Ity misy courbe ny ariary miohatra amin’ny Euro. Tsara ho fantatra sy tsara ho fantarina ny ho vokany.
Eo anatrehan’ny olana ara-bola miseho eo amin’ny fitondrampanjakana ankehitriny, dia ny tsy fisian’ny vola avy amin’ireo mpamatsy vola mahazatra noho ny fanapahan-kevitr’izy ireo hampihantona aloha ny famatsiam-bola an’i Madagasikara, dia iaraha-mahita ny vokatr’izany ao anatin’izao rafitra mbola avela hanan-kery eto amintsika izao : io miakatra io ny devises matanjaka (euros sy dollars), ary mitotongana be ny sandan’ny ariary.
Mazava ho azy fa ny vokatr’izay dia hiakatra be ny PPN eto Madagasikara. Tsy zava-baovao fa efa nitranga izany. Ny fitotongan’ny vola malagasy miohatra amin’ireo devises ireo no antony iray lehibe indrindra mampahantra an’i Madagasikara (jereo ny fanazavan’i J. J. Ratsietison).
Ao anati’izao rafitra izay misy ankehitriny izao (izany hoe : mbola tsy mamorona ny volany ny Malagasy), ny vaha olana aroson’ny Otrikafo dia ny fanidiana haingana dia haingana ny MID (marché interbanquaire des devises). Marihana fa io MID io dia eo am-pelatanan’ny banky vahiny tanteraka (ireo vahiny tsy manaiky ny Tetezamita).
Ny tena vaha olana maharitra moa dia ny fialana amin’io rafitra io ary ny fampiharana ny fiandrianam-pirenena, izany hoe : ny famoronam-bola araka ny soso-kevitra Otrikafo, Kanefa ny maika aloha izao dia ny fanakatonana rahampitso dia rahampitso (alatsinainy 30 mars) ny MID.
Tokony ho fantarina mialoha anefa ny mety ho vokatr’izany : mety hampiseho hatezerana ny BM sy FMI satria izy no nanery antsika hiditra amin’io « flottement » io (MID = flottement). Tsotra no havaly azy : na izy « mamaha ny robinet », dia afaka mitohy ny rafitra akehitriny (tsy izay mihintsy anefa ny vaha olana mahomby ho an’i Madagasikara), na izy manidy ny robinet, dia zon’ny Fanjakana malagasy no manidy ny MID.
Zavatra tsy azo ampiarahana mihitsy ny fanidiana ny robinet sy ny fihazonana ny MID, fa tena famonoana ny vahoaka malagasy tsotra izao izany.
Otrikafo
29 martsa 2009.
N.B : Jereo eo ambany ny fivoatry ny sandan’ny vola euros raha mihoatra ny vola ariary








