Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
lundi 26 septembre 2016
Antananarivo | 16h51
 

Malagasy

Fanompoam-pirenena

mercredi 11 novembre 2015 | Soamiely Andriamananjara

Anjaran’ny Generation SN indray ve izao ny mitondra ny baolina ?

Asa raha tsikaritrareo fa ohatry ny miverimberina matetika, tato ho ato, ny resaka momba ny hoe tokony amerenana indray ny “Service National” (na anatiny na ivelan’ny tafika ; na an-tsitrapo na an-tery), fa amin’ny endriny vaovao. Mety tsara ho dinihina akaiky sy resahina milamina io hevitra io.

Sendrasendra tafaresaka tamina-Rangahy manan-kaja sy malaza iray izay aho tamin’iny herinandro lasa teo iny. Raha jerena amin’ny ankapobeny dia azo lazaina fa mandeha tsara ny fiainany — na eo amin’ny lafiny asa izany, na ny lafiny fiaraha-monina. Somary gaga ihany aho, kanefa toa tsy tena gaga ihany koa, raha noteneniny fa ny roa taona nanaovany SN no anisan’ny fotoana tena nankafihiziny indrindra teo amin’ny fiainany. Tsy izany ihany fa mbola nampiany hoe nanomana azy hihatrika ny sedra sy ny fanamby isan-karazany izay nandalovany taty aoriana ny nanao SN.

Ho an’izay tsy mahalala na efa nanadino : Ny mpianatra afaka bakalaorea nanomboka tamin’ny taona 1978 dia nasaina nanao Service National (SN) na Fanompoam-pirenena Ivelan’ny Tafika talohan’ny nidirany teny amin’ny sekoly ambaratonga ambony na teo amin’ny sehatry ny asa. Nomena fanamiana (salopette sy kasikety maitso ary lobaka vonivony) rizareo, nofanina ho miaramila nandritry ny telo volana (ka nantsoina hoe “Soldat Auxilliaire, 2ème Classe” na SA2), ary dia nirahina hanompo ny tanindrazana, ka ny ankamaroany dia nalefa nampianatra tany ambanivohitra rehetra tany.

Tamin’ny taona 1990, noho ny antony tsy fantatro loatra, dia nofoanana io rafitra SN io, dia io heverina ho averina io indray izy izao. Mahavariana ihany ity resaka SN ity indraindray satria samy ‪manana ny heviny ny olona. Raha ny akamaroan’ny olona fantatro fa nanao SN no anontaniana dia tsy misalasala izy milaza fa tena nanampy azy tokoa ny fotoana nanaovany an’izany. Dia matetika azavainy fa tany amin’ny SN hono no tena nahafantarany ny mpiray tanindrazana aminy, niarahany niaina tamin’ny vahoaka madinika sy ny tambanivohitra, ka nahalalany bebe kokoa ny olana sedrain’ny valalabemandry sy ny fomba fiainany amin’ny andavanandro.

Ny SN koa hono no nahafahany mba niara-niasa sy nifanerasera akaiky tamin’ny saranga hafa (na ambany na ambony) izay tsy mba nifampikasokasoka taminy loatra fony izy tany an-tsekoly. Samy nanao fanamiana mitovy daholo mantsy ka tsy fantatra hoe iza no ngetroka ary iza no mafy ady. Na dia tsy nanaisotra tanteraka ny fahasamihafana aza ny Service National — samy niverina tamin’ny antana-tohatra nisy azy ihany rehefa vita ny fanompoam-pirenena natao — dia tsapa tokoa fa nampifanantona kokoa ny samy Malagasy.

Tsy izay ihany fa tany amin’ny SN koa hono no tena nampientana ny ambo-pony amin’izany fitiavana sy fanasoavana ny firenena izany. Azo lazaina tokoa mantsy fa nanampy betsaka teo amin’ny ezaka fampianarana ny Malagasy hamaky teny sy hanoratra ireny SN ireny, indrindra moa fa rehefa heverina ny tsy fahampian’ny mpampianatra tamin’izany fotoana izany. Sady nanampy an’i Madagasikara no nanampy azy hahalala ny lanjan’ny atao hoe fahafoizan-tena sy ny fankatoavana fitsipi-pifehezana, hono, ny traikefa azony tamin’izany ary mbola manampy azy mandrak-ankehitrio. Nahatsiaro tena ho matomatotra kokoa izy, satria efa mba nandray anjara mivantana amin’ny fiainam-pirenena, rehefa niditra ny Anjerimanontolo na ny tsenan’ny asa rehefa vita ny Service National.

Raha ireo ray aman-dreny sy ny hafa tsy nanao SN indray anefa no resahina dia betsaka no tena manankiana ka milaza fa resaka tsy hinanan-kanina io. Fandaniam-potoana ho an’ny tanora fotsiny hono ny herintaona na roa taona nanaovany izany. Very herintaona manao belote sy rami fotsiny hono ny ankizy, ka rehefa tsy variana mitendry gitara sy mihirahira eny ambony tamboho, dia mandany andro misotro toaka sy mampiaraka any anaty akata — Moa va tsy vacances sy excursions mandavan-taona ? Izany ve tsy fandaniana ny volam-panjakana tsotra izao ? Dia misy koa moa ny milaza hoe fandrebirebena ny zana-bahoaka fotsiny izy io resaka SN io, fa ny zanaky ny ngetroka sy ny mahitahita tonga dia nalefany tany andafy vao vita baka.

Misimisy ihany ny Malagasy teraka teo anelanelan’ny taona 1960 sy 1974 tany ho any no nandalo na novolavolain’izany rafitra SN izany — Malagasy teraka nandritry ny Repoblika Voalohany ary nobeazina tao anatin’ny Revolisiaona Sosialista. Ireo no nantsoina na notsatsoin’ny mpanabe sasantsasany tamin’ny fotoan-androny hoe “Generation Sacrifiée” na mpiray hira natao sorona. Sorona ho an’ny inona tokoa anefa ? Ary tena mahatsiaro tena ho natao sorona tokoa ve rizareo ?

Taona 2015 isika izao. Efa 25 taona lasa izay no nanafoanana ny Service National. Tokony ho any amin’ny 40 taona ka hatramin’ny 55 taona izao ireo “Malagasy nanao SN” ireo — Izy ireo no nodradradradraina tamin’ny andron’i Didier Ratsiraka fa “Ankizy ankehitriny, Mpanangana ny ho avy, Antoky ny taona roa arivo.” Tonga ary izao ny “ho avy,” ary manomboka efa misimisy amin-drizareo no lasa mitazona asa aman-andraikitra ambony na eo anivon’ny fanjakana izany na eo amin’ny sehatra tsy miankina.

Jereo tokoa anie fa mitombo malaky dia malaky ny isan’ireo “Malagasy nanao SN” amin’ireo mpitondra, sy mpitantana, ary “elita” eto amin’ny firenena ankehitriny. Efa mety anjaran-drizareo “Generation SN” indray angamba izao no mitantana an’i Madagasikara. Dia asa tokoa raha hisy fiatraikany (na tsia) amin’izay mety ho fahombiazany (na tsia) amin’izany “fananganana ny ho avy” izany ireo traikefa norantoviny fony izy vao afaka bakalaorea ka nasaina nanao Service National.

Ho hitantsika eo ihany e !

15 commentaires

Vos commentaires

  • 11 novembre 2015 à 09:14 | I MATORIANDRO (#6033)

    Salama daholo !

    Dia mampisy resaka tokoa ity fanompoam-pirenena ity t@ fotoan’androny sy ankehitriny !

    T@ fotoan’androny dia mifampijerijery ny manodidina raha misy manao akanjo maitsomaitso sy manao tenis maitso ny manodidina azy ! Ny gasy moa tia mitsikilokilo ny fiainan’ny hafa ka izay fantampatatra fa nanao bacc ka tsy mahazo ireo fanamiana ireo dia fantatra ho azy fa tsy afaka ka dia atao angoatenda erak’zao manodidina rehetra zao !

    Ankehitriny dia toa lasa indray ny eritreritry ny maro hoe maninona moa raha averina io asa tsy dia hita izay maha-ratsy azy io ?

    Fa miverina ny fanontaniana hoe nahomby tokoa ary ve ireo zatovo t@zany andro izany izay mandray ny asa sy andraikitra eo @ fitantanana ny raharaham-panjakana ankehitriny ? An’ny tsirairay no mamaly fa raha ny zava-misy aloha dia toa ireo lafi-ratsiny @ zava-misy no mibahan-toerana.

    Ho fisintonana ny sain’ny tompon’andraikitra isanisany sy izay mety ho mpitondra dia tsara raha averina io asa io ho an’ireo ankizy nahavita ny fianrana ambony teny @ oniversite mba ho vali-babena ho an’ny zana-bahoaka indrindra ireo any ambanivolo fa indrindra koa mba atao fianaran’asa ka dia efa atao ho isan’ny fiofanana sahaza ahafahana mitady asa mivantana !

    Samia velon’aina !

  • 11 novembre 2015 à 10:00 | jangobo (#8776)

    Efa niainana teto Madagasikara tokoa ny fanompoam-pirenena ivelan’ny tafika.

    Tadidiko fa nisy izany nahazo toerana hanompo tany Soanierana Ivongo, ny sasany tany Nosy Varika.

    Ny zavanisy tamin’ireny aloha dia tsy maintsy nisy ihany ny nahitahita ka dia tsy nandeha lavitra fa teo amin’ny sekoly misy ny fokotaniny.

    Ny tena tombony tamin’ireny tokoa aloha dia nahafahan’ny Malagasy nifanerasera ary nahafantatra ny momba azy, ny fiainan’ny mpiray tanindrazana aminy ary dia lesona ireny ka izay nahay nanovo tamin’ireny dia nanana fitaovana entina niady tamin’ny fiainana.

    Fa foana izy ireny ary tao afara koa aza, na dia ny fanompoam-pirenena tao anatin’ny tafika aza nisy fotoana efa foana.

    Antony voalohany nanafoanana azy dia ny sarany ara-bola, ny karamakely nomena azy, ny fivezivezena naterany.

    Nisy ireo nanao fanompoam-pirenena dia tsy miala amin’ny faritra misy azy ka tsy nety intsony ilay politika hoe hahafahan’ny gasy mifanerasera fa mainka aza nampitombo ny fifasamihafana.

    Raha izao fari-pianarana efa mihemotra izao ka mitombo indray ny tsy mahay taratasy dia heveriko fa tokony averina io.

    Hevitra iray ihany koa hanafoanana ireto miaramila heri-pamoretana fotsiny.

    Atao toy ny any Soisa ohatra : manao fanompoana daholo ny rehetra fa vitsy ireo miaramila maharitra ka mampanofana no asany. Azo mbola antsoina ny tsirairay hanao « recyclage ».

    Dia avadika zandary na polisy ireo benahoana ireo rehefa hampiofanina ka ho tsara tefy kokoa .

  • 11 novembre 2015 à 10:27 | rakoto-neutre (#8588)

    Mbola tsara

    Raharaham-pirenena izy ity satria dia FANOMPOANA FIRENENA.
    Mizara roa mazava tsara ny hevitra.
    AO IREO MANKASITRAKA
    Ny ankamaroan’ireo olona ireo dia nandalo SN ary tsapany fa nitondra fanavaozana tsara teo @ fiainany ny fanaovana izany ary ADIDY MANOLOANA NY FIRENENA no niheverany azy, ary maro ny traikefa azony t@ fanaovana FORMATION MILITAIRE.
    IZAHO DIA ANISAN’IREO MANKASITRAKA, saingt tokony tsy hisy avakavaka.

    AO IREO TSY MANKASITRAKA

    Mazava ho azy fa maro @izy ireo no tsy nanao SN, tsy mahafantatra ny ambiance ao anatiny fa ny SN ratsy fitondrantena no tonga dia mibahana ao an-tsainy ka rariny izy ireo no hanakiana. Mino anefa aho fa tsy dia ny ankamaroan’ireo SN ireo.

    • 11 novembre 2015 à 11:16 | Eloim (#8244) répond à rakoto-neutre

      Raha ilaina fa hahatsara ny fiainan’ny isam-batan’olona ary koa hitondra fampandrosoana mivantana na an-kolaka ho an’ny firenena dia tsy mampaninona raha hampandalovina amin’izany avokoa ny tanora feno 18 taona na mihoatra, na lahy io na vavy.
      Marihiko anefa fa tsy tokony hitovy endrika amin’ny teo aloha izany, izany hoe andeha hampianatra ny zana-bahoaka na an-tanan-dehibe indrindra moa ny ambanivohitra.
      Jereo fotsiny aza ny moba ny maîtres-fram izay tsy hita izay anaovana azy. Ary raha tsaroantsika nandalo tamin’izany dia io mihitsy no fototra nampidina be ny lanjan’ny fampianarana tany Dago. Nanmpy trotraka io koa ny fanagasiana bontolo tsy voahevitra nataon’ny fanjakana tamin’izany.
      Ny tenako dia niaina ny fahasarotana tamin’io SN io na dia teo amin’ny sehatry ny fampianarana olon-dehibe aza no natrehinay tamin’ny 1978-1979. Tantara ireny ary samy nakafy na tsia ny niainany ireny fotoana ireny ny tanora tamin’izany.
      Raha hisy ary ny fiverenana hanaovana fanompoam-pirenena ivelan’ny tafika ho an’ny tanora (afaka Bacc angamba kosa no voakasik’izany) diqa sady tsy ho amin’ny fampianarana na koa hiandraikitra fandriampahalemana satria ho faifaty foana ny tanora Gasy ary koa hidina hatrany ny lanjam-bidin’ny fanabeazana sy fampianarana ao Dago ao. Zavatra hafa konokononina e ! raha toa ka hisy fahamatorana ny amin’izany fa tsy fanariam-bola fahatany ataon’ny fanjakana indray koa.

    • 11 novembre 2015 à 11:59 | I MATORIANDRO (#6033) répond à Eloim

      ohatran’ny mifanohitra ihany ny soso-kevitrao !

      Ny ankizy ankehitriny dia betsaka no latsaky ny 18 taona dia efa afaka bacc, raha ajanona @ fomba fanao taloha dia ho betsaka izany ny ankizy tsy hanao an’ty asa ty satria tsy ampy taona !

      Averina ihany fa ny tsaratsara dia rehefa mahavita fianarana izy ireo na inona na inona fianarana nataony fa indrindra indrindra ireo nianantra t@ fanjakana izay vao tokony hanao io asa vali-babena ho an’ny tanindrazana io !

      Samia velon’aina !

    • 11 novembre 2015 à 13:48 | Eloim (#8244) répond à I MATORIANDRO

      Marina ny voalazanao hoe misy fifanoheran-javatra ihany izany saingy aleoko tsindriana ihany ilay faha-fenoan-taonan’ny tanora toy izay mieritreritra hoe zaza tsy ampy taona no alefa atsy na aroa ka mampiasa saina ny lehibe koa.
      Raha ny hoe eo amin’ny fahavitan’ny fianarana indray dia mety hifangaro ihany amin’ny fisian’ny « engagement décennal » izany indrindra eo amin’ireo mpianatra mandray vatsim-pianarana amin’ny anjerimanontolom-panjakana.
      Vinavina daholo re izany fa asa raha mba hanana paikam-panorona matotra ity fitondrana toa sarintsariny ity izay tsy hita izay andraisana azy. Toa goragora amin’ny lafiny maro nefa enjan-doatra fahatany amin’ny sehatra sasany.
      Amin’ny ankapobeny dia tsy maha-vaha-olana loatra izy ity fa variana manenjika ny teo aloha fotsiny sady matahotra ny ho takona koa eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena.

  • 11 novembre 2015 à 10:43 | RANDRAMBALO (#9305)

    Hamafisiko fa ilaina ny fanaovana asa fanompoa-tanindrazana tsy ataoko hoe fanompoam-pirenena fa lassa maivan-danja, ny fanompoana tanindrazana dia ny famelomaso ilay tanindrazana nazahoana ny soa. Ny tanindrazana lazaiko eto dia Madagasikara manana ireo otri-karena sy otri-pahalalana izay tokony hiainan’ny vahoaka malagasy manontolo. Noho izany ilaina io SN io, izahay izay namarana ny SN ny taona 1990 raha nitolona ho amin’ny fanomezan-danja sy fahafahana hisafidy ny lala-piofanana eny amin’ny anjerimanontolo dia nangataka famindran-toerana hifanaraka amin’izany lalam-piofanana izany, ohatra hanao dokotera dia tokony nalefa niasa tany amin’ny miinisteran’ny fahasalamana, raha hiasa indray fa tsy hianatra intsony dia alefa any amin’ny ministera na sampan-draharaha tokony hiasana sns.... anareo no manohy ny ambiny fa ny lalana misy sy tokony ho tanterahina dia tsy nofoanana ny SN fa mbola misy ka SERVICE DE LA NATION no natao anarany ary ROA TAONA ny faharetany.

    • 11 novembre 2015 à 11:38 | Isandra (#7070) répond à RANDRAMBALO

      Io fa matsiarotsiaro ny revolisionina sosialista indray ny sasany, fotoana farany maizina hoan’ny Madagasikara, satria ny fahafahana ny tsirairay dia nohosehosehina, tamin’izany na dia ny vary hohanina sy ny fomba hihinana azy dia ny fanjakana no mametra azy, idirany daholo izay tsy tokony idirany, hany ka lasa miandry an-drafanjakana hisahana ny fianany ny vahoaka.

      Nahoana moa no voatery miandry fanjakana hamerina ny SN vao hahay hifanerasera amin’ny hafa sy hiady amin’ny fianana ?

      Inona no manakana ny hanaovana voyage d’etude, na fizahantany amin’ny faritra hafa, na fanabeazana ny ankizy hiatrika ny fianana dia ny mbola ao an-tokantrano ?

      Kanefa ny politika ny SN no anisany namotika ny ankizy(ny ampianarin’ny mpanao SN io) tamin’izany, satria tanora mbola tsy matotra sy tsy ampy fiofanana amin’ny fampianarana no namolavola azy ireo, toetra mamoafady sy fiteny tsy fiseho masoandro matetika no aseho eo imason’ireo mpianatra. Tsy lazaina hamaroan’ny ankizivavy bevohoka, ny ankizilahy mifoka sigara, misotro toaka, satria izay no hitany ataon’ny mpampianany.

      Ny fanompoana tanindrazana dia manomboka amin’ny fanaovana ny adidy (devoir) maha olom-pirenena, fifidianana, fandoavan-ketra, fanajana ny fanana iombonana, sns, fa tsy voatery miandry hanao SN na zavatra hafa,...vao handray ny andraikiny ny tsirairay.

    • 11 novembre 2015 à 11:48 | Isandra (#7070) répond à Isandra

      Ny ray amandreny no tokony hampiseho fitaratra amin’ireo zanany fa manao adidy amin’ny firenena izy.

  • 11 novembre 2015 à 12:32 | Zanabahoaka (#8890)

    Raha ny fahafantarako, dia toa mbola misy ny « service national » an-tsitrapo aorinan’ny « fitsarana miramila » rehefa feno taona ary ny sasany dia toa « mangataka fanemorana » fotsiny ihany fa mety ho voantso ihany anefa raha ilaina, amin’ny ankapobeny moa tsy voantso mihitsy izay tsy nirotsaka an-tsitrapo. Hitsio aho raha misy diso ireo.

    Araka izany, dia raisiko ho toy ny fanokafana adihevitra amin’ny famerenana ny « service national » TSY MAINTSY hatao ito lahatsoratra ito.

    Ny fahitako azy « génération tsy nandalo SN tsy maintsy hatao » :

    ==> Moa ve mety @ izao vanim-potoana izao sy ny zava-misy raha « terena ho tsy maintsy hatao » izany fanompoam-pirenena izany ? Tsy afaka ampitahaina amin’ny fanabeazana fototra tsy maintsy lalovan’ny ankizy izy ity mantsy satria heverina fa efa « olon-dehibe feno taona » no « terena tsy hanan-tsafidy » hanao asa tsy voatery hahaliana azy. (Manginy fotsiny ny ezaka rehetra efa nataony hahatongavana amin’ny Bacc sy ahafahana an’izany)

    Mety maro no tsy hitovy hevitra amiko eto fa misokatra ny adihevitra. Misy ny hilaza nitondra soa ho azy na ho an’ny firenena ny roa taona nanaovany SN, nahitany fiainana sns voalaza ireo ambony ireo. Fa tena izany tokoa ve ? Fanadihadiana @ saina tsy miangatra ve izany ? Sa efa fijerin’drizareo tsy nanan-tsafidy fa tsy maintsy nanao an’io ka mba niezaka nandamina ny sainy hoe mba nitondra voka-tsoa ihany izy ity. Mila fikarohana kely ahafantarana ny tena zava-nisy sy ny vokany @ fijery tsy miangatra.

    Raha hita araka ny fikarohana sy fampitahana tsy miangatra moa fa tena nisy tombony goavana ho an’ny rehetra rehefa ampitahaina ny « génération nanao SN » sy ny « tsia » sy ny vokatr’izany avy dia mety afaka manao fifidianana isika amin’ny hamerenana izany @ izay endrika mahamety azy. Mino aho fa mitovitovy ny isantsika « génération nanao SN sy tsy nanao SN » ankehitriny ary isika no samy hisafidy ny « hanerena na tsia » ny zanatsika mbola tsy feno taona hanao izany rehefa feno taona rizareo, mila fandinihana satria eo ampelatanantsika izany ny safidy ho an’ny roa taona voalohany hodiganindrizareo voalohany @ « mahaolondehibe » azy.

  • 11 novembre 2015 à 13:42 | Razaka (#7817)

    Nanao io SN io ni ‘’my DAD’’ satria teraka t@ 1961 izy.
    Misy tsara hoy Izy ni mombanio SN io eo @lafiny ‘’Socialization-Process’’, nefa misy lafiny azo hovaina koa mba tsy hamerenana ny lesoka … …

    ## Amiko raha to ka azo haverina ni SN, dia ni Minisitera ni Economy sy ny ‘Education & Research’ izany no tokony hitantana ilay ‘SN-Governance vaovao’. Dia hanazava izay mba fantatro kely aho ny aminizany :

    ## Amini fijeriko azy anefa dia efa betsaka ny zavatra niova aminizao fotoana, indrindra eo anivoni Tontolo, na ara Toekarena izany, na ara Geopolitics koa.
    ** Noho izany dia tsara ni hamerenana ny SN, fa aoka mba hifanentana amini zavamisy izay tena Hilaina @Fanarenana ni Madagasikara aminizao fotona.
    ‘’I always refer what I said here’’
    = > Jereo ny efa nosoratako teto @MT : 9 avril 13 :46 par Razaka (#7817).
    Momba ni = ‘Technopole Universities’s Concept to defend the Capital-Labor and Trust’ izy io.

    ## Raha toa ka afaka haverina ny SN, dia eo aminilay fiaramiasa ny ‘’University & Middle School’’ miaraka @Mpandraraha rehetra no tokony ho jerena tsara.
    ** Azo fenoana fampianarana ‘’Civics’’ koa io mba hisian ny Fitiavana Tanindrazana sy Fanarahandalàna mba hijoroani ‘’Concept Of Culture Project’’.
    Azo hatao any @Programs ni fianarana aza io ra azo hatao.

    ## Eo @tetikasa @fampiharana azy no mila jerena tsara.
    ** Satria ny Tanora vao afaka ‘Bacc’ dia hafaka hifampidinika @Mpandraraha momba ny Taranja tena ilaini Mpampiasa. Ny tanjona dia ny ‘’Development of Middle-Class’’ for ‘’Economic Growth’’ amini fotoana maharitra.
    Tokony haharitra 2 volana izany io ‘’Internship’’ io hoanizay vao afaka Bacc. Ary dia tanjona tsy maintsy ilaina mba hafahana izay tia hiditra hianatra eny @ University. Tsy azo hatao lava loatra ilay izy mba tsy havery fotoana hoani Tanora. Satria azo hatao fianarana miasa koa io fotoana io ‘’Immersion in Active-Life’’. Aminizay koa ilay vao afaka Bacc dia mahita tsara ilay Taranja-pianarana tena ilaini Mpandraraha. Mba tsy hisiani ‘’Youth Unemployment’’ rehefa vita ny fianarany.
    ** Ny Tanora mbola mianatra eny @University indray na ireo efa nahazo Diploma, dia mankao @io Technopole University-Development io izy mba hanamasaka ny ‘’Developing win-win Synergy’’, hamokatra ny ‘’Innovation & Research’’ miaraka @Mpandraraha rehetra.
    Ny tetika aminizany koa dia ny hanamora ny fanorenana Orinasa ilaini fanarenana @i Madagasikara.
    ** Ny tanjona dia mba hisiany ny tena Taranja University ilaini Mpampiasa ary indrindra ny Fananovana ny ‘’Middle-School Programs’’, mba hifanaraka aminizay hilaini Toekarena Malagasy.

    Azo hiadiankevitra io.

    Azafady @Mpamaky fa mbola mianatra teny Gasy !!

    Have a Great Day

  • 11 novembre 2015 à 14:51 | valoha (#7124)

    Misaotra indrindra ny mpanoratra Soamiely Andriamananjara @ ny lahatsoratra mafonja ! Mafonja hevitra sy famakafakana !
    Tsy fanopoana ny firenena tsotra, na ivelany na anatin’ny Tafika, mihintsy no fijery ny SN teo aloha ! Valibabena, angaha no ilazana azy ! Na ihany koa fankasitrahana ho an’ ny Tany sy ny Vahoakany noho ny fitahiany sy ny fanabeazany ny zaza sy zatovo Malagasy ! Kely voatsirambin’ny tanana, angaha no azo anambarana azy !
    Manampy sy mampivoatra ny isam-batan’olona ny fanopoam-pirenena anatiny na ivelan’ ny Tafika. Mazava ho azy. Manaraka fifampifehezana. Mampiray ny zatovo ho amin’ny fiaraha-miasa. Fanitsiana ny tsy nety tany an-trano sy tany @ ny fianakaviana avy tany mijery tsy miangatra ny vatany sy ny sainy ary ny fanahiny @ ny maha-Malgasy azy avy. Mampivelatra ny fitiavana ny tany sy ny voaary ao aminy, sns...soa maro avy tsy ho voatanisa eto.
    Tsy tokony hisy fanavahana na fanilihana, fa kosa jerena sy heverina miaraka ho toa ny fampandrosoana ny tanindrazana avokoa. Mivoatra ny saina, vatana, ny fifampikasohan’ny tanora Malagasy @ ny zava-boariny sy ny mponina na an-tanam-be na ambanivolo ! Fampiarana ny ara-tsoratra tany an-tsekoly ho asa mivaingana ! Asa voalohany teo @ ny fiainana, na miosom-potaka io na fikapana kitay, fanaovam-biriky, na fampianara ny Ray aman-dReny tsy mahay mamaky teny sy manoratra, ary mipaka any ambony latabatra any anaty birao maro samihafa any.
    Na mampianatra ny tsy mahay taratasy io, na manome hery mivantana @ ny fambolena, na manao toho-drano, sns....dia azo ambara fa anjara-biriky ny zatovo avy ho an’ny fireneny. Ary mahatsapa izy ireny, ary ahatsapa fa azy marina ny Tany diaviny sy ny rano sotroiny.
    Isika ry zalahy sy zavavy no tompon’ity Nosy ity sy ny Nosikely Manodidina azy, isika no manapaka sy mikolokolo, isika no masin-mandidy eto ka tsy hiandrasana ny vahiny ny asa izay tokony ho vita na fambolena vary io, na fanaovana trano, na sekoly, lalana, sns....Mila fahatsapan-tena lalina, fazotoana, finiavana, fitiavana ny Tany sy ny Vahoaka ao aminy, izay misy antsika avy, izany.
    Tsy mora ny manao sy mikarakara ny fanopoana ny firenena anefa, na ivelany na anatiny. Mila vola sy fitaovana maro tokoa. Ny mpanabe sy mpanofana - manana isika.
    Ka eo @ ity resaka vola sy fitaovana ity no mila mikaondoha sy mifarimbona isika Malagasy hamerenana ny zava-tsoa toa ny SN, izay nahabe sy nisaorana ny Tany, ny Vahoaka any Ambanivolo lavitra any ! Ary raha tena mandinika dia ity no tena Fampihavanana Ny Malagasy tokoa ! Mifampikasoka marina sy mifankahazo marina isika rehetra tsivakivolo @ izay fotoana izay. Mifampizara izay mba hananana, toa ny fahalalana na traikefa entina mampandroso sy mamokatra bebekokoa ! Mizara manome tsy misy tambiny, izay fahendrena nolovaina t@ Ny Teo Aloha !
    Ary, araka ny fijery tsy miangatra, dia tsy ny vola no tsy hisy, fa isika Malagasy no tsara mandamina anatiny ny tany sy ny fitantanana aloha. Mifanome tanana, mifanampy, mifanaramaso toa ny mpirahalahy mian’ala ! Mila fitantanana mifototra @ ny fahendrena Malagasy isika ! Mamerina ny soatoavina izay nahavanona antsika mba ho olom-banona sy feno fahendrena, fahalalana(izay efa maro tokoa eto kanefa tsy mampiasa na tsy avela mampiasa izany) entina hampandroso malaky ny Nosy sy ny Faritra misy ao aminy rehetra. Isika ihany no anton’io ! Isika no mifanapaka sy mifandamina na avy any Avaratra, Atsimo, Andrefana, Antsinana, Afovoany na Antsisiny, sns...Malagasy avokoa no antony. Tompon’andraikitra sy manana anjara-biriky.
    Koa na misy aza ny mpanao ankaso, na ny vitsy tia ny mena miraviravy manimba ny Tafika, na tsy mankasitraka ny fanopoam-pirenena ivelany na anatin’ny Tafika, dia ho zava-poana avokoa izany rehefa vonona isika tsiraikaraiky hifanome tana sy ifarimbona. Ary mahatoky aho fa handroso malaky ity tany ity raha hanana izany fotoana (roa taona, ohatra) entina hanopoany ny fireneny avy izany ny zazavavy tanora sy ny zatovo lahy Malagasy. Handry fahalemana ny Tany satria miray ny Malagasy, tsy ho azo zaraina sy vidiana intsony, ary hifankatia fahizay ny Malagasy Faritra 22.
    Mamerina ny fisaorana sy fankatelemana ny namana mpanoratra ny lahatsoratra etsy ambony aho satria mamelona ny ambo-pon’ny Malagasy ny toa izao, ary tsara mitohy(@ ny tenin-drazana) mba ho maro ny mpisera etoana !

    • 11 novembre 2015 à 15:44 | Isandra (#7070) répond à valoha

      Ny finiavana hamerina ny zavatra efa lany andro toa ny SN izao, dia tsy hampandroso sy hanelingelina ny fahafahan’ny tsirairay, ka vao maika hampihemotra antsika.

      Amin’izao taonjato misy antsika izao, dia miova tanteraka ny fomba entina hampisehoana ny fitiavana ny firenena(patriotisme).Amiko mantsy ny teny hoe fanompoana, dia tsy tokony ho tonina intsony, satria midika fanerena ny ao ambadikany, soloina kosa io famitana ny adidy(devoir) hoan’ny tanindrazana, anisan’izany fanajana lalana sy ny fanana iombonana, fandraisana anjara amin’ny fifidianana, ary indrindra ny fandoavan-ketra, sns.

      Ny tokony himasoana izao dia ny fametrahana rafitra mati-paika entina hanentanana ny olom-pirenena hamita ny adidin’ny amin’ny firenena, atoboka io fanabeazana io manomboka any an-dakikasy.« Ny firenena no miandry izay hataontsika antsika, fa tsy isika no miandry izay nataon’ny firenena ho antsika » JFK

  • 11 novembre 2015 à 15:44 | Robby (#9217)

    Mampalahelo satria ny zanaky ny sasany (minisitra, CSR, etc etc...) tsy mba nandalo an’izany fa tonga dia miondrana manohy fianarana any andafy fa ireo tsy manantsafidy dia niaritra teo. Very herintaona be izao miohatra amin’ny tsy manao, lazaina fa tsy maintsy hatao satria adidy amin’ny tanindrazana ary ho enjehina araka ny lalana izay tsy mandalo izany fanompoana izany nefa nahoana no misy afaka tsy manao ?
    Vita SN maty herintaona mbola nisy koa ny taona fotsy année blanche, very 2 taona be izao miohatra amin’ilay tsy nanao, nefa io tsy nanao io koa rehefa vita fianarana avy any ivelany any dia tonga dia mahazo toerana ambony, faty antoka miampy faty antoka !!! Ampitovio ny zaza malagasy tsy ankanavaka dia mba hanana ny anjarany ny any anaty ahitra rehetra any rehefa tsy mahavita an’izay aleo ijanona ! Ny mpanambaka hisy foana, aleo ny ao ambony no hamaly azy !

  • 11 novembre 2015 à 17:23 | lanja (#4980)

    Ity fotodresaka iray ity dia ahitana fa somary sahirana ihany isika miady hevitra, fa raha vao resaka SN ve dia ny nataon ’ ireo niakanjo maintso taloha no tsy maintsy haverina eh ? mety nisy lesoka fa azo hatsaraina , tsy voatery hampianatra koa fa be dia be no ilàna olona eto... @ izao fahantrana lalina izao dia mazava fa ilaina ny fanaovana asa maimaipona ho any firenena , ilaina manaraka rafitra miaramila mba ahomby, na any @ sehatra fambolena, fiarovana ny tontolo iainana, fanadiovana, ny fikojana lalana sns ...

Publicité

Vols, Hôtels, Séjours

Les meilleurs prix


Publicité

Newsletter

Les actus du jour directement dans votre boîte email

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS 
 
 

Visiteurs connectés : 331