Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
mardi 19 mars 2024
Antananarivo | 13h00
 

Malagasy

Razana tsy tafiditra tao am-piangonana

samedi 14 novembre 2009

Nodimandry tamin’ny Alarobia maraina i Ramose Donà, mpampianatra TAJEFI an’ny kilasy faha-3 ao amin’ny lycée Saint-Antoine Andravoahangy. Androany Zoma 13 novambra tamin’ny 12 ora no voatondro hialàn’ny razana tao an-tranony tao Soamanandrariny ary saika hentina hanomezamboninahitra an’Andriamanitra sy hatao veloma farany tao amin’ny EKAR Soamanandrariny alohan’ny handevenana azy any Ambatomanga. Marihina fa Komity ao amin’io Eglizy io ity olona nodimandry ity, ary mpitarika ny Tampikri ao amin’ny Lycée koa. Tamin’ny 12 ora sy sasany no tonga tao amin’ny EKAR Soamanandrariny ny razana, akory anefa ny hagagàn’ny fianakaviana sy ny mpanotrona fa efa natombok’ilay mompera afrikàna talohan’ny fahatongavan’ny razana ny absoute sy ny lamesa ary efa teo amin’ny vaki-teny voalohany vao tonga ny razana. Raikitra ny fifanazavàna satria amin’ny kristiana katolika dia misy dikany lehibe eo amin’ny lafiny finoana ny absoute, nefa dia latabatra foana no nataon’ilay mompera absoute teo. Tsy nanaiky moa ny fianakaviana ka dia noresahan’ireo Masera mpiandraikitra ny lycée Saint Antoine ny vikera tao amin’ny EKAR Andravoahangy ka dia nentina tany amin’io Eglizy Andravoahangy io indray ilay razana nanaovana ny absoute sy ny lamesa, notronin’ny fianakaviana sy ny namana. Avy eo vao nalevina tany Ambatomanga. Ho an’ny fianakaviana, dia toa tena tsy miraharaha ny fihavanana malagasy mihitsy ity Mompera Afrikàna ao amin’ny EKAR Soamanandrariny ity satria eo amin’ny fahoriana toy izao no tena ilàna azy nefa dia tsy nasiany hajany akory ity razana ity, nalahelo daholo ireo fianakaviana sy ny mpanotrona indrindra ireo mpianatra tonga marobe niaraka tamin’ireo mpanabe tao amin’ny Sekoly. Nohorakorahan’ny olona moa ity Mompera ity ary tsy fantatra na notohizany ihany ilay lamesa tsy nisy razana nony lasa ny razana na ahoana.

Dr Christian Hery Andrianarison
0331202141/ 0340629823
Ray amandrenin’ny Mpianatra, Lycée Saint Antoine

9 commentaires

Vos commentaires

  • 14 novembre 2009 à 09:36 | Bena (#2721)

    mampalahelo ny tranga, nefa na miaramila, na mpanao politika (gic), na mopera, na nonce rehefa senegaly nahazo baiko mitovy ihany !!?

  • 14 novembre 2009 à 09:57 | akama (#2045)

    MITOVY AMIN’NY LOHANY IHANY E

  • 14 novembre 2009 à 12:43 | gasy_kely (#439)

    Noho izy afrikana irery ihany ve no nanaovany izany fihetsika izany ?

    Nisy olona mba nanontany an’ilay mopera ve, manontany azy hoe inona no antony nahatonga izany fihetsika izany ?

    Raha natomboka an’ilay môpera ny lamesa, ireo fianakaviana efa tonga hanatrika ve zany tsy nisy nilaza taminy hoe mbola tsy eo ny razana ?

    Marina fa tena mamplahelo ilay tranga, ary miara-ory @ manamanjo ny tenako, fa na izany aza tsy tokony hatao hamelomanana « racisme » izany. Ary mino aho fa tsy ho sitrakin’ny fianakaviana indrindra ilay razana raha ny fahalasany no itoriana fanakorontanana toy izao.

  • 14 novembre 2009 à 12:56 | xena (#774)

    Tena ny toetran-dRavalo mihitsy ity nataon’ity afrikana !

    • 16 novembre 2009 à 10:45 | akama (#2045) répond à xena

      XENA ! Ravalo anie ka FJKM e ! sao diso ialahy fa toetran’i RAZANABIBY io. Mahazotoa homana

    • 16 novembre 2009 à 11:46 | Bena (#2721) répond à xena

      sao dia jamba tokoa ilay mopera aloha ? tsy hitany hoe efa teo ilay razana na tsia, ny enfants du choeur koa moa matahotra tsy sahy miteny.

      fa ity xena ity aloha sao sonagaly koa ? ny maha-sonagaly ange tsy volon-koditra fa resaka MOKON-DOHA ? be ditra tsy azo ahitsy fa manao saim-biby. ka ny xena = xeno + gena.

  • 14 novembre 2009 à 22:33 | badolahy (#2717)

    Raha ny fahitako azy dia mety tsy fahampian’ny « communication » eo anivon’ilay fiangonana no nahatonga io zava-mitranga io. Izany hoe mety tsy voalaza mazava tamin’ilay mompera tokony hanao ny lamesa ilay ora tokony hanaovany ilay lamesa. Ny olona nampita hafatra taminy dia mety nilaza fotsiny hoe amin’izao andro izao (ny maraina na hariva) no anaovana ilay lamesa fa tsy « ni-preciser-ny » ilay ora tokony hamitana ilay andraikitra.
    Ny olona sasany moa dia tonga dia mitsara be fahatany hoe racisme na hoe tsy tia gasy etc. Mino mihintsy aho fa mety marginaliser-ndry zareo ao ampiangonana io Afrikanina namana io, ka izay no mahatonga ny manque de communication. Aza mba avahavahana re ny olona fa olona mitovy aminao ihany eh. Ary tsarovy fa ny Europeanina ange milaza ny gasy hoe mainty hoditra eh.
    Aoka tsy hitsara be fahatany ny olona fa hadihadio aloha. Raha ianao io moa no mba miala kely an’i Madagascar ka mandeha amin’ny firenena hafa ary havakavahan’ny olona ohatra izany dia ahoana ny ataonao.
    Misaotra tompoko.

  • 16 novembre 2009 à 11:08 | dahé (#3134)

    Ilay izy anie efa fantatr’ilay mompera hoe mbola tsy tonga ilay razana satria izy avy aty ivelany no niditra dia hoe hatombony ny fotoana fa tara ilay razana. Ny voasoratra tao @ faire-part anefa dia mazava fa @ 12 ora no miala ny trano nonenany ny razana. Marobe ireo olona efa tonga nialoha tao @ eglizy ary nilaza tamin’ilay mompera ny proviseurn’ny lycée Manjakandriana hoe efa miala any an-trano ilay razana fa aleo mba handrasana nefa dia nitohy ihany ny lamesa. Efa vita ny evanjely vao nivoaka ilay mompera hoe hitsena hampiditra ny razana amin’izay hono. Teo no tsy nanaiky intsony ireo tompo-manjo izay vao tonga ary dia nivoaka daholo koa ireo mpanatrika izay efa tonga nialoha tao @ eglizy ary nanaraka ny razana teny @ EKAR Andravoahangy. Tsy nisy olana mihitsy tany @ EKAR Andravoahangy avy eo. Amin’ny saina tsy miangatra, ahoana izany lamesa atomboka izany nefa ny razana aza tsy eo ? Tsisy resaka racisme mihitsy izy ity fa dia filazàna fotsiny ny zava-misy sy ny fomba fanao tsy mety. Fahoriana anie ity fa tsy zavatra hafa akory. Tsy hentina hanenjehana na iza na iza koa sanatria fa ny mba tsy hiverenan’y zavatra ohatr’izao no hanairana antsika rehetra.

    • 16 novembre 2009 à 11:58 | Bena (#2721) répond à dahé

      raha mamaky an’i xena io, dia toe-tsaina gasy tokoa. tailaniny hatrany ny resaka.

      azo heverina koa ve ny hilaza fa ny arseveka mihintsy no nampirisika ilay mopera hanao an’io satria ilay prof .... bla bla bla ... tim ... tgv ...

      izay no mampihitsoka antsika rehefa mifandinika amin’ny resaka politika.

      na izany aza, tokony tsy nitondra ny razana teny andravoahangy ry masera fa mba ni-négoce an’i mopera ihany hamerina, satria manimba fiaraha-monina (sa fady ny mamerina ? ny tena mantsy tsy mahalala satria tsy ekar).

Publicité




Newsletter

Les actus du jour directement dans votre boîte email

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS