Indray andro taorian’ny fifandonana namoizana ain’olona teny amin’ny Hery Vonjy Taitra Fort-Duchesne (FIGN) ny Alakamisy 20 may 2010 dia olona 10 no voasambotry ny Emmo/Reg tarihin’ny Kolonely Richard RAVALOMANANA noho ireo fandikan-dalàna tsy azo noleferina nataon’izy ireo.
Ny Lietenà Kolonely ANDRIANJAFY Raymond izay nitarika ireo mpioko teny an-toerana dia efa eo am-pelan-tanan’ny Sampam-pikarohana Heloka Bevava (Section de recherche Criminelle) Fiadanana miatrika ny famotorana miaraka amin’ireo namany vitsivitsy.
Olona fito hafa no efa nampidirina eny amin’ny Fonjan’Antanimora ny 21 mai 2010 ; sivily ny 06 ahitana Pasitera iray, vehivavy iray ary Zandary miasa eo amin’ny FIGN iray. Ireto no karazam-pandikan-dalàna nataon’izy ireo : « Assassinat, incitation des citoyen à la guerre par vois de presse Complicité, outrage à la force publique, attroupement sans autorisation, atteinte à la sûreté intérieur de l’Etat ».
Ankoatr’izany ; raha natao ny fisavana ny tranon’ny Lietenà-Kolonely RAYMOND teny Fort-Duchesne ny 21 mai 2010 maraina dia ireto no zavatra hita tao :
1/ - Miaramila efa nahavita fanompoam-pirenena teo anivon’ny Foloalindahy (Ex-militaire) telolahy tao an-tranony ka ny iray niravaka “MOHARA” feno fanafody gasy. Nisy fanafody tsy fantatra ihany koa tao anaty kesika nisy « grenade lacrymogène » ahitana vahona sy tavoahangy vitsivitsy misy ranon-javatra mahery fofona
2/ - Fiara tsy mataho-dalana roa marika PRADO miloko manga sy MITSUBITSU fotsy teo an-tokontany izay nampiasain’izy ireo.
3/ - « Tenue de combat » maromaro tao anaty sakaosy ary nisy galona Kolonely miaramila mbola vaovao sy beret rouge iray.
Ankoatr’ireo izay efa nampidirina am-ponja dia mbola mitohy ny famotorana mahakasika ity raharaha ity ary tsy mandry andro tsy mandry alina ny Emmo/Reg ho fampanjakana ny fandriampahalemana eto an-drenivohitra ka tsy hikoso-maso amin’ireo izay minia mandika lalàna.
Nangonin’i Valis




