::::  Site web indépendant, sans attache avec le journal papier  ::::  Les dernières actualités  Actus Générales    Annonces personnelles  Annonces    ::::    Facebook    Twitter   ::::
Antananarivo | 11h45  :  23°C  :  Très nuageux
jeudi 16 février 2012
 

 > Malagasy

Fenoarivo Atsimondrano

Mpangalatra kamio 6 no voasambotra

jeudi 2 avril 2009, par Rakotoarilala Ninaivo

Voasambotr’ireo Zandary ao amin’ny Brigade Fenoarivo, ireo olon-dratsy miisa 06 nangalatra kamio iray teny Fenoarivo ny alahady 29 marsa. Niray tsikombakomba tamin’ireo olon-dratsy ny mpiambina ity fiara ity.

Efa tena maty paika avokoa ny tetika hamoahana ny fiara satria efa vita daholo ny taratasy sy ireo laharana vaovao saika apetaka aminy. Vola 2 tapitrisa Ar no nifanarahan’ny mpangalatra sy ny mpiambina, ary dia nisy mihitsy ny taratasy nataon’ny roa tonta amin’ny fandraisana io vola io.

Telo mirahalahy mpiray tampo no tompon’antoka tamin’izao halatra izao, miampy mpiambina mivady ary mpanelanelana roa. Saika efa tratra avokoa izy ireo ankehitriny, ankoatr’ireo mpanelanelana roa izay mbola karohina. Marihina fa nampiasa mini-bus ireo mpangalatra saingy nandositra ny mpamily rehefa raikitra ny fifanjevoana tamin’ireo zandary saika hisambotra azy. Voasambotra ihany moa ity mpamily ity.

Tratra niaraka tamin’ilay mpiambina ihany koa ireo ody gasy maro isan-karazany nolazainy fa fandemena ka mahatonga ny olona hanaiky izay lazainy.

Anio alakamisy 2 aprily no hatolotra ny fitsarana ny raharaha. Ny Zandarimariam-Pirenena dia manentana hatrany ny tsirairay hiara-hiasa, hampandre haingana azy ireo manoloana ny tsy fandriampahalemana misy ankehitriny.

   Imprimer cet article    Enregistrer au format PDF    Partager

Pour vos voyages, utilisez l'un des meilleurs comparateurs actuels

Un Top des prix tous les jours


La météo à Madagascar

 

Publicité sur Madagascar-Tribune.com

 

Fleur d'école

 

fr 2009-04-02 05:55:00
mars 2009   avril 2009
 
Le Petit Futé

 

  • Version pour Smartphone
  • m.madagascar-tribune.com

  • Version pour IPhone
  • iphone.madagascar-tribune.com

    Visiteurs connectés : 679  



    Mettre en page d'Accueil | Ajouter á mes Favoris | Newsletter | © Madagascar-Tribune.Com | Propulsé par Vahiny |  Motorisé par SPIP
    Découvrez aussi : Xbox 360