Tsy telo izay iray fa telo ray. Malagasy telo Dada. Malagasy telo Baba. Malagasy telo Dadilahy. Malagasy telo Raiamandreny. Sambatra be isika Malagasy. Sambatra mihitsy isika raha samy sambatra amin’ny vahoaka sy ny Firenena manerana ny tany.
Tena tsara ary tiako be ny soso-kevitr’i Alain ANDRIAMISEZA tamin’ny Invité du Zoma omaly tamin’ny TV Plus nanoloana an’i Onitiana REALY. Hoy izy : “Mitodika amin’ireo Prezidà telo lahy voafidim-bahoaka “ara-dalàna” ny masontsika Malagasy tsivakivolo”. Tsy iza izany fa Andriamatoa isany, arakara-jokiny : ZAFY Albert, Didier RATSIRAKA ary Marc RAVALOMANANA. Tena marina be ny azy fa mitodika any amin’ireo RaiamandreniBe telo lahy ireo ny masontsika Malagasy ankehitriny. Na tiantsika na tsy tiantsika.
Matoky marimarina isika rehetra fa any amin’izy DADILAHY TELOLAHY IREO ( samy efa manan-jafikely izy ireo) ny fanalahidin’izao krizy sy fifanolanana politika lalina sy makadiry mampidi-kizo antsika Malagasy izao. Olana politika goavana izy ity, ka tsy maintsy ALA-OLANA POLITIKA irery ihany no hamahana azy. Fa tsy amin’ny alalan’ny herisetra sy ny fitaovam-piadiana. Na sanatria amin’ny fifamonoana sy fifandripahana ary fifamaliana faty tsy misy farany eto. Fifampidinihana tokana ihany no lalan-tery tsy maintsy hizorana.
Takiantsika Malagasy ary izy telo lahy RAIAMANDRENIBE ireto hanome ohatra velona antsika ka hitari-dàlana antsika mankany amin’izany làlan’ny FIFANATONANA sy FIFAMPIDINIHANA ary FIFANDAMINANA sy FIFAMPIHAVANANA mbamy ny FIFANAZAVANA ARA-PAHAMARINANA sy FIFAMELANA HELOKA izany. Satria tsy misy tsy diso izay mandia ny tany, fa izay mivari-lavo sy mikiry biby no adala indrindra. Tsy mila tafika SADEC izany, tsy mila tafika firenena mikambana, tsy mila tafika afrikanina, tsy mila Francophonie,tsy mila Frantsay, tsy mila Vatican, tsy mila Amerikanina sy Sinoa, fa vitantsika Malagasy samy irery ihany. Adidy aman’andraikitrintsika rahateo.
DINGANA VOALOHANY : Tsy misy FEPETRA MIALOHA na préalable hoy ny Vazaha, fa samy manao fanambarana mitovy tsisy valaka izy roalahy Prezidà Didier RATSIRAKA sy Prezidà Marc RAVALOMANANA any am-pitan-dranomasina misy azy avy any manao hoe : Nohon’ny Hasin’i Madagasikara Tanindrazana Iombonana sy ny tombotsoa ambonin’ny vahoaka Malagasy monina ao aminy,dia vonona amin-kitsi-po sy amim-panetren-tena ary am-pahibemaso sy tsy noterena izahay mirahalahy, aty am-pitandranomasina aty, fa hifanatona sy hifampidinika ary hifandamina sy hifampihavana, ka hifanazava ara-pahamarinana ka hifamela heloka mba ho ohatra velona sy modely hoan’ireo Malagasy tsivakivolo sy tsy misy avakavaka mpiray rà sy mpiray tanindrazana aminay any an-tanindrazana sy miparitaka maneran-tany.
Dia manao fanambarana tsotra nefa miezinezina feno hasina sy feno fanahy amam-pahendrena Malagasy toy izany koa ny Prezidà ZAFY Albert eto an-tanindrazana. Ny azy soloiny fotsiny hoe izahay TELO mirahalahy, ny hoe izahay mirahalahy aty am-pitandranomasina aty. Izy tsinona no zokibe mpampihavana. Voninahitra lehibe omena azy izany. Ary hetsika fihavanana efa notakiany hatry ny elabe izany. Izany no maha Filohan’ny CRN azy. Komity ho amin’ny Fampihavanam-pirenena. Aoka tsy ho adinointsika izany.
Atao an-tsoratra io fanambarana tokana sy mitovy io. Dia vakian’izy telo lahy any amin’ny toerana misy azy avy. Farany dia samy manisy Sonia ny azy. Aparitaka eraky ny fahitalavitra sy radio ary gazety manerana an’I Madagasikara izany hetsika tsotra nefa mahate-hidera asehon’izy telo mirahalahy izany mba ho fantatry ny Malagasy rehetra tsy vakivolo. Avoaka amin’ny gazetim-panjakana aza raha ilaina.
DINGANA FAHAROA : Mifampiantso an-tariby aloha ary alefa mivantana aty Madagasikara toy ny fanao mba ho ren’ny Malagasy rehetra. Mifampirary soa sy mifanao rendez-vous. Ary avy eo dia mifanatona amizay tokoa izy mirahalahy Prezidà Didier RATSIRAKA sy Prezidà Marc RAVALOMANANA any am-pitandranomasina any. Izy mirahalahy irery ihany no mifampiresaka an-tariby (tsy alefa mivantana kosa io) sy misafidy malalaka an’izay toerana hifanatonany sy hifankahitany any am-pitandranomasina any. Tsy asiantsika olana ireo olona na delegasiona manaraka azy avy, fa anjaran’izy roalahy ny mamaritra an’izany.
Fa vao mifankahita dia alefa indray ny FIARAHANA MAMAKY SY FIARAHANA MANAO SONIA ilay fanambarana malaza tetsy amin’ny dingana voalohany. Ampiana fotsiny angamba hoe eny am-piandohana :“Koa dia tanterahanay tokoa ary izao, fa noho… "Ny sisa tsy misy miova.
Mba asiana tsirony hafakely ihany. Asiana sira gasy sy sakay gasy. Tsy mifandimby mamaky, an’ilay fanambarana, fa tena iarahana mamaky toy ireny vavaka nampianarin’ny Tompo sy fanekem-pinoana ireny. Toy ireny miara-mihira ny hiram-pirenena “Ry Tanindrazanay malala ô “ sy ny “Zanahary ô ! Tahio ny Tanindrazanay” ireny. Toy ireny miara-miredona sy miara-mamaky ny teny Fianihanana ho Filoham-pirenena ireny. Tsy atoro izany intsony izy mirahalahy fa asa efa nataony izany. Ny manangan-tànana angamba no tsy atao, satria tsy fianihanana tsinona no atao. Fa azo atsindry eo amin’ny fo havia ny tànana havanana. Vitaintsika amin’ny alalan’ny ady gasy ilay raharaha ry zareo â !
Ny Zokibe mpampihavana sady Prezidà ZAFY Albert aty an-tanindrazana manamafy mamerina mamaky ny fanambarany miampy ilay hoe : “Koa dia tanterahanay tokoa ary izao, fa noho…" Ary any amin’ny farany dia faranany hoe : Ary ambarako sy amafisiko fa sitrako sy teliko izao fihaonana sy fifanatonana voalohany eo amin’izy mirahalahy ZANDRIBEKO izao.
Dia mazava loatra fa abobobobo amin’ny radio sy télé ary gazety manerana an’i Madagasikara indray iny hetsika maha te-hidera dingana faharoa iny.
DINGANA FAHATELO : Misidina amin’ny fiara-manidina lasa mandeha maka ireo ZANDRINY ROALAHY any am-pitan-dranomasina ny ZOKIBE IOMBONANA SADY MPAMPIHAVANA Prezidà Zafy Albert. Vakian’izy telolahy miaraka miredona ilay fanambarana malaza. Fa eto dia miampy iray indray ny fanambarana vakiana mifandimby sy mifanesy indray kosa. Miampy fananganana tànana havanana. Fifampiarovan’ny samy mpiray rà Malagasy no atao. Arakara-jokiny hatrany.
Prezidà Zafy Albert : “Miainina eto anatrehan’ny Tany sy ny Lanitra ary eto anatrehan’i Zanahary sy ny Razana izaho Prezidà Zafy Albert, fa iantohako tanteraka sy manontolo ny fiarovana ny AINA SY NY FANANANA ARY NY FAHAFAHAN’IRETO ZANDRIBEKO MIRAHALAHY ireto dia ny Prezidà Didier Ratsiraka sy ny Prezidà Marc Ravalomanana izany”.
Prezidà Didier Ratsiraka : “Miainina eto anatrehan’ny Tany sy ny Lanitra ary eto anatrehan’i Zanahary sy ny Razana izaho Prezidà Didier Ratsiraka, fa iantohako tanteraka sy manontolo ny fiarovana ny AINA SY NY FANANANA ARY NY FAHAFAHAN’IRETO ZOKIBEKO SY ZANDRIBEKO MIRAHALAHY ireto dia ny Prezidà Zafy Albert sy ny Prezidà Marc Ravalomanana izany”.
Prezidà Marc Ravalomanana : “Miainina eto anatrehan’ny Tany sy ny Lanitra ary eto anatrehan’i Zanahary sy ny Razana izaho Prezidà Marc Ravalomanana, fa iantohako tanteraka sy manontolo ny fiarovana ny AINA SY NY FANANANA ARY NY FAHAFAHAN’IRETO ZOKIBEKO MIRAHALAHY ireto dia ny Prezidà Zafy Albert sy ny Prezidà Didier Ratsiraka izany”.
Ireo fanambarana roa sosona ireo no vakian’izy telo mirahalahy ANY AM-PITANDRANOMASINA ANY dia averiny vakiana indray koa raha vao migadona eto an-tanindrazana, ao amin’ilay efitranom-boninahitra eo Ivato ry zareo.
DINGANA FAHA EFATRA : Vitan’izy telo mirahalahy ny famakiana ireo FANAMBARANA ROA SOSONA. Dia anjaran’ny Foloalindahy indray kosa no mamaky ny fanambarana miezinezina ataony. Misy solotena telo avy tsongaina avy amin’ny miaramila sy ny zandary ary ny polisim-pirenena. Manamboninahitra, manamboninahitra lefitra ary vata-miaramila. Ezahana raha azo atao ireo tsangan’olona SIVY izany, izay misy disadisa sy misy lonilony no asaina mamaky ilay fanambarana iombonana manao hoe : “Miainina eto anatrehan’ny Tany sy ny Lanitra ary eto anatrehan’i Zanahary sy ny Razana izahay FOLOALINDAHY MALAGASY, fa iantohanay tanteraka sy manontolo ny fiarovana ny AINA SY NY FAHAFAHAN’IRETO RAIAMANDRENIBENAY TELO MIRAHALAHY ireto dia ny Prezidà Zafy Albert sy ny Prezidà Didier Ratsiraka ary ny Prezidà Marc Ravalomanana izany.”
Dia hanaovantsika vahoaka Malagasy tsy vakivolo fandraisana makotrokotroka sy manetriketrika ireo RAIAMANDRENIBENTSIKA TELO MIRAHALAHY nahavita namitrana fihavanana ireo. Samy mahazo miantsoantso izay DADA na BABA tiany antsoina ny tsirairay fa manana DADA sy DADILAHY TELO BE IZAO ISIKA MALAGASY. Fahasoavana be izany. Dia hoentintsika mitety ny renivohi-paritra 22 izy telo mirahalahy ho porofo velona hoan’ny vahoaka Malagasy sy hiaraka hitokana ireo kianjan’ny demokrasia manerana ny Nosy. Hovaintsika ny anarany amin’izay fotoana izay ho lasa hoe KIANJAN’NY TENY IERANA fa izay no mora azon’ny Malagasy rehetra. Mamatotra sy mifehy antsika rehetra mifandimby mampiasa ny kianja koa io TENY IERANA io. Fa tsy toy ilay demokrasia tsy haintsika loatra ka samy azo anaovana izay saim-patany. Na tsikera ataonao eo, na sosokevitra ataonao eo, na fizaram-baovao ataonao eo, na filazana alahelo, na fihobiana hafaliana, dia atao teny ierana avokoa. Teny ierana amin’izay vahoaka voavorinao eo. Fa teny ierana ihany koa sy indrindra koa ary fifandresen-dahatra amin’izay vahoaka tsy manaiky vorianao eo. Mihena amizay ny mpanaonao foana.
DINGANA FAHADIMY : Manohy ny maha Filohan’ny Tetezamita azy ny ZANDRIKELY IOMBONANA Andry Rajoelina sy amin’ny maha Praiminisitry ny Tetezamita azy ny ZANAKA IOMBONANA Monja Roindefo. Hapetraka ho Filoham-boninahitry ny Tetezamita kosa izy TELO MIRAHALAHY RAIAMANDRENIBE. Misokatra sy migodana be amizay ny lalàna mivoaka ny krizy sy fiaraha-mitantana ny Tetezamita ary ny fifampidinihana sy ny teny ierana isan’ambaratongany hampijoroana miaraka ny fototra faran’izay mafy orina ny Repoblika faha efatra. Azo adika hoe FANJAKANA IARAHA-MANANA ny Repoblika. Tsy hoe intsony Repoblikan’i Madagasikara. Fa lasa hoe Fanjakana iaraha-manana i Madagasikara. Mafilotra ery izany fanenony. Samy tompony na ny mpitondra na ny mpanohitra fa dia mifandimbidimby eo. Ifandimbiasana ny toerana amin’ny alalan’ny fifidianana irery ihany.
Lasa hoe Fanjakana iaraha-manana faha-4 i Madagasikara. Mampahatsiahy antsika Malagasy lalandava ny hadalana sy hafokana ary ny dingana ara-tantara efa vitantsika ny tarehimarika 1,2,3,4.
DINGANA FAHA ENINA : Miroso amin’ny fananganana VAOMIERAN’NY FAHAMARINANA SY NY FAMPIHAVANANA isika Malagasy. Izy telo mirahalahy RAIAMANDRENIBE no misantatra sy manome ohatra ny Malagasy rehetra miatrika io vaomiera io. Potsirina hiala hatramin’ny hakalany avokoa ireo VAY MAVENTY SY ALAHELO LALINA SY RAIKITAPISAKA REHETRA NIOTRIKA teto amin’ity Firenena malalantsika ity. Manaraka azy ireo avy ato aoriana ireo tompon’andraikitra isan-tokony sy sokajiny ary isan’ambaratongany nahavitra heloka bevava sy maventy teto amin’ny firenena. Habaribary daholo ny marina rehetra. Tsy misy afenimpenina. Aorian’izay vao misy ny fifonana sy ny fifamelan-keloka.
DINGANA FAHA FITO SADY FARANY : Vita hatreo ny tsy maty manota. Manome toky izy telo mirahalahy fa tsy maintsy MAHAVITA miaraka manangana ny HAUTE COUR DE JUSTICE na FITSARANA AVO MOMBA NY FAHAMARINANA eto amin’ny tany sy ny fanjakana alohan’ny fiafaran’ny Tetezamita. Rafitra izay tao anatin’ny Lalampanorenana anazy telo mirahalahy hatramin’ny 1975 io ka hatramizao, fa tsy nety nanana fotoana sy finiavana hanangana azy mihitsy ry zareo tamin’ny mbola teo amin’ny fitondrana. Fotoanany izao, ry zareo tsy eo amin’ny fitondrana izao intsony. Mba ho aro fanina sy lovasoa sarobidy hoan’izay mpitondra fanjakana ambony isan-tsokajiny ho voafidim-bahoaka manaraka eo.
Belanto sy Olombelo Ricky ary Malagasy vitsikely marobe mitovy hevitra aminay. Hevitry ny olombelona Malagasy tsinona ireo nangoninay sy naravonay ireo.




