Hiditra ny 22 marsa 2009 izao ny andiany faha-15 amin’ny “CSC” (Cours supérieur de commandement) eo anivon’ny zandarimariam-pirenena, izay ahitana manamboninahitra ambony teratany malagasy 12 mirahalahy, ary hanampy azy ireo ny teratany “togolais” efatra mirahalahy, izay ho avy tsy ho ela. Hiditra torak’izany koa ny andiany faha-17 amin’ny mpiofana ho komandin’ny tobim-paritry ny zandarmaria (17ème CPCB : Cours de perfectionnement des commandants de Brigade) miisa 35 mirahalahy.
Ankoatr’ireo dia hiditra tsy ho ela ny mpiofana misahana ny fikojakojana ny fiarakodia eo anivon’ny zandarmaria ary handray tsy ho ela ny ampahany amin’ireo mpianatra ho zandary andiany 2008-2009 ny sekoly.
Manoloana ny toe-javatra izay nolalovan’ny firenena izay nanamafisan’ny Zandarimariam-pirenena ny andraikiny ho fiarovana ny ain’olona sy ny fananany, dia mitohy hatrany ihany ny fampianarana sy ny fanofanana eo anivon’ny Sekoly Ambonin’ny Zandarimariam-pirenena (ESGN) izay ahitana ireo sokajim-piofanana maro.
Tsy miova ny fandaharam-potoana sy ny vanim-potoana izay efa voafaritra mialoha hanatanterahina izany ary ahitana mpiofana maro. Mpiofana 28 mirahalahy, ahitana teratany malagasy 24 sy “togolais” 04, izay manaraka ny fiofanana “35ème CAO” (Cours d’Application des officiers), dia efa niantomboka ny volana septambra 2008. Mpianatra ho zandary prinsipaly andiany faha-50 miisa 125 mirahalahy kosa no mandrato fahalalàna nanomboka ny 15 febroary 2009.





