::::  Site web indépendant, sans attache avec le journal papier  ::::  Les dernières actualités  Actus Générales    Annonces personnelles  Annonces    ::::    Facebook    Twitter   ::::
Antananarivo | 03h55  :  19°C  :  Clair de lune et nuages épars
jeudi 16 février 2012
 

 > Malagasy

Marc Ravalomanana

Hafatra 29 marsa sy ho an’ny mpanohana ny « ara-dalàna »

lundi 30 mars 2009

Fiarahabana ny Vahoaka Malagasy mpiray tanindrazana tratry ny 29 martsa no afatra saika alefan’i Marc Ravalomanana ny asabotsy 28 martsa lasa teo tetsy amin’ny kianjan’ny 13 mey. Tsy raikitra anefa izany ka dia nalefa tamin’ny onjapeo ilay hafatra.

Fankasitrahana sy fiarahabana

« Miarahaba anareo amin’izao ankatoky ny fankalazantsika ny tsingerintaonan’ny faha 29 martsa 1947, tolom-panafahana nataon’ireo zoky ray amandrenintsika 62 taona lasa izay. Mbola misy amin’izy ireo miara miriaria mahita ny zava-misy ankehitriny, ireo tapa-porohana sisa tsy may, ireo akanga sisa nanamborana ». Izay ny fiandohan’ilay hafatra.

Avy eo dia nisaotra ireo bekotro maro olatra ny filohampirenena teo aloha. « Ianareo bekotro maro olatra, misaotra anareo izahay nohon’ny tolona nataonareo ho fanafahana ny tanindrazana malalantsika ity. Mankasitraka anareo izahay nohon’ny hafanam-po, ny fijoroana, fahasahiana ho an’ny taranaka fara aman-dimby », hoy ilay fanambarana.

Mamelà ahy ianareo mba hitodika amin’izy ireo ankehitriny, vanin’andro lehibe sarobidy amin’izy ireo tokoa mantsy izany fahatsiarovana ny tsingerintaona faha 29 mars izany. Aza matahotra ianareo fa ho jerena manokana izay mbola azo hanampiana sy izay azo atao rehetra amin’ny andro sisa mbola hiainanareo.

« Asehoy ny tena fitiavantsika ity tanindrazana ity »

Mitodika amintsika ankehitriny kosa ary aho ankehitriny. Raha niady mafy izy ireo, nahafoy ny ainy, ary indrindra indrindra nijoro ho lehilahy sy vehivavy, mahita ny zava-misy ankehitriny, miaina zao vanin’andro iainantsika ankehitriny izao, malahelo, misento. Aiza ho aiza no tena fitiavantsika ity tanindrazana malalantsika ity.

Ry vahoaka Malagasy, asehoy ny tena fitiavantsika, mijoroa, misehoa, tiantsika loatra ity firenentsika ity, mamintsika loatra ry malagasy. Fantantsika fa misy dia misy ireo mpanao arira, ireo diso lalana, ireo nania, nefa tonga amin’ilay fitenenana manao hoe ny omby indray mandry hono tsy indray mifoha ary saonjo iray lohasaha tsy hilaozan’izay mamarara, koa havereno ny fifankatiavantsika malagasy. Asehoy fa fianakaviambe iray ihany isika.

Faly aho, faly isika mianakavy satria am-pamendrehana tanteraka no hankalazaintsika izany tantara anankiray tsy azo kosehina ao am-pon’ny malagasy izany.

Misaotra an’Andriamanitra isika fa be ireo olona tia tanindrazana. Ianareo zao, isika rehetra izay mihaino sy manaraka ny fandehanan-draharaha eto amin’ny tany mamintsika ity. Fantatro, fantantsika rehetra fa mandia fotoan-tsarotra ny firenentsika ankehitriny, tsy mifankaiza firy ny zava-misy 62 taona lasa izay. Ny endrika fotsiny no samihafa, ny fotoana no aty aoriana fa ny fanagejana indray no tadiavin’ny sasany ho atao ary ny fizarazarana hanjakana no kendren’ny sasany.

Mahatoky aho, mahatoky isika fa hijoro hatramin’ny farany, hanao arak’izay ato atao mba ahafahantsika mampandresy ny fanamafisana ny demokrasia, ny fankatoavana tanteraka ny lalam-panorenana ary indrindra indrindra ny fanajana ny lalàna velona misy eto amin’ny tany sy ny fanjakana mba hiadanan’ny vahoaka, hamerenana ny filaminana sy fandriam-pahalemana.

Antso ho an’ny fahamaroan’ireo mpanohana

Antso no ataoko, aoka isika samy hihaino ny feon’ny fieritreretana amin’ny fitiavan-tanindrazana hananantsika. Tsy tombontson’izao velively ny fandrobana fananan’olona, ny fandorana ny fananam-panjakana sy ny fananan’olon-tsotra. Tsy ny tafondro sy ny basy no hangalana an-keriny ny fahefana fa aoka re mba samy hanaja ny lalam-panorenana, hanamafy ny demokrasia. Matoky aho, mino aho fa ampy dia ampy ho lesona ho an’ny ho avy ny zava-mitranga ary izao fahamaroanareo marobe izao tsy hijanona mihintsy.

Miantso anareo aho, mamporisika anareo aho, mankahery anareo aho, fihetsika maha te hidera, fahasahiana hiaraha-mahita izao ataonareo izao, aza manaiky ny hiverenan’ny fangejana ity firenentsika ity intsony. Lavo ankitsirano ny fampiadiana sy ny fizarazarana hanjakana. Tandremo dia tandremo ry Vahoaka Malagasy. Tsy maintsy ataontsika izay ahafahana maneho haingana ny fampandrosoana an’i Madagasikara. Tsy maintsy ataontsika ny famerenana indray ny fiainam-pirenana ary tsy maintsy ataontsika ny famerenana indray ny fiainam-pirenena ary tsy maintsy ataontsika ny fampandrosoana haingana sy maharitra ity firenena malalantsika ity mba hamaranantsika hatramin’ny farany ny fahantrana misy eto Madagasikara.

Aoka re isika amin’izao fotoanan’andro iainantsika izao hahatsapa fa dia efa noraisin’ireo firenena matanjaka ho modely Madagasikara amin’ny fampandrosoana. Indrisy anefa hoy aho aminareo.

Koa ny fankalazantsika ny 29 martsa rahampitso alahady, andro izay atokantsika hitondrana am-bavaka ny firenentsika ary indrindr’indrindra andro hanakinantsika amin’ny Andriamanitra marina ny fiainan’ity firenena malalantsika ity, miantso anareo aho ry Malagasy, miantso antsika, aza avela ho raraka an-tany re ireo tolom-panafahana nataon’ireo zoky ray aman-dreny teo aloha, aza avela ho raraka an-tany re ireo voninahitra an-tsobika izay azontsika nandritra izay 7 taona – 8 taona niarahana izay.

Ry Vahoaka Malagasy,

Ato am-poko mandrakariva ny fahatsiarovana antsika rehetra, ato am-poko mandrakariva ny afo miredareda tia hampandroso haingana an’i Madagasikara. Tsy ho sandaiko vola na atakaloko izay harena ny fitiavako ny Vahoaka Malagasy sy ny fitiavako ny fireneko. Aza matahotra, ianareo fa tsy ho ela dia heverina aho, hiaraka isika, miasa miaraka no fahombiazana. Ny vavaka asandratrareo, ny fihetsika mendrika maha Malagasy antsika ataonareo, zava-dehibe eo anivon’izao tontolo izao izany. Tohizo, hamafiso izao hetsika ataontsika izao ho ren’izao tontolo izao fa tsy hanaiky mihintsy ny Malagasy raha tsy tafaverina amin’ny laoniny ny ara-dalàna. Mamerina indray aho fa ny akanga maro tsy vakin’amboa, ny mitabe tsy lanin’ny mamba, ka tongava maro ary, hamafiso hatrany izao hetsika hataonareo izao, ho ren-tany, ho ren-danitra fa mifankatia ny Malagasy, tsy hanaiky lembenana intsony ny Malagasy. Hiady hatramin’ny farany ny Malagasy mba ahatonga ny taniny tsy hisian’ny fanagejana intsony indray, mba ahatonga ny taranany rahatr’izay ho lasa taranaka vanona, mendrika ny firenena malagasy.

Andriamanitra tompon’ny fahefana rehetra anie manana fahasoavana manana amby ampy hamindra fo antsika, hitahy antsika ary hanao izay ahatanteraka, izay ahasoa ny Malagasy rehetra.

Homba antsika Mandrakariva anie Andriamanitra.

Nangonin’i Ninaivo R.

   Imprimer cet article    Enregistrer au format PDF    Partager

 10 réactions Lire les commentaires

  • Tohizo ny lalantsika any Swaziland RA8 ne plus revenir a Mada nous ne voulons plus de monopole et d’une société occulte
    dans notre pays (Rameva, osy, l’hôtel de sacrifice..........................)

    • Hafatra 29 marsa sy ho an’ny mpanohana ny « ara-dalàna »
      30 mars 2009 09:23, gasy261 (#1480) répond à bolo4 (#1214)

      bravo bolo4, c’est de l’espoir d’ apprendre qu’il exsiste encore une personne intelligent comme vous, vivement la librté de madagascar, ainsi sa population

    • Hafatra 29 marsa sy ho an’ny mpanohana ny « ara-dalàna »
      30 mars 2009 11:47, ragasy (#416) répond à bolo4 (#1214)

      Mivory soa aman-tsara ao amin’ny fivoriam-be ohatra ny filoham-pirenena rehetra ara-dalàna ingahy Ra8 izao fa tsy ohatra an-dra tgvendrana toa filoun’ny tontons macoutes fotsiny !

      Fa nangalarinareo hatao inona ary aloha ireny rameva ireny ry bolo sy gasy261 ?

    • Hafatra 29 marsa sy ho an’ny mpanohana ny « ara-dalàna »
      30 mars 2009 14:06, fandresena (#299) répond à bolo4 (#1214)

      FITIAVANTANINDRAZANA TSY MISY FITAKA Ny AN-DRAVALO .

      HATRETO ALOHA DIA IZY IRERY IHANY NO MANANA IZAY ary tena mahavaly hetahetam-pon’ny vahoaka !

      • Hafatra 29 marsa sy ho an’ny mpanohana ny « ara-dalàna »
        30 mars 2009 14:26, doda (#1402) répond à fandresena (#299)

        Tany Mahajanga Ravalomanana:tsy mahafantatra ny raharaha 1947 aho,59 aho no teraka,may ny ambondrona izao dia hoe fantatra indray ny 1947 ?tsapao aloha ny herinareo vao mitsapa ny ahy,vahoaka manao fitakiana dia izay no navaliny.
        Enga anie mba hiova i Ravalomanana rehefa tafaverina eo @fitondrana indray ra ho tafaverina(Andriamanitra irery ihany no mahafatatra)ankamatatra

      • Hafatra 29 marsa sy ho an’ny mpanohana ny « ara-dalàna »
        30 mars 2009 15:58, namana (#743) répond à fandresena (#299)

        Raha manana FITIAVAN-TANINDRAZANA RAVALO. Dia tsy tokony hieritreritra na dia iray sekondra aza hiverina hitondra any Madagasikara.Raha tsy olona kely saina hoatranao ny Malagasy ka hamerina DICTATEUR eo @ fitondrana.
        PINOCHET tany CHILIE no mitovy @n-dravalo.
        Ary tsy tokony hianareo mpanohana an-dravalo no hisoratena mpiaro ny ara-dàlàna ; satria ny nataonareo t@ 2002 no niteraka izao korontana izao, mbola teo ihany koa ny hala-bato t@ fifidianana 2006. Aleo mitsotra hoe nahazo yaourt sy vola ary t-shirt t@ ndravalo izahay ka tsy maintsy miaro azy na tsy ara-dàlàna aza izy.MBA MAHALALA MENATRA !!!
        Mahamenatra fa @ izao taon-jato faha 21 izao dia mbola misy mitomany DICTATEUR hitondra ny Fireneny.
        Fandrombaham-pahefana na nataon-dravalo t@ 2002 , TADIDIO izay ary aza fahanan-dalitra ny vahoaka.Ny olona kely saina ary tsy mahalala raha tsy izay hampidiriny eo ambany orony , no manaiky hataon-dravalo TAINGIM-BOZONA.
        jereo fotsiny fa 1€= 6000 fmg t@ 2002
        ankehitriny ; hoatrinona ???? Dia iny novana ARIARY iny moa, mba hanafenana ny fihenan-danja ny vola Malagasy !!!
        Fanampiny vao maika nihamahantra ny Malagasy ary atao mihitsy izay hampahantra azy ; @ izay rehefa tonga ny fifidianana dia izarana yaourt sy T-shirt ary vola kely dia manao tahaka izao ataonao izao ry...... ka miaro olona NANAMPOTIKA NY FIRENENA...
        Ary ny fisian’ ndry Constant sy Manandafy miaraka aminareo ireto dia vao maika mampibaribary fa MILALAO NY VAHOAKA MALAGASY hianareo. Ka ny VOLA
        HAMPIDIRINA ANY AM-PAOSINAREO no zava-dehibe fa tsy misy fitiavan-Tanindrazana

  • COMMOMERATION 29 MARS 1947 POUR MARCOMYTHO
    31 mars 2009 06:47, par 18MadaOne (#473)

    Ca suffit Marc Ravalomanana, encore un discours de démagogue, de despote et d’hypocrite. Vous croyez que tout les malgaches sont dupes et croient encore à vos délires (à part vos partisans fanatiques aveugles, évidemment les fanatiques existeront toujours hélas).Vous n’avez jamais reconnu et ignorait même les évènements de 1947, selon votre propos et que c’est seulement maintenant que vous promettez d’aider les anciens combattants et d’améliorer leur sort. Qu’est-ce que vous avez fait pour eux durant votre mandat ? Arrêtez Saint faux frère Marc. Le mieux c’est que vous essayez de méditer un peu sur vous-même avant de donner des leçons aux autres non ? « Qu’est ce que j’ai fait réellement » ? Tous les projets réalisés ? Oui, tout le monde les connaît depuis l’ère de Ratsiraka, ce ne sont que des paillettes, le véritable problème de fond n’a jamais été résolu. Si vous avez géré le pays convenablement et comme il faut, personne n’a pas suivi Andry Rajoelina et la crise n’aurait pas eu lieu. Vous le savez exactement que le gel des aides extérieures (BM, FMI, UE,…) ne datait pas de la crise M. Marc. Une sévère avertissement (concernant votre gestion) a été déjà lancée en l’encontre de votre régime depuis Décembre 2008, ce qui a entrainé suspension des aides pour ce mois et la suppression des aides prévus Avril 2009. Donc arrêtez de nous mentir encore une fois de plus M. Marc, si les salaires des fonctionnaires ne vont être payés dans les mois suivants c’est la faute à cette crise et à la transition ? Arguments complètement idiots et absurdes. La source du problème c’est votre régime, la crise n’est qu’un facteur aggravant.
    Vous M. Marc, un bon patriote ? Laissez-moi rigoler Monsieur l’ex-président : un bon patriote reconnaît explicitement la commémoration du 29 Mars 1947 dès le début et ne jette pas encore de l’huile sur le feu de la crise actuelle que traverse le pays. D’ailleurs, vous avez mal négocié cette crise malgache sinon on n’en serait pas là. Maintenant c’est déjà trop tard, c’est après avoir utilisé la voie répressive (qui n’est plus efficace et d’actualité au 21ème siècle) que vous avez fait votre mea-culpa et proposer ce référendum national (qui va couter encore de l’argent au pays et toujours sur le dos des contribuables malgaches). Vous avez été toujours dépassé par les évènements (ce qui n’est pas le cas dans la gestion de vos affaires privées n’est-ce pas ?). Ensuite, vous avez dit devant des milliers de partisans que « vous ne démissionnerez jamais et que vous mourrez avec eux s’il le faut » alors que vous avez démissionné deux jours plus tard, aie encore un mensonge de plus (Votre prédécesseur l’avait aussi dit) . Démission en catastrophe, sans tenir compte des textes régissant notre constitution dont vous étiez le premier garant, après avoir constaté que tout le monde vous a lâché (y compris les membres des institutions et de certains militaires).Maintenant vous voulez revenir à la présidence après avoir démissionner il y a tout juste 2 semaines : arrêtez Marc, cessons cette connerie, ce n’est pas un jeu d’enfant Marc « Nul ne peut se prévaloir de sa propre turpitude » vous n’avez qu’à vous prendre à vous-même. Vos mercenaires et vos conseillers (étrangers) ne sont pas toujours les payeurs des pots cassés. Bref, on vous pardonne Marc mais on n’oublie pas ce que vous avez fait.
    Personnellement, et ça n’engage que moi, que je ne vous croie pas Marc (même chose pour les autres apprentis politicards) et vous ne changeriez pas : En 2 phrases dans ce discours bidon, vous avez prononcez le mot « Tsy maintsy » 4 fois, preuve de l’autoritarisme qui est en vous, c’est difficile à enlever n’est-ce pas ? « Tsy maintsy ataontsika izay ahafahana maneho haingana ny fampandrosoana an’i Madagasikara. Tsy maintsy ataontsika ny famerenana indray ny fiainam-pirenana ary tsy maintsy ataontsika ny famerenana indray ny fiainam-pirenena ary tsy maintsy ataontsika ny fampandrosoana haingana sy maharitra ity firenena malalantsika ity » Un autre fait flagrant, l’utilisation du nom DU BON DIEU , encore un autre faux prophète hypocrite qui utilise la religion pour arriver a ses fins : Vous avez tellement semé la zizanie même entre les églises en mélangeant tout « l’état et l’église » « Caisse de l’état et caisse privée » et oui, vous avez la fâcheuse habitude de tout mélanger, déformation professionnelle peut-être ? Et maintenant que comptez-vous faire de loin pour réconcilier les malgaches ainsi que les entités chrétiennes entre eux ? Homme de religion : ne vous préoccupez plus de la chose politique et tout ira pour le mieux. L’argent et le pouvoir vous ont rendu trop aveugle et sourd Marc, n’acceptant pas les contradictions. Je n’ai rien contre votre personne, mais c’est votre manière de gouverner qui a mis en danger progressivement la nation sans que vous vous en rendiez compte. Restez où vous êtes c’est mieux, un bon chrétien comme vous, et je n’en doute pas une seconde, devrait aussi savoir se résigner en ne voulant pas s’accrocher au pouvoir à n’importe quel prix pour ne pas encore enfoncer le pays dans le précipice, pardonner à ses adversaires, et refouler ses propres egos. Dans ces conditions : vous prouverez que vous êtes réellement un homme sage et un grand patriote malgache ainsi vous mettez toutes les chances de votre coté pour vous faire élire de nouveau dans deux ans une fois que la transition sera fini. Portez-vous bien et méditez durant ces 2 ans. En attendant, j’espère que les responsables de la HAT ne répètent pas les mêmes erreurs que leurs prédécesseurs. Bonne journée à tous, vive la paix sociale à Madagascar et vive l’union de tous les malgaches. Cordialement

    • COMMOMERATION 29 MARS 1947 POUR MARCOMYTHO
      1er avril 2009 18:18, namana (#743) répond à 18MadaOne (#473)

      Marina ny vaoalazanao MadaOne.Fanampiny kely fotsiny ny ahy.
      Tena mpanao ronono an-tavy sy mpiatsara ivelantsihy marina i ravalo.
      Tadiaviny ho lalaovina ny Vahoaka Malagasy, ary heverina ho toy ny fananany i Madagasikara.Dia mbola sahy milaza ny hiverina indray, HANAO INONA ?? HANANKOROTANA ???? Tadidio fa leo ny Mpitondra tsy refesy mandidy ny vahoaka Malagasy.Tsy nisy fahafahana maneho hevitra malalaka , indrindra moa raha manohitra ny mpitondra teto, nandritra izay fito taona izay (2002...2009), misy farany ny zavatra rehetra.
      ravalo ò , aza mamitaka tena , ka lany andro mizara vola etsy sy eroa hiverenana @ fitondrana indray.
      Ataondry Manandafy sy ry Constant fangalana vola fotsiny hianao.
      I Manandafy sy i Constant dia efa ela no nilalao sy nanao tohatra fiakarana ny vahoaka Malagasy. Ankehitriny dia io AVO VAVA sy MAMPIAKAPEO io izy roalahy satria nandray vola taminao asa firy Milliard tsy fantatro fa hianao nanome mahalala azy.
      Koa raha tia Tanindrazana hianao ravalo,
      dia aza potehina ny Firenena, satria izany hevitrao mitady hiverina izany dia LOZA ho an’ny Vahoaka Malagasy.
      Firenena aiza eto an-tany no hanaiky hiverenana DICTATEUR........

Pour vos voyages, utilisez l'un des meilleurs comparateurs actuels

Un Top des prix tous les jours


La météo à Madagascar

 

Publicité sur Madagascar-Tribune.com

 

Fleur d'école

 

fr 2009-03-30 05:48:27
février 2009   mars 2009   avril 2009
 
Le Petit Futé

 

  • Version pour Smartphone
  • m.madagascar-tribune.com

  • Version pour IPhone
  • iphone.madagascar-tribune.com

    Visiteurs connectés : 65  



    Mettre en page d'Accueil | Ajouter á mes Favoris | Newsletter | © Madagascar-Tribune.Com | Propulsé par Vahiny |  Motorisé par SPIP
    Découvrez aussi : Xbox 360