Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
mardi 19 mars 2024
Antananarivo | 11h04
 

Malagasy

Hevitry ny OTRIKAFO

Ny momba ny flotement na ny MID

jeudi 2 avril 2009

Ity misy courbe ny ariary miohatra amin’ny Euro. Tsara ho fantatra sy tsara ho fantarina ny ho vokany.

Eo anatrehan’ny olana ara-bola miseho eo amin’ny fitondrampanjakana ankehitriny, dia ny tsy fisian’ny vola avy amin’ireo mpamatsy vola mahazatra noho ny fanapahan-kevitr’izy ireo hampihantona aloha ny famatsiam-bola an’i Madagasikara, dia iaraha-mahita ny vokatr’izany ao anatin’izao rafitra mbola avela hanan-kery eto amintsika izao : io miakatra io ny devises matanjaka (euros sy dollars), ary mitotongana be ny sandan’ny ariary.

Mazava ho azy fa ny vokatr’izay dia hiakatra be ny PPN eto Madagasikara. Tsy zava-baovao fa efa nitranga izany. Ny fitotongan’ny vola malagasy miohatra amin’ireo devises ireo no antony iray lehibe indrindra mampahantra an’i Madagasikara (jereo ny fanazavan’i J. J. Ratsietison).

Ao anati’izao rafitra izay misy ankehitriny izao (izany hoe : mbola tsy mamorona ny volany ny Malagasy), ny vaha olana aroson’ny Otrikafo dia ny fanidiana haingana dia haingana ny MID (marché interbanquaire des devises). Marihana fa io MID io dia eo am-pelatanan’ny banky vahiny tanteraka (ireo vahiny tsy manaiky ny Tetezamita).

Ny tena vaha olana maharitra moa dia ny fialana amin’io rafitra io ary ny fampiharana ny fiandrianam-pirenena, izany hoe : ny famoronam-bola araka ny soso-kevitra Otrikafo, Kanefa ny maika aloha izao dia ny fanakatonana rahampitso dia rahampitso (alatsinainy 30 mars) ny MID.

Tokony ho fantarina mialoha anefa ny mety ho vokatr’izany : mety hampiseho hatezerana ny BM sy FMI satria izy no nanery antsika hiditra amin’io « flottement » io (MID = flottement). Tsotra no havaly azy : na izy « mamaha ny robinet », dia afaka mitohy ny rafitra akehitriny (tsy izay mihintsy anefa ny vaha olana mahomby ho an’i Madagasikara), na izy manidy ny robinet, dia zon’ny Fanjakana malagasy no manidy ny MID.

Zavatra tsy azo ampiarahana mihitsy ny fanidiana ny robinet sy ny fihazonana ny MID, fa tena famonoana ny vahoaka malagasy tsotra izao izany.

Otrikafo
29 martsa 2009.

N.B : Jereo eo ambany ny fivoatry ny sandan’ny vola euros raha mihoatra ny vola ariary

13 commentaires

Vos commentaires

  • 2 avril 2009 à 07:34 | Angelikary (#1430)

    Marary andoha angamba ny otrikafo ? Tsia ! Efa mikotrika sy manomana sahady ny sain’ny mpanara-baovao izy ireo fa tsy maintsy ampihodina ny « Vola baoritra = vola foza orana ! » (planche à billets). Efa fantatray hatrany ampiandohana anefa fa tsy maintsy hanao izany ianareo sy io fitondrana io satria kendan’ny (foza)...vomanga nasesiky ny tananareo. Andramo fa mety ho tsara ny sauce (foza) vola baoritra. Hifankahita eto isika fa misy farany ny zava-drehetra ka na ho ela na ho haingana dia ho adinina amin’izany hevitra tefy maika izany ny ortikafo sy ny TGV.

    • 2 avril 2009 à 07:56 | ton ami (#480) répond à Angelikary

      Ory Otrikafo a !

      Fa mba taiza kay nareo no nanatra no asainareo manamboatra vola io fanjakana fopla io ? Tsy mba nanao economie ve nareo e ! Tsy manana alalana ny amin’izany Madagasikara raha tsy mahazo alalana ny @ banque mondiale sy ny FMI raha tsy zany de hisy ndray ny antsoina oe crise monétaire eto amitsika toy ny tany USA t@ 1929 TADIDY VE ?

      Ka aza miteniteny fona fa mahamenatra be !

      Ny anton’io crise monétaire eto amitsika io raha tsy fantatrao de noho ny investisseur mitsoaka de tsisy ny entrée de devises stria pouvoir illégitime et illégale no misy eto Madagsasikara.

      Mba mandinia oa aloha vao miresaka fa mahamenatra be ! hita oe tena bado ny politicien malagasy.

    • 2 avril 2009 à 21:17 | rina (#1882) répond à ton ami

      Asa na mahazo teny malagasy ianao na tsy mahazo ????mazava tsara ny fanazavana nomen’ny otrikafo izay milaza hoe TOKONY HIHIDY maika dia maika ny MID fa raha tsy izany dia HIAKATRA be ny euro sy dollar !
      Ny fanjakana HAT izany dia tokony hanome safidy roa ny FMI sy ny BM =
      - na hamaha ny famatsiambola
      - na tsy hamaha dia miala @io rafitra io isika ka isika ihany no manamboatra ny volantsika
      Tsy hiditra details betsaka aho fa hoentina milaza tsotra hoe misy amintsika malagasy sady tsy mahay miresaka no tsy mahazo resaka !
      ka hoy aho hoe= mahay miteny malagasy ve ireny olona ireny ?

  • 2 avril 2009 à 08:52 | Bena (#494)

    Ny otrikafo (hitonoina foza) na tgv dia samy vendrana. Ilay ministry ny finances (foza) mitetika hivarotra ilay fiaramanidina aza dia mampiomehy, anagha izy ity hivarotra sigara eny andalambe ? Epiciers ve no mitantana ka hahagaga ?

  • 2 avril 2009 à 09:01 | gasy261 (#1480)

    aoka izay ry tim fa mahaiza mionona a !

    • 2 avril 2009 à 10:15 | ton ami (#480) répond à gasy261

      Bena a !

      Nandramandrizalahy noveloma ange ty Rforce 2 tamin’ny herinandro de tsy nadeha fa satria ny mot de passe de any amin’i Presedent son excellence Marc Ravalomanana e !

      Ho hita eo iza no hividy an’io firamanidina tsy velona io

    • 2 avril 2009 à 10:16 | ton ami (#480) répond à gasy261

      Foza ry Gasy621 tsy mahay economie, tsy mahay lalàna, tsy mahalala rariny......VENDRANA

  • 2 avril 2009 à 11:25 | nofy (#668)

    Ataovy daholo izay tianareo atao e ! ny HAT ve moa handa izany, Madagasikara ve moa tsy efa hitokamonina tsy ho ela, ny lalàna tsy hajaina intsony na eto an-toerana na iraisam-pirenena, efa mihevitra ny mahavita tena isika ankehitriny ka tsy mila fatopatoran’iza n’iza intsony efa tsy hahazo fanampiana ihany koa moa dia izay sisa angamba no hevitra farany, ireo mpanampy ara-bola tsinona tsy afaka ambanana basy hanome ny vola, samia manao izay tiany atao fa izahay mponina ve moa tsy mpijery, sy mpanaiky fotsiny, amin’izay koa mety tsy hisy intsony ny mahantra eto Madagascar, tsy hisy intsony koa ny tsy an’asa fa samy hanamboatra vola daholo, tsy hilaina intsony koa ny mankany ampianarana, aiza indray no hisy hoatr’izany ( c’est la solution facile ) samia manofinofy daholo fa hanankarena isika Malagasy rehetra cool !

    • 2 avril 2009 à 22:05 | batista (#170) répond à nofy

      Ka hono hoaho ry Nofy, fa angaha tsy mety raha omena ultimatum ireo mpamatsy vola !

      De raha tsy manomé izy de tonga de manao autoproclamation isika hoe : manomboka izao de anay daholo ny volan’ny banky mondialy sy ny FMI.

      Na koa hoe : manomboka izao dia i Gasikara no mandray ny fitantanana ny vola erantany.

      Sa ve tsy mety ô ?? Zah ko moa somary tsy de mahay loatra de mba eritreritra lasa fotsiny angamba.

      Merci.

  • 2 avril 2009 à 15:04 | Njakalahy (#1871)

    Hanao ohatran’ny nataon’i Mugabe any Mozambika izany dia ho lasan’ny tompondakan’ny inflation koa I Madagasikara ?

    Tsy takatray economists ilay hevitry ny Otrikafo fa misy fahalalAna azony ampitaina ho lasa mangarahara ho an’ny rehetra lalindalina kokoa ve ?

    Njakalahy

  • 2 avril 2009 à 15:55 | xena (#774)

    Marina ny an’ny hotrik’afo !

  • 2 avril 2009 à 19:55 | Imahatsangy (#443)

    Mampahonena ny toe-tsain’ny mpiserasera sasany, tsy ny hevitra no ampiadiana, fa ny fanambaniana ny olona milaza hevitra no asesika satria tsy mahita havaly.

    Oviana no niresaka ny hampiasa planche à billets ny Otrikafo ? Fa angaha tsy misy olona manam-pahaizana ao @ io fikambanana io no heverinareo fa hidi-kizo @ izany izy.

    Resaka teknika misidina ambony amin’ny sasany manko izany famoronam-bola izany. Olona tsy mahalala ny dikan’ny hoe « monnaie scripturale » na « sora-bola » no miseho ho mahay vava eto. Vokisan’ny fampianarana vazaha dia mihinana amam-bolony, voasasa ati-doha ka tsy mahita fa ny ampianarina azy ange ka tsy mifanaraka @ ataon’ny mpampianatra.

    Fa inona no ataon’ny tandrefana izao ? Moa ve manodina planche à billets izy hamoaka ny 700 millards de dollars hamonjena ny banky any aminy ?

    Mbola tsy ampy ve izao fampahantrana izao, no mbola hisisika handady sy hitalaho fanampiana sy hisambo-bola foana e !

    Rehefa tsy mbola mazava ny hevitra aroson’ny Otrikafo dia mametraha fanontaniana, raha tsy ekena dia tsikerao, fa aza manao teny tsy voahevitra sy manevateva re, azafady indrindra tompoko ô !

    Na izany aza, raha izaho ny Otrikafo,dia mahafaly ahy ny fisian’ny valy teny, satria misy fiantraikany izany ny zavatra ambara.

    Ny mahatsangy no ary

  • 6 avril 2009 à 09:11 | ragasy (#416)

    Efa ela ny Otrikafo no nandroso ny heviny fa tsy mety tafita.

    Tsara izy raha mamaly ny fanontanian’i Njakalahy hoe :

    « Hanao ohatran’ny nataon’i Mugabe any Mozambika izany dia ho lasan’ny tompondakan’ny inflation koa I Madagasikara ? »

    Valio dia hazavao !

Publicité




Newsletter

Les actus du jour directement dans votre boîte email

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS