Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
vendredi 26 avril 2024
Antananarivo | 09h01
 

Malagasy

Hasarotam-piaro

Namono tena fa tsy maty

mercredi 7 janvier 2009

Ny tantaran’ny manodidina no nahafantarana ny zava-niseho. Manao dokany izy mivady ireto ary mivarotra ireny fahana ireny. Misy manangy tonga foana ao amindreo ary mivoaka foana ilay rangahy. Fantatry ny vadiny tato aoriana fa kapekin-drangahy ilay manangy tonga ao foana io. Tsy tia gidragidra angamba ilay rangahy ka dia niala tao an-tranony. Efa roa volana izy no tsy nody tao intsony. Ngôma ramatoa sady sôfy koa ka dia nanomboka nodorany ny lamban-drangahy tavela tao ny alahady hariva. Nitohy izany ny Alatsinainy maraina, ary novakivakiany daholo ny entana tao an-trano toy ny vilia sy ny tele, radio ary sisa tsy voatanisa. Raha nahita izao fihetsika nataon-dreniny izao ilay zanany, dia niantso an-drainy tamin’ny finday avy hatrany nampahafantatra ny zava-nisy. Nandray taxi ilay rangahy raha vao naheno izany, ka nitondra polisy hisambotra an-dramatoa noho ity zavatra nataony ity. Rehefa natao anefa ny famotorana tany amin’ny polisy, dia fantatra fa olona mamoy fo ity ramatoa ity ka dia nanarina araka izay azo atao izy, satria ny hamono tena no masaka tao an-tsainy. Dia naverina nody tany an-tranony izy. Tsy nisy nahafantatra izay nataony tao fa ny setrok’afo efa miakatra no nanaitra ny olona tao anaty lakoro, ary dia niantso vonjy izy ireo amin’ny famonoana ny afo. Nalaky be moa ny fiakatry ny afo vetivety dia niredareda be. Ny nahagaga anefa dia nivoaka avy tao an-trano ilay ramatoa, sady efa maratra fa hay notsatotsatohany antsy ny tenany. Izy koa moa mpanofa rahateo. Efa nanomboka nirehitra koa ny rindrin’ny moskriny vao maty ny afo. Tsy dia nisy fahasimbana anefa ny moskriny na izany aza. Tandremo ihany ny farahy sy ny hasosorana fa ny tendrim-po tsy mba namana. Any amin’ny hôpitaly ramatoa izao. Tsy mbola fantatra ny hahazo azy mivady ireto raha hita fa tena marina ny tantaran’ireto mpifanolo-bodirindrina. Tsy maintsy hisy koa moa ny fanadihadiana ka izay no hahafantarana ny tena zava-nisy sy niseho. Ny tena loza dia ny azy mivady eo ihany, fa very fanana ny tompon-trano. Ny mpanofa sasany koa mitaraina, fa be ireo mpanararaotra teo amin’ny famonjena ny entana tsy ho may.

Vanessa Zafimahova - Fetimirindra Tafara

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS