Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
lundi 26 septembre 2016
Antananarivo | 05h49
 

Malagasy

Fanjakan’i Baroa sa Fitondran’ny Barofo ?

mardi 4 août 2015 | Soamiely Andriamananjara

Ny Fanjakana toy ny salaka enti-mihosy : Refarefaina, azon’ny fotaka ; Henjanina mafy manapaka andilana.

Tato ho ato dia miverimberina matetika eny ambavan’ny namana mpanara-baovao ny hoe korontana lavareny tsy misy fiafarany ny eto Madagasikara, ka mila fanitsiana ara-drafitra kitakitana. Vaky barara ny mpiondana resaka politika fa toa zary lasa fitondrana baranahiny tsy misy lalána no mijoro, toa fitondrana tsy mahafehy ny tany sy ny fanjakana, hany ka lasa manao izay danin’ny kibony ny mpitondra ary manao izay saim-patany ny vahoaka. Moa va tsy izany no antsoina hoe Fanjakan’i Baroa ?

Rehefa mandeha moa ny resaka toy izany dia mazána misy mampandroso foana ilay hevitra hoe mila mpitondra matanjaka afaka manatanteraka tetikady efa mati-paika isika ; mpitondra mahefa afaka mamerina amin’ny tokony ho izy indray ny fanajana ny lalàna sy ny fanarahana ny fitsipika misy ; mpitondra mahafehy ny mpanohitra fa tsy hanaiky ho rebireben’ireo isak’izay mahatsiaro. Misy mihitsy aza milaza fa tsy mety amintsika loatra ny demokrasia manjaka-vahoaka, fa rafitra jadona manjaka-tokana no sahaza antsika izao.

Raha tsorina dia hoe tsy ho tafavoaka mihitsy hono ito Dago-dagontsika ito raha tsy fitondrana jadona mihitsy no apetraka eto. Misy maha-marina azy, ary mety handresy lahatra, tokoa aloha io tsanga-kevitra io raha zohina amin’ny ankapobeny. Mila mpitondra hendry, kinga, sy mahay i Madagasikara. Tsy ampy anefa izany. Tokony hanana tanjaka sy fahafahana tanteraka hampiantra izany fahendrena sy fahaizany izany izy, mba tsy ho lany fotoana amin’ny adivarotra sy kajikajy polifika fotsiny.

Mila mitandrina ihany anefa isika fa sao dia Kagame no antsoina, ka Mugabe no manoina. Mila mailo ihany isika fa sao dia miala ny fanjakan’i Baroa dia miditra ny fitondran’ny Barofo. “Inn ku zany ?” hoy ianareo mantsy ahy.

Ny fitondran’ny Barofo dia karazana jadona na fanaparam-pahefana atao an-keriny sy an-terisetra. Izany hoe miliba manao izay saim-patany ny tompom-pahefana, ary manao didin’ny be sandry ny mpitondra fanjakana. Manao angovy, hoy ny sasany. Manao ambozizy, hoy kosa ny hafa. Raha toa moa ka mpitondra hendry sy mahay, manana vina mazava sy tetikasa matotra no manao didiko fe lehibe, mety ho azoazo ihany. Raha sendra ny mpaminany sandoka, na mpisoloky sy mpangalatra kosa no manao anjolofo, dia eo isika mianankavy no ho raisina.

Ny olana dia tsy misy fomba ahafantarana mialoha hoe iza no tena izilay, ary iza no fosika. Iza no hijery ny soa iombonana, ary iza no tsy hijery afatsy ny tombotsoany manokana ? Iza no Lee Kuan Yew na Park Chung-Hee, ary iza no Mobutu Sese Seko na Jean-Bédel Bokassa ? Tsy isika ireto ihany ve no nilaza fa “Izay rehetra tonga eo, toa mpangalatra avokoa” vao tsy ela akory izay ? “Ny anarana no mody ovaina kanefa toa i Kotozafy ihany no Lekisisy” hoy koa isika. Tena azontsika antoka ve fa misy ilay atao hoe “Jadon’olon-kendry” tadiavintsika io ? Na misy aza io, zana-kavan’iza no ampiakarintsika ho mpitondra tsy refesi-mandidy eto amin’ny tany sy ny fanjakana ? Ny longonay sa ny akolitanareo ? Iza no tena milay ka sady atrehi-maha-efa, no iamboho-mahavita ?

Marina tokoa fa ao anaty fahamehana tanteraka ny firenena, manjaka loatra ny fahalovana sy ny gaboraraka. Rariny tokoa raha mitady fanavaozana sy fanována ny rafitra politika misy ny vahoaka. Misalotra randrana manendrika ny hafa anefa isika raha toa ka dedadedaka maka tahaka anjambany ny rafitra demokratika tandrefana. Naman’ny mitsambiki-mikipy kosa isika raha toa ka mikiribiby sy miazakazaka hisafidy rafi-pitondrana jadona (na jadon-olo-mihaja io na jadon-jiolahimboto). Rafitra mifanaraka amin’ny soa toavina Malagasy ka mifanentana tsara amin’ny zava-misy eto Gasikara no ilaintsika tadiavina, raha ohatra ka tena norma.

Sarobidy loatra eo amin’ny fifampitondrana sy ny fiaraha-miaina eto Madagasikara ny fifampidinihana, ny fifanakalozan-kevitra, ny teny ierana, ary ny marimaritra iraisana. Eny mety maka fotoana ireny, kanefa ireny no arofanina napetraky ny Ntaolo hiarovana ny kely tsy mba mamindro ; ireny no fomba ahazahoana maka ny hevitry ny valalabemandry ; ireny no antoka hiarovana ny zon’ny maro an’isa tsy ho potiky ny amboletran’ny vitsy an’isa ; ireny koa anefa no itsinjovana ny vitsy an’isa tsy ho semporin’ny maro an’isa ; ireny no maha-isika antsika. Na ilay Dimbaka avy any Kaloy iny aza anie hono dia nahavatra niera tamin’ny vahoakany hatrany rehefa nandray fanapahan-kevitra goavana. “Moa tsy izany ve, ry Ambanilanitra ?” hoy izy. “Marina izany !” hoy ny vahoaka.

Manjaka vahoaka ve ? Sa manjaka tokana ? Sa manjaka doria ? Sa fitondran’ny Barofo ? Sa fanjakan’i Baroa ? Sa fitondrana manara-penitra ? Izay laniera eo ka hifanarahana sy eken’ny be sy ny maro dia mety aminay e !

16 commentaires

Vos commentaires

  • 4 août 2015 à 10:35 | I MATORIANDRO (#6033)

    Misaotra manokana @ le famakafakana @ teny gasy !

    Mila fanarahan-dalana sy fifanajana ny fitantanana ny raharaham-pirenena. Ohatran’ny mandeha ho azy ny gaboraraka sy ny kolikoly satria izay mpitondra nifandimby teto dia samy nangala-bato avokoa ; ny dikan’zany dia tsy maintsy mamerina ny vola lany nandritra fampielezan-kevitra izy aloha avy eo dia mangalatra sy mameno paosy satria fohy ny fotoana iasany rehefa akaiky iindray ny fifidianana zay vao manao asa soa kely etsy sy eroa !

    Eto Madagasikara koa rehefa miteny ny olona iray hoe hanaraka fitsipika sika dia midika izay fa hoe jadona no atao !

    Na ahoana nefa na ahoana dia ilay ny fanajana ny fitsipika ifampifehezan’ny mpitondra sy ny entina !

    Samia velon’aina !

    • 4 août 2015 à 11:03 | Eloim (#8244) répond à I MATORIANDRO

      Marina avokoa ny voalazanao.
      Amintsika malagasy mantsy ankehitriny, indrindra eo amin’ny fandinihana ny politika dia misy zavatra roa loha :
      - Amintsika ny demokrasia dia samy manao izay saim-pany avy, na dia tonga hatrany amin’ny fandikan-dalàna aza sy ny fanehoana tsy fanajana ny hafa koa.
      - Amintsika ny discipline, na ny fitsipi-pifehezana dia adika ho jadona hany ka tonga hatrany amin’ny toetra tsy azo tohinina aza ny sasany ary mahatonga azy ireo hanaonao foana, hatrany amin’ny fanakorontanana sy ny fanonganam-panjakana mihintsy aza.
      Misy ho saintsainina ireo, na dia bontolo amin’ny fandinihan-javatra aza ny sasany eto.

  • 4 août 2015 à 10:55 | valoha (#7124)

    Misaotra indrindra ny mpanoratra androany sy izay ho avy maro !
    Tsy izao fanjakana izao ihany no baranahiny, fa ny teo aloha rehetra dia saiky tsy misy valaka amin’izao - hala-bato, hosoka, didy kofehy lehibe, tsindry, fividianana olona sy safidin’olona, sns...Resaka be ihany ny hoe « tany tan-dalana », na ihany koa « demokratika » !
    Izany dia ho hitantsika mianakavy hatrany raha mbola izao lalampanorenana napetraky ny mpanjanaka(1960 no nakaty) no entina mitantana ny raharaha eto, raha ny rafi-pitantanana tany aloha ihany no mbola itantanana ny raharaham-pirenena izao, na ny toe-tsaina enti-miasa sy mamokatra.
    Mila miova ifotony avokoa ireo, manomboka any @ ny fokonolona any ambanivolo any, ary tsy teny midina avy any ambony no anaovana ny fanovana maherivaika fa avy amin’ny vahoaka mahefa !
    Any vao ho afaka ny adalan’ireto vitsy an’isa mpanao tantely afa-drakotra ny harem-bahoaka, ireto mpanao trafika mamoafady, ireto gasy vitsy tia ny mena miravy, ireto karana sy sinoa mpanitsaka lalana sy raindahany @ ny kolikoly, mpamaky fasana, mpanondrana Malagasy any ivelany ho handevozina, mpanao rongony sy zava-mahadomelona, ati-doha @ tsy fandriampahalemana lavereny andro aman’aline, sns....!
    Any vao miresaka fitsarana marina, tsy mitanila, manaraka ny hitsiny tokoa !
    Any vao hanomboka anjary ny raharaha rehetra eto raha hiandrandra fiovana marina isika !

  • 4 août 2015 à 10:58 | Isandra (#7070)

    Izaho manao hoe izy anankiroa samy mitombona daholo,...

    Ny amin’ny hoe mila fitondrana jadona, efa nisy jadona nandritran’ny 25 taona teto tamin’ny andron-dRatsiraka,...kanefa dia vao maika aza nampiletika ny firenena tao anaty tunnel profond ny fahantrana.

    Talohan’io anefa efa azo lazaina ho firenena nanana ny maha izy azy i Madagasikara.

    Ny ilaintsika dia demokrasia izay mampandray andraikitra tsara ny olom-pirenena rehetra(Démocratie participative) :
    - Ampitomboana ny fanabeazana ny olom-pirenena,...mba handraisany andraikitra,...
    - Fampitomboana ny haino aman-jery afaka mandrakotra ny Madagasikara iray manotolo,...(hatramin’ny fizarana mihitsy poste radio, farafaharatsiny,...).
    - Ferana ny vola azo ampiasaina amin’ny propagandy,...
    - Halavaina ny fotoana anaovana ny propangady, mba ahafahan’ny kandida manazava tsara ny programan’asany.

    • 4 août 2015 à 11:06 | Isandra (#7070) répond à Isandra

      Raha tsy ny olom-pirenena tsirairay no mandray ny andraikiny,amin’ny fahasahiana. Manomboka amin’ny avara-pi izany ka hatrany amin’ireo izay tsy nahita fianarana any ambany vohitra alavitra any dia tsy hisy zavatra vanona eto.

      Ary ny demokrasian-tsika dia mijanona ho tahakan’ny filaharan’ny jamba izay tarihin’ny adala anankiray,...Azonareo sary an-tsaina ny hiafarany,...

    • 4 août 2015 à 11:31 | Zanabahoaka (#8890) répond à Isandra

      En somme demokrasia occidentale koi !

    • 4 août 2015 à 11:45 | Isandra (#7070) répond à Zanabahoaka

      Ampifanarahana amin’ny foto-pisainana sy ny fiaraha-monina gasy,...

    • 4 août 2015 à 11:49 | Zanabahoaka (#8890) répond à Isandra

      Eo indrindra ny olana. Manafangaro rano sy menaka !

    • 4 août 2015 à 12:17 | Isandra (#7070) répond à Zanabahoaka

      Tahakan’ny rehefa mahandro sakafo, miaraka arotsaka(ohatra mahandro trondro)...,amin’ny voalohany ny rano no miasa, ary avy eo ny menaka no mamarana sy mampamendimedy azy,...miam...!

      Ireo firenena tandrefana toa ny Frantsa sy ny Anglisy dia nindrana io demokrasia io koa, fa nataony mifanaraka amin’ny zava-misy any aminy sy toe-dr’andro,...izany no mahatonga ny rafitra any amin-drizareo tsy mitovy na samy tandrefana aza,...

      Toy izay koa no tokony hataontsika,...ny olana fotsiny dia vitsy ny olona manao fandalinana ny rafitra tena mety marina amin’ny fiaraha-monina sy ny toe-tsaina malagasy,...

  • 4 août 2015 à 11:10 | che taranaka (#99)

    AKORY LAHALY,

    TRANO TANTELY AFA-DRAKOTRA KA SAMY MANAO NY DANIN’NY KIBONY sy izay patany...na ny Mivarotr’anana na ny BAC+25..

    BAROA sy BAROFO moa inona no maha samihafa aza...samy misalaka manao kravaty...!!!

    izao ny vokany ny FITIAVANA V-V-V...koa mahareta e....!!!!

    • 4 août 2015 à 11:22 | Isambilo (#4541) répond à che taranaka

      Baroa dia t@ andron’ny Vazimba.
      Fa inona kosa ny dikan’ny barofo ?

  • 4 août 2015 à 11:35 | Zanabahoaka (#8890)

    « Izay laniera eo ka hifanarahana sy eken’ny be sy ny maro dia mety aminay e ! »

    Aleo tsy ho be resaka fa voafintin’io daholo ny resadresaka rehetra !

    Ahoana anefa ny hamerana izay hifanarahana, ary ahoana no hahafantarana fa neken’ny besinimaro ?

  • 4 août 2015 à 13:05 | Saint-Jo (#8511)

    Hoy i Soamiely :
    « Na ilay Dimbaka avy any Kaloy iny aza anie hono dia nahavatra niera tamin’ny vahoakany hatrany rehefa nandray fanapahan-kevitra goavana. »

    Dia hoy aho hoe :

    Tsy mba olona nandeha tany ampianarana akory anefa izy iny. Kanefa dia mahagaga ihany ny hakingàny tamin’ny fandrafetany ny rafim-panjakàny.

    Aoka aloha ho vakiana bantsilana avy hatrany fa nanjàka tokana tokoa izy iny ary tena tsy refesi-mandidy marina tokoa.

    Ka izao : ny andro sy fotoana iainantsika izao dia angamba tsy hahitantsika mpitondra mifanentana amin’ny fiovan’ny Tontolo sy ny fiovan-toetrantsika koa, tahakin’ny razantsika an’ilay Dimbaka iny izay tena nifanentana tokoa tamin’ny zavatra nilain-dry zareo.

    Marina ihany koa fa fomban’ilay Dimbaka ny niera tamin’ny vahoaka, ary kabary ankalamanjàna no nanaovana izany.
    Kanefa koa tsy adinoina mihitsy fa fombany ihany koa ny naka hevitra tamin’ny antenimierany, izay nisy olona tena nahiran-tsaina no sady nahay namelatra tamin-kagingàna hevitra nifanohitra tamin’ny hevitr’ilay Dimbaka avy any Kaloy, ka matetika mihitsy no naharesy lahatra an’ilay tsy refesi-mandidy. Ka ny tena mahagaga koa dia niaiky ilay nanjàka tokana iny rehefa resy lahatra, fa tsy niziriziry tamin’ny hevi-disony toy ny fanaon-dry lerony nandranto tany Dilambato.

    Fa ny hevitra iray hafa koa tena nahomby tokoa napiharin’ilay Dimbaka iny dia ny fitsinjaràny fahefana ho an’olona roa lahy isak’ireo toko enina teo amin’ny toerana nanjakàny. Mba tsy hisiana tany lavitr’Andriana.

    Marihina tsara fa nasian’ilay Dimbaka avy ny Kaloy iny aro fanina daholo ny sokajim-pahefàna sy ambaratongam-pahefana rehetra najorony.

    Tsy niandry ny fanjanahana akory anefa isika nandrodana izany rafitra sy ambaidaim-pitondram-panjakana efa hitabe izao fa tena nahomby izany.

    Anjarantsika amin’izao andro iainantsika izao ny mamorona fomba hafa vaovao mifanentana amin’ny fiovan’ny Tontolo sy mifanentana amin’ny fiovantsika koa.

    • 4 août 2015 à 13:39 | Razaka (#7817) répond à Saint-Jo

      I agree with you Saint-Jo.

      I wanted to answer you in Malagasy, but I have not enough vocabulary to express you my thought.
      You, Valoha and Matoriandro are my references here about your ability to utterances in Malagasy language. Because I’m learning it seriously. Also many thanks to the advice of Caro and Tsimahafotsy.

      I just wanted to send you a small part of my thought in terms of this post, which I find in all relevant cases.

      In terms of all the problems we have in Madagascar, especially in mentalities of generations that must be changed. It’s precisely on that I wanted to bounce back.

      In any case, the real Power and Stability of a country is measured, on the following three main Factors :
      1° His ability to defend itself in the preservation of its Sovereignty
      2° The Economic Intelligence Ability to negotiate well on its Partnerships with Other
      3° And also its local and international Cultural Influence
      (which is also a guarantee of independence Each of Personality)

      ** Indeed, I wanted to bounce off the last part of Culture.
      I have impression that no longer meets the Malagasy culture !
      We are a multi ethno-cultural society.
      And We must draw our wealth in Diversity

      ** So the Sum of all our Cultures must be prioritize to make a Malagasy people, one and indivisible. This Unit is absolutely essential.
      It’s from there, we had to build our real Constitution of the Republic.
      It will be in line with our Culture.
      It will not be a copy of another that is not ours.

      Well …
      So Our mentality is no longer hindered, which is also a source of continuity of neocolonialism.

    • 4 août 2015 à 21:09 | Rakotoasitera Fidy (#2760) répond à Saint-Jo

      Ahoana izany ra ange a ?

  • 5 août 2015 à 11:01 | zanadratolotra (#9124)

    TSY MBA FANJAKAN’IBAROA NA BAROFO INTSONY ITY FA TENA FANJAKAN’I HERIMBOATSITONONINA,IZAY NO MAHATONGA AHY HILAZA HOE MBOLA TSY NAHITA NY MAIMBO ITY FANJAKANA ITY KA MISARONDOHA MANGERY

Publicité

Vols, Hôtels, Séjours

Les meilleurs prix


Publicité

Newsletter

Les actus du jour directement dans votre boîte email

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS 
 
 

Visiteurs connectés : 196