Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
lundi 26 septembre 2016
Antananarivo | 07h23
 

Malagasy

Hevitra

KATSO-22

vendredi 5 juin 2015 | Soamiely Andriamananjara

Ny antony mety mampikatso ny fanatsarana ny tontolo politika eto Madagasikara.


Asa ianareo raha efa namaky ilay bokin’i Joseph Heller hoe Catch-22. Tamin’ny ady lehibe faharoa no niseho ny tantara. Nisy miaramila vitsivitsy nilaza tamin’ny lehibeny fa tsy te hiantafika. Dia namaly ny komandy fa tsy olana izany fa afaka misafidy ny tsy ho any antsahanady ireo izay tsy te ho any raha toa ka mahafeno ny fepetra. Mila manantona mpitsabo fotsiny izy dia mangataka fitiliana hanaporofoana fa mitapy na adala. Misy fandrika kely anefa fonoson’io fepetra io : matoa ilay miaramila mametraka fangatahana fitiliana dia midika izany fa tsy adala izy (satria ny olona adala mantsy tsy mahafantatra fa adala ny tenany). Ary satria izy tsy adala dia tsy afaka mitsaoka an-daharana fa tsy maintsy mandeha any antsahanady. Izay ilay Catch-22 : tsy misy fomba ahafahana miala fa tsy maintsy miantafika daholo na ny hendry, na ny milaza ny tenany ho adala, na ny tena adala.

Lasa teny fampiasa andavanandro izao ilay hoe Catch-22 entina milaza fisehon-javatra iray manahirana na tiana ovaina kanefa tsy azo ialàna noho ny rafitra misy na ny fitsipika mifanipaka napetraka. [ohatra : Tratry ny Catch-22 ny tanora vao avy nahavita fianarana. Tsy mety mahazo asa izy satria izay manana traikefa ihany no raisin’ny orinasa hiasa. Raha tsy miasa anefa izy dia tsy hahazo traikefa mihitsy.] Indraindray koa io teny io dia milaza safidy sandoka ka na inona na inona lalana finidy dia mitovy ihany ny vokany.

Raha miresaka an’io aho dia tsy hoe akory fitiavana ny handrebireby anareo fotsiny, fa mba te hizara teoria kely tsotsotra izay mety ahafahantsika manazava ny antony mampikatso (mikatso-22) ny ezaka sy paikady maro izay natao mba hanavaozana ny tontolo politika eto Madagasikara.

Aleo angamba tonga dia tsorina ny resaka. Misy zavatra tsy mandeha amin’ny laoniny mihitsy eo amin’ny fanaovana politika, mba tsy hilazaina hoe filalaovana polifika, eto Madagasikara. Maloto ny tontolo politika eto ka mila fanitsiana ara-drafitra maika sy goavana. Na eo amin’ny resaka vola sy kolikoly izany, na eo amin’ny resaka firehan-kevitra, na eo amin’ny resaka fifampitondrana eo anivon’ny antoko politika aman-jatony. Zava-misy tsy azo lavina ireo.

Aleo koa aloha atao mazava fa tsy izay rehetra manao politika akory dia olon-dratsy. Tsy ny solombavambahoaka rehetra akory no manana toe-tsaina lomorina. Maro ny mpanao politika Malagasy no tena tia tanindrazana. Zava-misy tsy azo lavina koa ireo. Rehefa tena fakafakaina dia misy karazany roa ny politisianina misy eto amintsika. Misy ny idealista, dia misy ny mpikaraman’ady. Ao ny bonaika (na pondro), dia ao koa ny fatsora (na fetsepy).

Etsy andaniny aloha, misy ireo azo lazaina fa olona tena mikatsaka fandrosoana sy fivoarana ho an’ny firenena ; olona tena te hanampy ny mpiray tanindrazana aminy ; olona tena te hanova ny fomba fikirakirana politika eto Madagasikara. Matetika izy ireny dia manana vina mazava sy soa toavina mafonja heveriny fa mendrika ny firenena — toka-po izy ka tsy mba tia milefitra na miolakolaka fa mikiribiby miaro izany idealiny izany. Tsy tia mandray vola sadasada fihaviana na mamofopofona kolikoly na halatra izy ireny ; ka sahirankiran-dava izy manao fampielezan-kevitra satria tsy manana sponsors matanjaka rehefa injay tonga ny fifidianana.

Etsy ankilany kosa indray, misy ireo tsy misaina hafa tsy ny tombo-tsoany manokana ; tsy dia miraika loatra amin’izay mety ho soa iombonana ; tsy dia taitra loatra amin’ny fanatsarana na ny fanadiovana ny tontolo politika Malagasy. Mazàna izy ireny dia olona kinga saina sy mahay miresaka ary havànana amin’ny kajikajy politika  —  mahay milomano ary tsy mena-mivadika sy mamingana afara mihitsy izy. Mazàna koa izy ireny dia tsy sarotiny na mifidifidy mpamatsy vola ka afaka migalabona tsara mampifaly vahoaka rehefa fifidianana. Mazàna izy ireny no mivoaka mpandresy.

Raha ny hevitro dia tafahitsoka lalina ao anaty karazana Catch-22 ny tontolo politika Malagasy : Lo tanteraka ilay rafitra ka mila amboarina, kanefa io fahalovana io indrindra mbetika no lasa vato misakana an’izany fanamboarana izany.

Ireo izay manana finiavana hitondra fanatsarana dia matetika tsy manana ny hery politika hanaovana an’izany. Firifiry moa ny olom-pirenena vao misandratra eo amin’ny sehatry ny politika no entanim-po sy fanahy ka manambara ho ren-tany ho ren-danitra fa hanadio ny fomba fanaovana politika eto Madagasikara. Vetivety anefa izy ireny dia mahatsapa fa tsy ho anisan’ireo izay afaka hanavao ilay rafitra mihitsy raha tsy vonona hilalao ny kajikajy, ny risoriso, ny takla deriera, ary ny kolikoly politika  —  kanefa anie dia ireny lesoka ireny indrindra no tiany ahitsy e ! Catch-22 io.

Ireo izay manana ny tanjaka politika sy fahefana ahafahana manova ilay rafitra maloto kosa anefa dia tsy miraika loatra hitondra fanavaozana satria mahazo tombony amin’ny fahalovan’ilay rafitra. Rehefa tafiditra ho anisan’ireo olona afaka manitsy ilay rafitra ny mpanao politika dia mahazo fafiny sy tsirony ka lasa mora manadino ilay idealy nanentana azy teny am-piandohana, dia tsy inona fa ny hanadio ny tontolo politika Malagasy ; dia lasa variana milomano ao anatin’ny pasy tolaka, ny didy antsy, sy ny kopy soroka ary ny fombafomba politika izay tokony amboarina. Mbola Catch-22 koa io.

Mila manao safidy lalina sy sarotra ny mpanao politika : hifikitra amin’ny soa toaviny ve, sa hiolakolaka toy ny politisianina fatsora ? Toa safidy fôsika ihany anefa izany : Raha mijaridina mijoro amin’ny idealiny izy dia tsy hahavita hanova n’inon’inona satria angady mondro tsy mahatapa-kahitra ; Raha manaraka ny fomba fiasan’ireo mpanao politika efa matanjaka kosa anefa dia tsy hanova n’inon’inona satria hahazo tombony amin’ilay fahalovana. N’inon’inona làlana finidiny dia mitovy ihany ny vokany : tsy voahitsy ilay rafitra tian-kovaina. Mbola endrika Catch-22 koa io safidy fosika io.

Izay sy izay ary no mba heveriko fa mampikatso-22 ny ezaka na tetika entina manitsy ny fanaovana politika eto : Tsy afaka manova raha tsy tafiditra ao anatin’ilay rafitra, kanefa izay tafiditra ao anatiny dia tsy te hanova. Dia hilaza izao ianareo hoe inona ary no vaha-olana. Eo indrindra isika izao.

3 commentaires

Vos commentaires

  • 5 juin 2015 à 09:51 | valoha (#7124)

    Faly sy ravo izahay nahita lahatsoratra @ ny tenin-dRazana ! Ary dia isaorana indrindra ny MT sy an’ Andriamatoa Soamiely A. nanantatra izany etoana.
    Ny resaka politika, raharaham-pirenena dia mafana tokoa ! Ary marina mihintsy fa tsy ny solombavambahoaka rehetra no tsy ao, na ratsy ! Na ihany koa ny Malagasy rehetra no mandanderoka ! Fa kosa ny lalana, ny Lalampanorenana, izay mifono paika sy hevim-pitantanana napetraky ny fratsay no mila sy tokony amboarina miaraka malaky. Tokony iaraha-mikaon-doha, itsina, amboarina mba hifanojo @ ny maha-Malagasy antsika, hifanentana @ ny zava-misy etoana, hamaly ny filan’ny Faritra 22 ! Lasa mahazo vahana ny panao politika hosoka tia kely. Lasa olom-bitsy lava ny manjaka sy mahazo ny tombony @ ny fananam-bahoaka sy fahefana. Lasa mnao izay daniny avy izy rehetra mba hanararaotana malaky hahabe ny ambaindainy ! Mamorona lainga, manao vazaha mody miady(HVM/Mapar ; HVM/TIM) mba hahavery dia ny valalabemandry, sns...
    Rehefa isika samy isika, rehefa isika no manmboatra ny zava-drehetra eto - midika izany fa isika no masi-mandidy, tompony, manana andraikitra feno @ ny raharaha rehetra miala any ifotony ka hatrany antampony. Koa na mety na tsy mety dia isika no tompon’andraikitra @ izany, ary tsy maintsy mitady ny vaholana sahaza izany avy.
    Rehefa ny Malagasy Faritra 22 no manana fahefana feno sy mandidy eto dia any isika vao miresaka fitondrana tan-dalana, rariny sy hitsiny. Ary dia izay no tanjona sy tarigetra iray entina miala @ izao korontana sy fahantrana, fitsabahan’ny vahiny lava, kolikoly, tsy fandriampahalemana, halatra be vava, sns...sy entina mampandroso ity firenena ity. Samy manana andraikitra @ izany isika rehetra.
    Raha ny izao aloha dia mbola afaka milaza fa lavitry ny afo tokoa ny kitay ! Toa manao ny ataony na ny gasy vitsy, karana, sinoa, fratsay, vahiny...toa tantela afa-drakitra izany avokoa ny harem-bahoaka, ny fitantanana, ny sisin-tany, ny tafika / zandary / polisy, ny sampana maro samy hafa misy eto. Variana samy miaro ny sezany sy ny fomba fiadiny na ny filoha, PM, solombavambahoaka izay nianteherana mafy !
    Koa antsika miaraka no mitady sy mifanome tanana mba hisy malaky ny fanitsiana ny lalana sy ny fomba fitantanana ara-panahy sy @ ny maha-Malagasy antsika.
    Mamerina ny fisaorana sy fankatelemana feno ny MT @ izao lahatsoratra mahafinaritra @ ny teny Malagasy izao, ary dia maniry ny fitohizana sy ny fivelarana mankany @ ny haino aman-jery hafa ! Misaotra sy mankahery an’Andriamatoa Soamiely Andriamananjara !

    • 6 juin 2015 à 17:19 | Fanovonona (#8996) répond à valoha

      Mankasitraka indrindra ny @ity lahatsoratra @teny gasy ity. Tena efa dingana iray izao @fitodihana bebe kokoa @ tena maha malagasy. Momba ny resaka politika, tena marina tokoa ilay hoe Katso-22 na mikatso 22 satria zavatra efa voadinika sy mati-paika ny zavatra rehetra. 50 taona mahery izay, fa tsy mbola misy ny fiovana. Mafy ny hery ao ambadika. Ataoko hoe olana ny mpanao politika, fa ny hery ao ambadika manosika ny mpanao politika ho fositra koa tena olana. Firaisan-kina, fahavononana ny hanova hatr@ fakany, izay no anisany hitako vaha-olana. Mila ny zanany i Madagasikara, zanaka manam-pahendrena, zanaka mijery ny hafa fa tsy ny tenany fotsiny, zanaka vonona hanavotra ny Reniny, zanaka maniry ny hoe « hiadana sy ho finaritra, ehh, ho sambatra tokoa izahay », zanaka tena mahasahy mijoro hanompo ny tanindrazana, tsy ho voatambin’ny vola, tsy ho sodokan’ny fanomezana. Tsy ho nofy izany raha sahy miara-mientana ny rehetra ary mahazo tsara ny zava-misy marina izay afenina mba tsy ho fantatry ny rehetra. Tena mba mahafinaritra ahy ny Razam-bentsika tany aloha izay tena niaro ny tanindrazany, tsy nanaiky ho lembenana, nijoro hatr@ fahafatesana. Zanaka tonga saina no ho avin’i Madagasikara, Zanaka vonona. Mankasitraka antsika rehetra. Ho tafarina anie i Madagasikara

  • 5 juin 2015 à 10:04 | Midabetsy (#8062)

    Asa raolona na tena efa tofoka ranamana iray omaly fa hoy izy : « isika Malagasy dia tsy handroso intsony mihintsy raha mbola izao foana no eto, fa aleo aloha isika miverina zana-tany indray ka rehefa lasa sesi-tany ireo mpanao politika ireo ary tantanan’ny vahiny ny fitondrana dia mety hiova ho tsaratsara ny fiainana, satria mety mba hahazo asa aho. amin’izay mantsy dia izay mahay ilay asa no ilaina fa tsy hisy havan-drakoto sy Rabe intsony. » Io ny azy no mba heviny.
    Ampifandraisiko amin’ity lahatsoratra ity izany dia toa manalasala ihany.
    SAMIA MANDINIKA FA EFA KIVY NY OLONA.

Publicité

Vols, Hôtels, Séjours

Les meilleurs prix


Publicité

Newsletter

Les actus du jour directement dans votre boîte email

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS 
 
 

Visiteurs connectés : 249