Vokatry ny fandalovan’ny rivo-doza Izilda tany amin’ny Distrika Morombe, faritra Atsimo Andrefana dia maro ny fahasimbana hita tany ant-oerana. Vaky ny « digue de protection » tao Ambahikily ka olona 700 no tra-boina ary 623 Ha ny tanimbary tototry ny fasika. 123 ha ny tanimbary dibo-drano ary 642 ny tra-boina tao Andranomainty, 245 ha ny tanimbary dibo-drano tao Tanandava, 321 ny tra-boina tao Tongarahaba, 535 ny tra-boina tao Ambalaroa, 438 ny tra-boina tao Ankilimahabo, 740 ny tra-boina tao Tsianihy.





