Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
mardi 19 mars 2024
Antananarivo | 14h08
 

Malagasy

Taom-baovao malagasy

Ny lasa sy ny ankehitriny

mardi 31 mars 2009 | Arena R.

Mahabe fanontaniana ny momba « Taom-baovao » Malagasy. Noho izany indrindra dia nanao fanadihadiana momba ny tantarany izahay. Tsotra ihany ny tanjona : « Mba tsy ho tompon-trano mihono ny isika Malagasy ». Lohahevitra maromaro no resahina amin’izany : « Ny tantaran’ny taom-baovao Malagasy », « Ny fomba amam-panao » ary « Ireo sakantsakana maro samy hafa… » :

Ny « Asaramanitra » dia vinaky toy izao « Asara », midika hoe volana ; « Manitra » arak’izany dia manentohento, mahasarika ny orona. Ny Asaramanitra izany, arabakiteny, dia volana manitra. Misy anefa lovantsofina sakalava mamaritra fa izy ity dia fotoana fiakaran’ny vokatra. Ny « Asara » eto dia ambara fa fiandohan’ny fotoam-pararano. Hatramin’ny fanjakan’Andriamanelo, - rain’ny mpanjaka Ralambo -, ny Malagasy dia nanisa andro tamin’ny alalan’ny fiovaovan’ny volana. Ny « Asaramanitra », na ilay tsinam-bolan’ny Alahamady dia natsoina hoe « taom-baovao ».

Tamin’ny andron’ny fanjakana merina, ny « Asaramanitra » dia manana hendrika ara-kolotsaina, izay manome lanja ny soatoavina maha-malagasy : anisan’ny nanamarika ny fankalazana azy tamin’izany ny « fandroana », na ilay andro lehibe fidiovana. Fetim-panjakana ary fetim-bahoaka ihany koa izy tamin’izany ary ankalazaina isan-taona miaraka amin’ny hanimpitoloha, ny mozika ny dihy.

Tsy voafaritra

Ny tena niandohan’ny « fandroana », dia tsy voafaritra mazava tsara, toy ny fihavina sy ny fiandohan’ny malagasy ihany koa. Rabearifeno Albert, Yoki Be Ram’s hoy ny maro, mpikaroka momba ny fiovana sy ny toetrin’ny kintana amam-bolana dia mihevitra fa efa nisy hatramin’ny taon-jato faha 13 izany. Izany hoe, tamin’ny andron’ny Vazimba, mponina voalohany nonina teo amin’ny nosin’ilay Gasikara, no efa nankalaza ny « fandroana » ny malagasy.

Ny hafa koa dia milaza fa hatrany amin’ny fanjakan-dRalambo, Mpanjakan’Ambohidrabiby sy Alasoara, (1575-1610), no efa nakalazana azy. Ambara mihitsy aza moa fa ity mpanjaka ity no namorona ny « fandroana ». Eo ny milaza fa noforoniny izany mba ho fankalazana ny fahinanana « jamoka » na omby, izay izy no nahita azy. Ny hafa kosa manambara fa mba ho fahatsiarovana ny vanin’andro nahaterahany izay mifandraika indrindra amin’ny « Alahamady », na ilay ataon’ny vahiny hoe « Belier » eo anelanelan’ny 21 martsa sy 21 aprily eo.

Nentin’ny Arabo

Ny mpahay tantara etsy andaniny manamafy fa « Alahamady » dia ny arabo, nifanerasera ara-barotra tamin’ny fanjakana fahizay no nampiditra azy teto amin’ny nosindrazan-tsika. Izy ireo no nampianatra ny mpanandro Malagasy hanisa kintana amam-bolana. Tany amin’ny taonjato faha 16 tany ho any izany. Rehefa manisa andro ary ny arabo dia mijery ny fiovaovan’ny volana sy ny toetran’ny masoandro miaraka. Ny tsinambolan’ny Alahamady izay mifandraika indrindra amin’ny fifanojon’ny antokon-kitan’ny ondrilahin’ny masoandro sy ny volana (bélier solaire et lunaire), no noraisina ho « taom-baovao Malagasy » hatreo.

Ary araka izay voasoratra ao amin’ny « Tantaran’ny Andriana » dia mpanjaka telo ihany no teraka tao anatin’ny volana « Alahamady » : Andriamasinavalona, Andrianampoinimerina et Ralambo. Ny Alahamady arak’izany dia sokajiana ho andro tsara, « andron’ny mpanjaka ». Ary ao amin’ny fianakavian’ny mpanjaka raha misy zazalahy teraka ao anatin’io volana io dia natahorana mafy ny mety hamadihany ny fitondrana rehefa lehibe izy. Noho izany dia vao teraka izy dia tsy maintsy sedraina sy ampandalovina ny « ala faditra ».

Novain’dRanavalona III

Ranavalona faha III, no anisany nitondra fanavaozana lehibe teo amin’ny fankalazana ny andro fandroana. Ity mpanjaka vavy, nanjaka farany teto Imerina ity, dia nanova sy nametraka ny andron’ny fankalazana ho 22 novembra, andro nahaterahany, ary nisehoany voalohany ihany koa tamin’ny vahoaka. Saingy Ranavalona fahaIII moa dia resin’ny mpanjanatany Frantsay tamin’ny 1985. Nanomboka teo dia ambara fa voazanaka hatramin’ny Kolotsaina ny Malagasy. Araka ny didy tamin’ny 5 jona 1897 mantsy dia ny fetim-pirenena Frantsay, ny faha 14 jolay, no noterana ho « Asaramanitra » Malagasy. Very hatreo ilay « fandroana ».

Taorian’ny andron’ny fahaleovantena, sy ny Repoblika voalohany, dia nanambara ny « Asaramanitra » ho azy koa ny mpitondra fanjakana. Ny volana oktobra. Niroso ihany, ary dia niditra ao anatin’ny fanatontolona. Teo indray no nihiditra ny voalohan’ny volana janoary, izay eken’ny akamaroan’ny malagasy sy izao tontolo izao ho « Asaramanitra ».

Fomba

Fomba anisan’ny tena nisongadina tamin’ny fankalazana ny « Asaramanitra » : ny fandroana, izay nafindran-dRanavalona faha-III ho 22 novambra, ary ny andro famonoan’omby, ny ampitson’io andro lehibe io. Herin’andro vitsivitsy mialoha ny lanonana dia manao fanambarana amin’ny vahoaka ny fanjakana, ary mandidy ny hampafantarana azy eny an-dalambe, indrindra eny an-tsena, toerana ifanareseran’ny maro mba hahafahan’ny vahoaka mihomana mialoha.

Tamin’ny andron-dRanavalona III, ny fiandrasana ny andron’ny fandroana dia nomarihana tamin’ny fetin’ny « arendrina ». Araka ny tantara dia tamin’izany fotoana izany no nampiasa voalohany ny arendrina ny Malagasy. Tamin’izany dia ny volotara na bambou no nampiasaina ary nasiana jabora sy fahamboridamba, ary ampiretina ny lohany iray. Amin’ny ankapobeny ny zaza no tena mitondra ny arendrina miodina ny tanàna vao manomboka maty ny masoandro.

Rehefa tonga ilay andro lehibe, « Asaramanitra », dia mifampirary so any rehetra « Arahaba tratry ny taona ! » Ireo olona misaona, na namoy havana na fianakaviana, ihany no tsy manao izany, fa satria ny « Asaramanitra » dia andron’ny mpanjaka. Noho izany tsy tokony hiresaham-pahoriana, sy handatsahan-drà. Noho izany, raha misy olona maty ny andron’ny lanona dia tsy azo ambara ny manodidina. Asitrika araka izay haingana indrindra izy, ary mba tsy hisy mpahalala.

Mifampitsidika ny mpianakavy ny andron’ny « andro androan-drano ». Raha ny tena izy dia ny zanaka no mitsidika ny Ray aman-dReny, ary manome voninahitra azy. Ity fihaonam-pianakaviana ity matetika dia marihiana amin’ny fitsofandrano, na ihany koa « Misafo Rano ». Manana ny toerana maha izy azy amin’ny fomba Malagasy ity fomba ity, satria dia raisina ho toy ny tsy nisy ny lanonana raha tsy tanteraka ity fomba ity.

Diso izany ?

Amin’ny maha andro fandroana azy dia andron’ny fidiovana izy. Diso anefa ny fiheverana fa voretra ny Malagasy fahiny satria indray mandeha isan-taona ihany izany izy vao mba midio. Ny hevitry ny fandroana koa eto dia ilay andro famelankeloka, sy fifonanana. Izany hoe midio ao anaty mihintsy ny olona tsirairay avy. Eny fa na dia ireo vehivay misitaka aza dia mody, alain’ny vadiny, raha toa ka manaiky ity farany.

Tamin’ny andro mbola tsy nihinana omby ny malagasy dia voalaza fa ny koba sy ny tantely no entina mankalaza ny andron’ny « Asaramanitra ». Ny ampitso io. Io ihany koa ilay atao hoe manao « tatao ». Vary amin-dronono tondrahan-tantely. Raisina amin’ny sotro dia atao an-tampon-doha ka hisambasambana : « Samabasamba Andriamanitra Andriananahary, samy arivo ho traty ny taona mitsingerina indray, tsy hisara-mianakavy, ho ela velona, hitombo saina, ambinim-bola sy harena… »

Rehefa nisy moa ny hena, dia novonoina ny omby ary dia zaraina amin’ny olona tonga eo ny hena. Ny hena tsara kosa toy ny trafony sy ny vodihena dia omena ny olona manakaja. Io ilay antsoina hoe « nofon-kena mitam-pihavanana ».

Fahadisoan’iza ary ?

Tsy voafaritra ihany, ary tsy voafaritra foana. Io no azo ambara amin’ny tantaran’ny firenena Malagasy. Ny taona farany nankalazana ny « Asaramanitra » indray eto no tiana hambara. Ny mpikaroka sasany dia nanambara fa ny Kolonely Ratsimandrava Richard no olom-panjakana farany nankalaza azy. Tsy misy isalasalana izany raha mijery fotsiny ny toetsain’ity mpitondra ity.

Ny minisitra farany voalaza fa nankato ny hetsika kosa dia Andriamatoa Tsilavina Ralaindimby, nisahana ny kolotsaina tany amin’ny taona 1994 tany.

Ankoatra ny finiavana politika anefa dia ao koa ireo anton-javatra maro mahatonga ny fanadinona ny fetin’ny « Asaramanitra ». Ny tsy fahampianan’ny fanazavana avy any amin’ireo milaza ho mpahalala dia anisan’izany. Ireo mpanandro ohatra dia anisan’ny tsy milaza mazava tsara ny fanaovana kajikajy ny amin’ny famantarana ny tsinambolan’ny Alahamady. Samy manana ny azy avy eo, ary dia samy mankalaza ny azy amin’ny andro izay heveriny fa mety ry zareo. Dia lasa mifampialona.

Ny mpanandro ihany

Hatreto dia azo lazaina fa mbola ireo mpanandro ireo ihany no afaka mamantatra ny fiovaovan’ny volana sy ny toetry ny kintana. Aza afangaro arak’izany, tsy mpimasy hono ry zareo, fa mpikaroka.

Ankoatra ny tsy fahampian’ny serasera dia manaratsy hendrika sy nahavery ny fomban-drazana Malagasy koa ireo trangan-javatra maro samy hafa avy any ivelany. Ny Fivavahana ohatra, dia manana ny lanjany manokana. Ireo izay mbola manaja ny fomban-drazana dia raisina ho toy ireo olona mpanompo sampy. Noho izany dia tsy tokony hanana toerana eo amin’ny fiarahamonina. Hailikilika arak’izany izy ireo mandrapihovany hevitra. Indrisy.

Anareo koa

Manana andraikitra ihany koa ireo milaza ho mpandala ny fihavanana sy ny kolotsaina maha-Malagasy. Anisan’ireny ny Trano Kolotoraly Malagasy, ny Akademia, ny fikambanana maro samy hafa toy ny Vazimba Produktion, ny Cie Rary, ny fikambanana Vaika. Marina fa miezaka ry zareo ny hankalaza ny taom-baovao malagasy araka izay tratrany, fa toa mbola « saro-kenatra » sy « tsy miray hina » ihany. Tsy ampy ny fampafantaran’izy ireo ny hetsika hatramin’izao ka zary izy samy izy ihany no mifanotrona. Antsika rehetra anefa ity hetsika ity eh.

1 commentaire

Vos commentaires

  • 31 mars 2009 à 12:06 | Ramena (#404)

    Mahafinaritra ny zavatra soratanao.
    Asa mety hanana mpitondra mba hanome lanja ny kolotsaina malagasy ve isika indray andro. Sady izay misy ny zavatra tsara.

    Maromaroa ny olona toa anao mba hizara amin’ny hafa ireo zavatra hita fa tsara amin’ny fomba malagasy ka ho ampiantsika amin’izay zavatra tsara amin’ireo fomba maro hafa hita avy any ivelany.

    Ohatra :
    aleoko lavitra ny hevitry ny fandroana
    « ... ilay andro famelankeloka, sy fifonanana. Izany hoe midio ao anaty mihintsy ny olona tsirairay avy. » toy izay ny « reveillon » sy taom-baovao ankehitriny.

    Oviana ny fomba malagasy no mba omena ny tokony tena toerany eo amin’y fanabeazana : ny tantara ampianarina any an-tsekoly, oviana no mba hisy film gasy momba ny tantara sy fomba gasy, ireny jeux sms ireny ohatra afaka atao hoe mba loha-hevitra toy izany fa tsy fanontaniana natao tsy ampieritreritra ny olona na loha-hevitra tsy misy dikany (ohatra : serie télé tsy hita izai mba tena lohahevitra ankoatran’ny tantarampitiavana ;....

    Fahaleovantena daholo izany rehetra izany.

Publicité




Newsletter

Les actus du jour directement dans votre boîte email

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS