Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
dimanche 28 avril 2024
Antananarivo | 00h05
 

Articles dans la rubrique « Malagasy »

  • Mpiasan’ny kaominina

    Mitohy ny disadisa amin’ny mpitantana

    samedi 10 janvier 2009 | Naivo kely |  724 visites
    Tsy mbola miravona ny olana eo amin’ny mpiasa sy ny mpitantanana eo anivon’ny kaomnina eto an-dRenivohitra. Efa notaterina teto amin’ity gazety ity iny taona lasa iny, ny fitarainana nentin’ireo mpiasan’ny kaominina, momba ny fanilikilihana azy ireo ankehitriny. Ny mpitantanana ankehitriny no fototry ny olana, ka tsy voajery ny zo tokony hananan’ny mpiasa sy ny asa ho an’ny vahoaka. Efa an-taonany maro ireto mpiasa ireto no niditra tao, nefa mbola ELD sy ECD foana hatramin’izao. Ireo olona mpiray (...)
  • Faritra Analamanga

    Afaka mitsabaka amin’ny asan’ny Kaominina

    vendredi 9 janvier 2009 | Naivo kely |  739 visites
    Taorian’ny fitoriana nataon’ny eo anivon’ny kaominina Antananarivo-Renivohitra, dia nitondra fanazavana toy izao ny lehiben’ny faritra Analamanga, Fidy Ratsimbazafy. «Toy ny raharaham-pitsarana rehetra no nataon’ny kaominina anay sy ny eo anivon’ny Préfet de Police. Ny tsara ho marihina anefa, dia solontenam-panjakana ao anatin’ny kaominina ny Préfet, ary ny lehiben’ny Faritra kosa, dia midadasika ao anatin’ny faritra iray manontolo. Izy no misolo tena ny Governemanta na ny minisitra ao anatin’ny (...)
  • Tovovavy tsy nanaiky nadalain’ny ombiasa

    Maty nilatsaham-potaka

    vendredi 9 janvier 2009 |  1420 visites
    Tovovavy mbola erotrerony, dimy ambin'ny folo taona i Baosolo, maty nilatsaham-potaka. Tao amin'ny tanàna antsoina hoe Kelimamoa, ambanivohitra tokony ho efatra ora miala ny tanànan'i Vohipeno, ao amin’ny faritra Vatovavy Fitovinagny, no nisehoan'izany ny talata 30 desambra lasa teo. Araka ny fitantaran'ny olona tao an-tanàna dia nandeha nidina teny an-tsaha toy ny fanaony isan'andro ity ankizivavy ity. Teo an-tanimbary anefa izy dia nampiresahan'ity raim-pianakaviana efa lehibe iray. Tsy nety (...)
  • Datin’ny 13 janoary

    « Aza miady fasana hilevenana », hoy i Pierre Houlder

    vendredi 9 janvier 2009 | Naivo kely |  1388 visites
    «Tsy misy maniry korontana, fa ny fitakiana no tsy maintsy atao. Any amin’ny mpitondra fanjakana ny lakilen’ny filaminana rehetra, satria ny zo fototra no hambara fa voahitsakitsaka». Io no nambaran’ingahy Pierre Houlder, manoloana ny mety hisian’ny korontana eto. «Tsy hiverina ny tranga toy ny tamin’ny 2002, satria fitakiana madio no ataonay. Diso ny fiheveran’ny sasany, fa manosika an’i Andry Rajoelina ho atao sorona amin’ny tolom-bahoaka izahay mpanao politika. Ilay zo fototra tsy voahaja no (...)
  • Alatsinainy Bakaro

    Olona 250 voapoizina

    jeudi 8 janvier 2009 | Penjy R. |  1248 visites
    Fifaliana amin’ny fiaraha-misakafo no naleha, nefa aretina no azo. Marary mafy ny olona miisa 250 ao Alatsinainy Bakaro raha nihinana sakafo tao amin’ny FJKM Anjozoro ny alahady atoandro lasa teo. Composé no sakafo fampidirana voalohany, ary vita io, dia naroso ny vary sy laoka, ka hena omby no nilaofana ny vary. Taorian’io, dia ripaky ny aretina ny iray trano. Nifamonjena ny toeram-pitsaboana, saingy tsy naharaka izany ny mpitsabo tany an-toerana. Nandoa sy nivalana ny iray trano. Tsy naharaka (...)
  • Fotoam-pivavahana etsy Ambohijatovo

    Voaantso hatramin’ny « sekta »

    mercredi 7 janvier 2009 | Naivo kely |  1486 visites
    Ela ny ela, ka nitodika hatrany amin’ny mpivavaka ivelan’ny FFKM ny antso hiara-hivavaka ny alahady ho avy izao. Antsoina isika mpino rehetra mba ho tonga hiara-hiombom-bavaka amin’ny ben’ny tanànan’Antananarivo ny alahady ho avy izao. Manomboka amin’ny 3 ora tolakandro. Io no antso aparitaka eny anivon’ny fiangonana rehetra amin’izao, ka isan’ny nandrenesana izany ny itony fiangonana antsoin’ny hafa hoe « sekta » itony. Aina ity hoy Rainimanonja, ka izay rehetra afaka hameno ny toerana ao Ambohijatovo, (...)
  • EKAR diosezy Mahajanga

    Pretra maromaro no voatendry

    mercredi 7 janvier 2009 | Crépin Randrianjafy |  1545 visites
    Tato ho ato izay dia betsaka tokoa ireo fanavaozana teto amin’ny katolika diosezin'i Mahajanga. Hita izany nanomboka tamin'ny fanendrena ny eveka mpanampy ka hatramin'izao fotoana izao. Nisy ny fanendrena ireo pretra ato amin'ny diosezy, nalefa any amin'ny toerana mila azy ireny, ny sasany kosa dia mbola miandry ny fanendrena. Misy ihany koa ireo pretra mbola tsy voakitika mihitsy noho ny lamina tsy maintsy atao eo amin'ny fanendrena fa tsy ataotao foana mantsy izany, hoy ny fanazavana azo (...)
  • Hasarotam-piaro

    Namono tena fa tsy maty

    mercredi 7 janvier 2009 |  1365 visites
    Ny tantaran'ny manodidina no nahafantarana ny zava-niseho. Manao dokany izy mivady ireto ary mivarotra ireny fahana ireny. Misy manangy tonga foana ao amindreo ary mivoaka foana ilay rangahy. Fantatry ny vadiny tato aoriana fa kapekin-drangahy ilay manangy tonga ao foana io. Tsy tia gidragidra angamba ilay rangahy ka dia niala tao an-tranony. Efa roa volana izy no tsy nody tao intsony. Ngôma ramatoa sady sôfy koa ka dia nanomboka nodorany ny lamban-drangahy tavela tao ny alahady hariva. (...)
  • Faritra Analamanga

    Afaka mitsabaka amin’ny asan’ny Kaominina

    mercredi 7 janvier 2009 | Naivo kely |  778 visites
    Taorian’ny fitoriana nataon’ny eo anivon’ny kaominina Antananarivo-Renivohitra, dia nitondra fanazavana toy izao ny lehiben’ny faritra Analamanga, Fidy Ratsimbazafy. “Toy ny raharaham-pitsarana rehetra no nataon’ny kaominina anay sy ny eo anivon’ny Préfet de Police. Ny tsara ho marihina anefa, dia solontenam-panjakana ao anatin’ny kaominina ny Préfet, ary ny lehiben’ny Faritra kosa, dia midadasika ao anatin’ny faritra iray manontolo. Izy no misolo tena ny Governemanta na ny minisitra ao anatin’ny (...)
  • Tonga i Andry Rajoelina

    Nahazo tso-drano avy any ivelany

    mardi 6 janvier 2009 | Penjy R. |  2834 visites
    Tsy misy antony tsy hamahan’ny fanjakana ny fitakiana izay napetrakay. Io no nambaran’ny ben’ny tanàna, i Andry Rajoelina manoloana ny fitakiana izay tsy maintsy hilam-baliny hatramin’ny 13 janoary ho avy izao. Raha nigadona teto an-tanindrazana tokoa ny ben’ny tanàna, i Andry Rajoelina, dia nanambara fa nihaona tamin’ireo ankolafin’olona maro tany ivelany. Manoloana ny toe-draharaham-pirenena ankehitriny eto Madagasikara no anton’izany fihaonana izany. Ny rivotra azo tamin’izao fialantsasatra izao, (...)
  • Fahatongavan’ny « Force One »

    Samy nahazo ny anjarany

    mardi 6 janvier 2009 | Naivo kely |  1270 visites
    Tonga omaly ilay fiaramanidina ho entin’ny filoham-pirenena mitety firenena maro eran-tany. Ahafahantsika mifandray sy mametraka ny fiaraha-miasa no tena antony nividianana indray ity fiaramanidina haingam-pandeha noho ny teo aloha ity. Omena fitaovana ny rehetra mba ahafahany miasa. Isan’ny fampanantenana nataon’ny filoha Ravalomanana io, ary dia tonga tokoa izay nampanantenainy. Niainga tany amin’ny ben’ny tanàna, izay nilazany, fa omena môtô tsirairay izy ireo. Tonga tokoa ny môtô, ary efa (...)
  • Grad Iloafo

    Tsy manaiky ny korontana

    mardi 6 janvier 2009 | Naivo kely |  803 visites
    “Mahavita azy i Ravalomanana. Izay no antony nanohananay azy hatramin’izay. Hita ary azo tsapain-tanana ny ezaka vitany nandritra izay nitondrany ny firenena izay, ary porofon’io ny fiakaran’ny harin-karena 7,1%.Mbola hiakatra 7,5% izany harin-karena izany amin’ity taona ity, ka izay no tokony hitandrovana ny tsy hisian’ny korontana eto amintsika”. Io no nambaran’ny filoha mpanorina ny antoko Grad Iloafo, Tovonanahary Rabetsitonta. Tsy isaky ny folo taona, dia hiseho hatrany ny korontana eto (...)
  • Marc Ravalomanana, Filohan’ny Repoblikan’i Madagasikara

    Firariantsoa ho fandraisana ny Taona 2009

    vendredi 2 janvier 2009 |  2396 visites
    Ry Malagasy mpiray Tanindrazana, Nivalona tanteraka ny faha- 366 andron’iny taona 2008 iny. Tafitasoa ny taona isika mianakavy, ka dia misaotra an’Andriamanitra. Arahaba tratry ny farany ry Vahoaka Malagasy sy ianareo Malagasy monina sy miely patrana manerana izao tontolo izao, tsy adinoko ihany koa ianareo vahiny miara-monina aminay eto Madagasikara. Amim-piravoravoana sy am-pifaliana feno fanantenana no handraisantsika ny taona 2009. Koa dia arahaba tratry ny taona. Enga anie it? taona (...)
  • Mpiasam-panjakana

    Ho tafiditra amin’ny vovo politika ve ?

    mercredi 31 décembre 2008 | Naivo kely |  822 visites
    Asa na fifandrifian-javatra, na efa tetika nokotrehina ela, fa milaza hanao ny fitakiana ihany koa ny mpiasam-panjakana amin'ny taona ho avy io. Fitakiana ara-tsosialy, araky ny nambaran'izy ireo. Ny alatsinainy teo no nisy andiana mpiasa nivory izay nametraka ny fijoroan'ny komity miaro ny tombontsoan'ny mpiasam-panjakana. Aoka apetraka amin'ny toerana sahaza azy ny mpiasam-panjakana, ary atao mifanahatsahana amin'ny zava-misy ankehitriny ireo tombontsoa omena ny mpiasa. Voalaza fa ny (...)
  • Depiote Jules Andriamaholison

    Tsy azo atao sorona ny toe-karena

    mercredi 31 décembre 2008 | Penjy R. |  957 visites
    Ampy izay. Tsy hanaiky ho atao fitaovan'ny mpanao politika hitadiavana toerana intsony ny mponina eto Iarivo. Ny fampandrosoana izao no maika, fa tsy ny hidirana indray ao anatin'ny ady saritaka izay tsy nahitana tombontsoa hatramin'izay. Io no nambaran'ny depiote Jules Andriamaholison, izay voafidy teto amin'ny boriborintany voalohany. Manomboka miarin-doha izao ny toe-karena. Samy mahatsapa izany isika rehetra. Mitodika aty Madagasikara, ny mason'izao tontolo izao, satria handray ilay (...)
  • Madarail

    Mitohy ny fitakian’ny mpiasa

    mardi 30 décembre 2008 | Naivo kely |  712 visites
    Zo sendikaly, fa tsy hetsika politika. Io no fototry ny fitakiana ataon'ireo mpiasa tao amin'ny Madarail, niala an-tsitrapo nanomboka ny taona 2003. Be ireo voalaza fa tsy mbola nahazo ny tombontsoa tokony ho azo tamin'izany, amin'isika manoratra izao. Io no nambaran'ingahy Jakoba Andriamiharivolamena, izay isan'ny tompon'andraikitra tao amin'ity Madarail ity teo aloha. Tsy mitovy ny vola nomena ny mpiasa, na dia samy niala an-tsitrapo aza. Misy ny nomena hatrany amin'ny Ar 20 tapitrisa, (...)
  • FCD

    Ny vahoaka no tompon’ny hetsika farany

    mardi 30 décembre 2008 | Naivo kely |  844 visites
    Tsy hanongam-panjakana izahay, fa mitaky ny hampiharana ny demokrasia eto amintsika. Tsy azo ekena ihany koa ny jadona izay tadiavin'ny adian'olona apetraka eto. Io no nambaran'ny FCD, na ny herim-panovana ho amin'ny demokarsia, tarihan'ingahy Alain Ramaroson. Nametraka ny fitsipika tokony ho hajain'ny rehetra ity FCD ity, ary nozaraina eny anivon'ny fiaraha-monina. Misy andininy hatrany amin'ny 11 no voasoratra ao, ary izay vonona ny hanaja ny zon'olombelona sy ny tena hampiarana ny (...)
  • Ambodiafontsy

    Namono olona ny fiaran’i Lôla

    lundi 29 décembre 2008 | R. C. |  3826 visites
    Nandona tovolahy 17 taona teny Ambodiafontsy ny fiara nentin’i Lôla, mpihira malaza, omaly hariva tamin’ny efatra ora tany ho any. Maty noho izany ilay zazalahy, rehefa avy nialàna nenina teny amin’ny Urgences, Hôpitaly Joseph Ravoahangy Andrianavalona. Somebiseby avokoa ny rehetra. Na ny mpandona na ny fianakavian’ilay namoy ny ainy. Na izany aza dia nandray ny anjara tandrify azy tamin’ny fikarakarana rehetra i Lôla. Hita ho nIaky ny hanao raharaham-pihavanana izy (na règlement à l’amiable). Nefa (...)
  • Vondron’ny mpanohitra

    Hanapoaka ny sarom-bilany

    lundi 29 décembre 2008 | Penjy R. |  1527 visites
    Heverin'ireto mpanohitra ireto ho fanomezana omena ny fitondrana ankehitriny amin'io taona ho avy io ny fanapoahana ny sarom-bilany. Ny datin'ny 13 janoary sisa handrasan'izy ireo, dia lasa izao, hoy ireo mpivory. Fantatra ihany koa fa efa misy ny komity najoron'izy ireo hanainga ny vahoaka isam-pokontany, rehefa tonga ny fotoana. Ingahy Andry Rajoelina, izay nahazo vaton'Antananarivo nandritra ny fifidianana izay ho ben'ny tanàna no lasa kankana tsy fidiny hanjonoana ny fon'ny mponina eto. (...)
  • Asa fanaovan-gazety

    « Tsy tokony afangaro amin’ny politika », hoy i Louis Bernard

    samedi 27 décembre 2008 | Naivo kely |  1055 visites
    Nampiteny ny moana ny zava-nisy teto Madagasikara, tao ho ao momba ny resaka asa fanaovan-gazety teto Madagasikara. Taorian'ny nanakatonana ny fahitalavitra iray teto an-dRenivohitra, dia maro no naneho ny heviny momba izany. Ny mpanao politika, ny fiaraha-monim-pirenena, ny olon-tsotra, ary ny mpanao gazety. Raha ity farany ity no asian-teny, dia naneho ny heviny momba ny fahitany ny asa fanaovan-gazety eto Madagasikara ny depiote Louis Bernard voafidy tao amin'ny boriborin-tany (...)

0 | 20 | 40 | 60 | 80 | 100 | 120 | 140 | 160 | ... | 900

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS