Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
mardi 19 mars 2024
Antananarivo | 09h05
 

Malagasy

Zandarimariam-pirenena

Raharaha FIGN sy hetsiky ny mpitondra fivavahana

samedi 22 mai 2010

Indray andro taorian’ny fifandonana namoizana ain’olona teny amin’ny Hery Vonjy Taitra Fort-Duchesne (FIGN) ny Alakamisy 20 may 2010 dia olona 10 no voasambotry ny Emmo/Reg tarihin’ny Kolonely Richard RAVALOMANANA noho ireo fandikan-dalàna tsy azo noleferina nataon’izy ireo.

Ny Lietenà Kolonely ANDRIANJAFY Raymond izay nitarika ireo mpioko teny an-toerana dia efa eo am-pelan-tanan’ny Sampam-pikarohana Heloka Bevava (Section de recherche Criminelle) Fiadanana miatrika ny famotorana miaraka amin’ireo namany vitsivitsy.

Olona fito hafa no efa nampidirina eny amin’ny Fonjan’Antanimora ny 21 mai 2010 ; sivily ny 06 ahitana Pasitera iray, vehivavy iray ary Zandary miasa eo amin’ny FIGN iray. Ireto no karazam-pandikan-dalàna nataon’izy ireo : « Assassinat, incitation des citoyen à la guerre par vois de presse Complicité, outrage à la force publique, attroupement sans autorisation, atteinte à la sûreté intérieur de l’Etat ».

Ankoatr’izany ; raha natao ny fisavana ny tranon’ny Lietenà-Kolonely RAYMOND teny Fort-Duchesne ny 21 mai 2010 maraina dia ireto no zavatra hita tao :

1/ - Miaramila efa nahavita fanompoam-pirenena teo anivon’ny Foloalindahy (Ex-militaire) telolahy tao an-tranony ka ny iray niravaka “MOHARA” feno fanafody gasy. Nisy fanafody tsy fantatra ihany koa tao anaty kesika nisy « grenade lacrymogène » ahitana vahona sy tavoahangy vitsivitsy misy ranon-javatra mahery fofona

2/ - Fiara tsy mataho-dalana roa marika PRADO miloko manga sy MITSUBITSU fotsy teo an-tokontany izay nampiasain’izy ireo.

3/ - « Tenue de combat » maromaro tao anaty sakaosy ary nisy galona Kolonely miaramila mbola vaovao sy beret rouge iray.

Ankoatr’ireo izay efa nampidirina am-ponja dia mbola mitohy ny famotorana mahakasika ity raharaha ity ary tsy mandry andro tsy mandry alina ny Emmo/Reg ho fampanjakana ny fandriampahalemana eto an-drenivohitra ka tsy hikoso-maso amin’ireo izay minia mandika lalàna.

Nangonin’i Valis

2 commentaires

Vos commentaires

  • 24 mai 2010 à 18:27 | nirina (#3722)

    Hono hoa azafady ? iza kay no nitenyhoe fandikandalana tsy azo noleferina ilay nataondry zareo ? satria oh ny hoe nareo eto amin’ny tribune no miteny an’zany fa tsy asianareo teny hoe fandikandalana tsy azo noleferina « no iampangan’ny emmoreg » azy na « hoy i col ravlmnn ». Aminay mantsy izao dia fitakiana ny marina sy fanehoana fa tsy manaiky ho rahonana lava izao no nataon’dry L.col raymond, fikasana ny hivavaka no nataon’ireo vahoaka rehetra tonga teny, ary fiantsoana ny olona mpihaino azy haneho hevitra no nataon’ireo mpiasan’ny radio fahazavana. Ka asa inona amin’ireo no fandikandalana tsy azo leferina ? satria mantsy ho anireto hat ireto ny mankeny amin’ny lapan’Ambohitsirohitra dia tsy fandikandalana ? ary rehefa ny mpiaro ny lapa no mitifitra (zay mbola mila fanadihadiana ihany koa satria betsaka ny nahita fa ry hat ihany no nitifitra avy tao anaty olona tao) dia lazaina fa mpamono olona, fa rehefa ny miaramilany no MANAFIKA ny camp FIGN misy ireo mpivavaka dia... mety ve ? Ary azo atao ve ny mamoaka ny isan’ny olona novonoin’i rajoelina tao anatin’izay herintaona izay : Haja mpivarotra boky, ireo notifirin’ny FIS (mpibaiko an’i rajoelina rahateo) ami’ny tsy rariny rehetra, ireo gendarme maty ireo, i Pastera Rivo sns. Mba asio source izay lazainareo na porofo fa manjary tsy matianina.

  • 24 mai 2010 à 18:54 | nirina (#3722)

    Adinoko ny nanontany hoe nareo mpanao gazety ve teo tamin’ny fisavana nahitana an’ireo zvt rehetra ireo sa oh’ilay teny Ambohitsirohitra ndray avoaka daholo izao karazanjvt izao hi-diaboliser-na ilay olona fotsiny.
    Amiko aloha dia efa tsisy mino intsony izay lazain’ireto hat ireto fa dia efa hihomehezana fotsiny. Tsy maintsy hisy baomba, coup d’etat, fitifirana an’i rajoelina (toa nangingina tokoa iny cinema iray iny ?), sns sns. Mety marina ireo ody gasy e, tenue militaire sns ireo. Fa kosa tsy mino aho raha mbola ry hat no milaza fa nahita azy. Ary fanampin’[izay, tsy manamaivana na kely aza ny hetsika natao ireo fanaratsiana amiko satria RATSY ireto olon’ny hat ireto ary mila mihetsika foana izay miaro ny marina sy ny aradalana mba tsy hahazo vahana izy ireo !!

Publicité




Newsletter

Les actus du jour directement dans votre boîte email

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS