiditra ny tananan’Analalava ny mpanara-dia niraoka ireo omby votsotra teny am-pelatanan’izy ireo.

Tratran’ny « embuscade » ireo zandary telolahy ka ny iray voatifitra teo amin’ny tanany havanana, ny faharoa kosa dia voa teo amin’ny tongony havanana sy havia ary ny fahatelo voatifitra teo amin’ny valahany. Tsy nahakivy ireo zandary anefa izany fa dia namaly tifitra izy ireo ary dahalo iray no azo sambo-belona. Tsy namelan’izy ireo raha tsy tafaverina avokoa ireo omby dimapolo izay efa nifandrombahan’ny dahalo indray ny saika handrava azy fanindroany.

Hatolotra ny fampanoavana ao Maintirano tsy ho ela ity dahalo tratra ity ary mbola mitohy hatramin’izao ny fikarohana ireo namany.

============================

- Faritra Bongolava Distrika Fenoarivobe :

Ny alahady 22 martsa lasa teo, dahalo 16 mirongo basim-borona no nanafika tao Ambohimandroso, fokotany Tsaratanana, komona ambanivohitra Ambohitromby tamin’ny 06 ora maraina teo ho eo. Omby 161 no lasan’izy ireo. Tsy nisy ny aina nafoy nandritra ny fanafihana. Taorian’ny fanarandià nataon’ny zandary ao Ambohitromby sy ny fampandrenesana ireo vondron-tobim-paritry ny zandarimariam-pirenena Maevatanana sy Imerina Afovoany ary ireo tobim-paritra manodidina dia tratra ary efa tafaverina tamin’ny tompony ny omby 100. Mitohy hatrany ny fanarahandia sy ny fanadiadiana mikasika io.

1 commentaire

Vos commentaires

  • 27 mars 2009 à 09:47 | fandresena (#299)

    Dia hanomboka indray izany izao ny dahalo sy ny namany e !
    tantely afa-drakotra ny firenetsika fa ny dahalo ary moa no efa mitondra ka inona intsony ! Ny adahalo sy ny mpangaro-paosy izao no arovan’ny CapSAt !
    o ! zandary o manan-taranaka anie ianareo e ! o ry capsat o mbola tsy tara izao fa mandehana mifona eny Ambohijatovo ary arovy ny tanindreazana fa manan-taranaka anie ianareo e !

Publicité




Newsletter

Les actus du jour directement dans votre boîte email

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS