Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
mardi 19 mars 2024
Antananarivo | 09h28
 

Malagasy

Hevitra

Miverina indray ilay ambodia mitafy hodin-janak’ondry

vendredi 13 septembre 2013

Nilaza azy ho tia tanindrazana, mpiaro ny mpitrongy vao homana (marxiste), mpiaro ny tany madinika (tiers-mondiste) hatrany Atoa Ratsiraka tamin’ny taona 1975. Raha nikabary izy anefa tamin’ny taom-baovao 2001 teny Iavoloha (jereo Madagascar Tribune tamin’ny 13 janoary 2001) dia nibaboka fa tsy sitrapony velively izany. Fisehoana ivelany fotsiny ihany satria efa nosafidian’i Lafirantsa,amin’ny maha-zanaka PADESM azy,izy hitazona ny tombontsoany (i Lafirantsa) taorian’ireny hetsi-bahoaka tamin’ny 1972 ireny. Ny fialana tamin’ny « zone franc », izay lazainy fa antony ankahalan’i V.Giscard d’Esteing azy, anie ka fandaharan’asa napetrak’i Lafirantsa mihitsy e ! Niafara tamina « dévaluation » mihoa-pampana izany fialana tamin’ny « zone franc » izany, ka nampitotongana ny vidim-bokatra teo amin’ny sehatra iraisam-pirenena, ary i Lafirantsa no nahazo tombony voalohany tamin’izany. Ary na ny anaran’ny vola aza dia mbola notazoniny ho « franc » ihany.Toy ny nataon’i Lafirantsa tany Giney tamin’ny nitondran’i Sékou Touré ihany no nataon’i Lafirantsa teto fa ny endriny no samihafa. Ny tany Giney dia vola sandoka maro no nohaparitahany teo amin’ny tsena ginehana, ka nampitotongana ny vola tany amin’io firenena io ihany koa (jereo ny horonantsary « Françafrique », ny nambaran’i Maurice Délauney ambasadaoro Firantsay tany Gabon). Ny fitakian-dRatsiraka an’ireo tany manodidina (îles éparses) indray dia natombony tamin’ny 1975 saingy tsy notohizany intsony nandritra ny 16 taona sy 5 taona nitondrany ny Firenena. Ny pôlitikan’ny « investissement à outrance » izay nampiariny no nahatonga an’i Madagasikara ho bokan’ny trosa, ka nampandohalika tanteraka antsika. Koa raha manome vahaolana izy ankehitriny ka milaza ho efa nifampiresaka tamina mpampiasa vola vahiny (investisseurs), mba hananan’i Madagasikara ny fahampiana ara-tsakafo, dia handringa ihany izany raha tsy miaraka amin’ny fiovana rafitra. Raha tsy mipetraka ny fiandrianan’ny vola malagasy dia mbola ho avy indray ny « dévaluation ». Raha tsy omena vahana ireo Malagasy mpanangana orin’asa ho an’ny tsena anatiny dia hiankin-doha foana ihany isika. Ary iza moa no milaza fa na dia ireo mpamatsy vola ambarany ireo aza dia tsy hitady tombon-tsoa mihoa-pampana toy ny nataon’ireo orin’asa vahiny maro mpitrandraka harena teto Madagasikara hatramin’izay ? Ary angamba mbola ho mpamatsy vola firantsay ihany ny ankamaroan’ireo.

Ankehitriny indray, tao amin’ny « invité du zoma », dia miseho azy ho mpanohitra ny fitsabahan’ny vahiny sy ny baikon’i Lafirantsa Atoa Ratsiraka.

Navoakany tamin’izany ny tsiambaratelo vitsivitsy eo amin’ny fifandraisan’i Lafirantsa sy i Madagasikara. I Lafirantsa hatrany no mbola nampanala sy nametraka izay ho filoham-pirenena malagasy nifandimby hatramin’ny fahaleovantena no mankaty. Izany hoe ny fomban’ny « firantsafirika » (françafrique) foana no mbola hampiarin’ny Firantsay eto Madagasikara hatramin’izao 2013 izao.

Voalazany tao ohatra fa « niangaviana » izy (nobaikona na nirahina no tena marina) hanampy an-dRajoelina hanala an’i Ravalomanana tamin’ny 2009. Ary dia nataony izany. Izy ihany koa no nanambara fa nibaboka ny nenininy taminy Atoa Gilles d’Humières,ambasadaoro firantsay tamin’izany,raha nanosika ny hetsi-bahoaka tamin’ny 1991 i Lafirantsa. Tamin’ny taona 2011, araka ny fitantarany ihany, dia efa nasain’i Lafirantsa hody eto Madagasikara izy amin’ny maha mpamita iraka kingalahan’i Lafirantsa azy. Tanterany ny ampahany voalohany amin’ny iraka nampanaovina azy ankehitriny, dia ny hanome lanja ny « fahamarinam-pototry » ny fanalana an’i Lalao Ravalomanana tsy ho kandidà. Raha mbola tsy avelan’i Lafirantsa mody ihany izy izao (tsy mahazo « visa ») dia mino izahay fa mbola misy irika hafa indray hampanaovina azy. Raha zohina ny toerana nametrahan-dRatsiraka ny tenany omaly dia tsy mbola mankasitraka io fifidianana amin’ny 25 ôkitôbira io izy. Midika ve izany fa mbola tsy manana ny kandidà hotohanany i Lafirantsa ka mila hakisaka ny fifidianana ? Na misy antony hafa mety tsy hahatontosana io fifidianana io ve ka i Ratsiraka no ho vahaolana fiandrin’i (roue de secours) Lafirantsa amin’ny alalan’ny fihaonana an-tampony (conférence au sommet) izay vohiziny ?

Na ho inona anefa na ho inona ho fihetsiny na ho inona, ny mazava amintsika vahoaka dia tsy i Ratsiraka, mpamita iraky ny mpanjanaka amin’ny endriny vaovao velively no handeha hoantenaintsika hitondra vahaolana amin’ny fahantrahantsika. Ary fantatry ny SADC tsara fa mpamita iraka izy ka tsy nahamenatra azy ireo ny nitamby azy 1,5 Millions d’Euros mba hanaovany sonia ny tondro zotra. Amin’ny olona mpampita iraka toy itony mantsy dia ny irak’izay sahy manindry vola ambony ihany no tanterahany. Koa aoka isika tsy hovoafitaky ny teny tsara lahatra, ny fampiasehoam-pahaizana teny vahiny, sy famerenana tenin’olo-malaza.
Isika vahoaka no tokony handray an-tanana ny hoavintsika, handray ny fahefana, hamaha ny olana eo amin’ny andavanandrom-piainantsika. Ary tsy ho voarebirebin’izay fifidianana amboamboarina akory isika !

Front de Libération Nationale (FLN) na Vava ady Fanafaham-pirenena

Tsy misy vahoaka resy eo amin’ny taniny !

Antsoy ny laharana finday :
034 20 429 49 – 033 28 750 01 (Tsy mandray antso avy amin’ny laharana miafina)
Na manorata imailaka amin’ny flnmalagasy@gmail.com
Na tsidiho ny facebook Fanafaham Pirenena
Na (ho antsika eto Antananarivo) tongava ao amin’ny Foibe OTRIKAFO isak’Asabotsy amin’ny 10 ora sy sasany

3 commentaires

Vos commentaires

  • 13 septembre 2013 à 08:56 | Isambilo (#4541)

    Réduire Ratsiraka en simple courroie de transmission est réducteur. Il synthétise les contradictions de sa génération. La France-Afrique a bon dos, il faut aussi s’interroger sur les Malgaches qui participent à cette France-Afrique.

    • 13 septembre 2013 à 11:15 | che taranaka (#99) répond à Isambilo

      Akory lahaly,

      dia hita sy mazava izao fa eto Madagasikara dia POLITIKA-n’i FRANçAFRIQUE hatrany no TONDRO-ZOTRO.....

      HIAFARA AMIN’NY GUERA SIVILY (GUERRE CIVILE)....ady an-trano izy ity ry havako....

      SASSOU GUESSO dia zanak’i FRANçAFRIQUE sy ELF-TOTAL...minoritaire no mpitondra ao CONGO....

      MAHEREZA RY GASY HAVAKO FA HO SAROTRA ARY HO LAVA NY TOLOM-PAHAFAHANA.....

  • 13 septembre 2013 à 11:32 | Rakotoasitera Fidy (#2760)

    Ary maninona ny FLN no tsy miresaka an’ilay réconciliation ??

    Sa alzériana ity FLN ity ka tsy miraharaha any izay ho avy ny firenena malagasy ??

Publicité




Newsletter

Les actus du jour directement dans votre boîte email

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS