Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
samedi 27 avril 2024
Antananarivo | 21h50
 

Articles dans la rubrique « Malagasy »

  • Fikambanana Manaovasoa

    Mitaky ny hikambanan’ny AKFM roa tonta

    samedi 29 novembre 2008 | Naivo kely |  563 visites
    Antoko matanjaka ny AKFM, saingy noho ny fiparitahany tany amin'ny taona 1989 dia nanomboka samy naka ho azy ny mpikambana tsirairay. Dia io hiarahana mahita io ny lalana nizoran'ireo kamarady rehetra hoy ny dokotera Manan'Ignace. Ny fitambaran'io antoko Akfm roa tonta io no lalana iray ahatafavoaka ny firenena hoy izy. Manana olona manam-pahaizana maro ity antoko ity, ary manana ny lazany eto Antananarivo; eny hatrany amin'ny faritany teo aloha, toa an'Antseranana, Toamasina. Midika izany (...)
  • Fizarana loka teny Iavoloha

    Maika ny fanampiana ny tantsaha

    samedi 29 novembre 2008 | Penjy R. |  472 visites
    Vita omaly teny Iavoloha ny fifaninana kaomina mendrika sy ny fifaninanana voly vary. Teny Iavoloha no nanaovana ireo lanonana roa sosona ireo, ary ny filoha Ravalomanana no nitarika izany. Mamokatra ny tantsaha hoy ny filoha rehefa omena fitaovana, ary mipetraka tsara ny fanentanana atao amin'izy ireo. Tokony hipetraka ny fiaraha-miasa matotra eo amin'ny olom-boafidy sy ny olom-boatendry miainga eny amin'ny faritra tsirairay. Ho porofointsika aty amin'ny faritry ny SADC sy COMESA ary ny (...)
  • Fikambananan’ny TAXI eto andrenivohitra

    Mitaky ny hampidinana ny solika

    vendredi 28 novembre 2008 | Penjy R. |  520 visites
    Efa tafidina hatrany amin'ny 50 doalara ny barila ny solika eo amin'ny tsena iraisam-pirenena, mbola tsy hita veroka ny fidinan'io eto Madagasikara. Miankina amin'io vidin-tsolika io anefa ny tsena anatiny eo amin'ny mpamily fiara karetsaka. Hivondrona izy ireo ato ho ato, ka hitaky ny hampidinana ny vidin'ny solika hifanahatsahana amin'ny vidiny eo amin'ny tsena any ivelany. Zara raha misy mandeha taxi ny olona ankehitriny. Ny antony, dia tsy takatry ny mpanjifa ny sarany alain'ny mpamily. (...)
  • Tapatapany

    Lasan’i Toliary ny loka

    vendredi 28 novembre 2008 |  452 visites
    Hivoaka anio ny valin'ny fifaninana kaominina mendrika. Atao eny amin'ny lapam-panjakana Iavoloha ny lanonana. Fantatra fa lelavola sy fitaovana afaka ho entin'ny kaominina miasa avy hatrany no loka ho zaraina. Raha ny fantatra, dia ny kaominina Toliary voalohany no hibata ny loka goavana. Ny filoha Ravalomanana no hitarika ny fotoana amin'ity anio ity. Mandry tsy lavoloha Ivato seranana Miaina ao anatin'ny horohoro ny ankamaroan'ireo mponina eny amin'ny kaominina Ivato seranana. Ny (...)
  • Imerintsiatosika

    Potiky ny orana ny voly

    jeudi 27 novembre 2008 |  403 visites
    Faly sahirana ny mponina amin'ny filatsahan'ny orana eto amintsika. Faly satria mba nahazo aina ny voly isan-karazany. Sahirana ihany koa anefa, satria toa be loatra ny rotsakorana tonga. Mitaraina ny mponina eny Imerintsiatosika mahita ny tanimbary dibo-drano. Potika avokoa ny ankamaroan'ny vary izay tokony hiakatra atsy ho atsy. Andro maro lasa izay, dia nirotsaka ny havandra teny an-toerana. Namono ny voly sy ny fiompiana izany. Tonga indray anefa ity ny ora-mikija. Na izany aza dia tsy (...)
  • Fanovana Organigraman’ny kaominina

    Fahefan’ny Ben’ny tanàna izany hoy Guy Rivo Randrianarisoa

    mercredi 26 novembre 2008 | Penjy R. |  1017 visites
    Izay ahasoa ny tanàna no tanjona. Izay no hitan'ny Ben'ny tanàna Andry Rajoelina fa mety eto andrenivohitra, dia zony tanteraka izany. Vao tsy ela hoy ny tale Jeneralin'ny Fitsinjarampahefana, Guy Rivo Randrianarisoa, no nivoahan'ny lalàna manome fahefana ny Ben'ny tanàna hanala ny lefiny, na ireo mpiara-miasa aminy hita fa tsy mahomby. Tsapan'ny Ben'ny tanàna eto andrenivohitra io, ka noraisiny ny fahefana rehetra. Mitovy ny Ben'ny tanàna rehetra aminy, ka tsy manana olana amin'ny eto (...)
  • Feno fako Andralanitra

    Maloto ny renivohitra

    mercredi 26 novembre 2008 | Penjy R. |  728 visites
    Tsy misy olana tsy voavaha. Anio dia efa hijery izay fomba rehetra hanalana ny fako eto andrenivohitra ny eo anivon'ny kaominina eto andrenivohitra. Misy ny olana sedraina hoy ny Ben'ny tanàna Andry Rajoelina, dia ny hafenoan'ny fako eny Andralanitra. Na ny fiara vaventy tokony hiditra eny aza tsy afaka manao izany intsony rehefa hitatitra fako. Misy ny fijerena ny vaha-olana hainga hiarahana amin'ny manam-pahaizana vahiny, hisorohana ny fitobian'ny fako be loatra. Tsy misy olana tsy azo (...)
  • Mompera Remi Ralibera

    Nanefa ny adidiny ny fanjakana

    mardi 25 novembre 2008 | Penjy R. |  1039 visites
    Tonga niondrika teo anoloan'ny vatana mangatsiakan'i mompera Remi Ralibera ny asabotsy teo ny fitondram-panjakana. Ny Praiministra Charles Rabemananjara no nitarika azy ireo, izay samy nanamafy fa nanana ny anjara andraikitra lehibe noraisiny teto amin'ny firenena ity pretra ity. Azo ambara fa very olo-manga ny firenena. Teny niverimberina tamin'ireo olona nitsapa alahelo teny amin'ny toerana nisy ny vatana mangatsiakany izany. Ny asa fanaovan-gazety no tena nahafantarana azy, ary mahitsy (...)
  • Kaominina mendrika

    Lasan’i Toliary ny voalohany

    mardi 25 novembre 2008 | Penjy R. |  660 visites
    Ny alarobia ho avy izao no hivoaka ny valin'ny fifaninanana kaominina mendrika. Tao anatin'ny volana vitsy no nanaovana ity fifaninanana ity, ary tsapa fa na dia tsy dia nazava tamin'ny ankamaroan'ny ben'ny tanàna aza ny fepetra napetraka, dia niroso tamin'ny fifaninanana ihany izy ireo. Fantatra fa ny kaominina ao Toliary voalohany no hibata ny amboara voalohany. Lelavola goavana io, ary ny kaominina ao Analavory ny faharoa. Ny fahaiza-mitantanana sy ny fomba fiasa nataon'izy ireo tamin'ity (...)
  • Loholona Rabetsitonta

    Hanaovy trano ny mpiasam-panjakana

    mardi 25 novembre 2008 | Penjy R. |  709 visites
    Isan'ny olana lehibe ho an'ny mpiasa malagasy ny trano fonenana. Fangatahana ny hampidirana ao anatin'ny tetibolam-panjakana manaraka ny hanaovana trano ho an'ny mpiasam-panjakana. Io no fangatahana nataon'ny loholona Tovonanahary Rabetsitonta ny zoma teo tetsy Anosikely. Tsy zakan'ny mpiasam-panjakana intsony ny hofan-trano izay midangana andro aman'lina. Hiarahana mahita anefa ny fijaliana eo amin'ny ho enti-manana izany. Maro ny mihevitra fa ilana ny hametrahana ilay politikan'ny (...)
  • Misaona ny asa fanaovan-gazety

    Maty i mompera Remi Ralibera

    samedi 22 novembre 2008 | Penjy R. |  3367 visites
    Nodimandry teo amin'ny faha-82 taonany omaly maraina tamin'ny 10 ny mompera Remi Ralibera. Tetsy amin'ny hopitaly Policlynique Ankadifotsy izy no nolazoin'ny aretina nandritra ny andro maro, ka izao namoizany ny ainy izao. Ny 15 Aogositra teo no nankalaza ny faha-50 taona naha-pretra azy ny tenany. Ny nahafatarana betsaka azy dia tao amin'ny lakroan'i Madagasikara. Efa filohan'ny holafitry ny mpanao gazety teto Madagasikara i mompera. Nanana ny andraikitra lehibe teo anivon'ny FFKM izy. (...)
  • Antenimieram-pirenena

    Hajaina ny zon’ny mpiasa

    vendredi 21 novembre 2008 | Penjy R. |  707 visites
    Mitohy ny fandroahana mpiasa etsy Tsimbazaza. Omena ny zo sahaza azy ireo mpiasa ireo. Tsy manaiky lembenana ny mpiasa etsy ankilany, satria famotehana ny mpiasa Mlagasy ny tahaka izao. Mbola mitazana ny sendika misy ireto mpiasa ireto hatramin'izao. Miitatra hatrany amin'ny fandroahana ireo lohandohan'ny mpiasa mitarika fitokonana ny raharaha. Sahiran-tsaina ny mpiasa eo anatrehan'izany. 200 mahery ireo mpiasa efa noesorina. Tsy izay tombontsoa fanome ny mpiasa esorina no olana hoy ny (...)
  • Milatsaka ny orana

    Dibo-drano ny tanàna

    jeudi 20 novembre 2008 | Penjy R. |  921 visites
    Io ary ilay efa nolazaina. Feno rano ny arabe sy lakan-drano maro isan-karazany. Miakatra ny loto, satria tsentsina ny tatatra. Miangona ny fako, ary maloto ny tanàna. Efa maro ny fanairana natao, saingy toa tsy naha-taitra ny hafa. Mitohana ny fifamoivoizana. Mety hisy hilaza fa izay foana anie no teto e. Marina izany, fa tsy mba misy fandrosoana ve fa ny oimaly tsy miova ihany no hita eto? Inona no mba fepetra noraisina manoloana ny loto ataon'ny vahoaka manentsina ny tatatra? Toa tsy mba (...)
  • Olan’ny lahy sy ny vavy

    Mahazo vahana ny fisaraham-panambadiana

    jeudi 20 novembre 2008 | Penjy R. |  3624 visites
    zay tia adala. Toa tsy mitombina intsony io ankehitriny, fa ny hita dia ny vola no maha-tokantrano. Fiainana tsy misy vola izany tokoa inona no hiafarany ? Raha mahita ny fomba fiainan'ny Malagasy ankehitriny tokoa, dia manjaka io vola io, ka na tsy mifanahatsahana aza ny endrika amam-bika sy taona eo amin'ny lahy sy ny vavy dia lasa izao. Ny vola no mibaiko. Raha ny atotan-taratasy fisaraham-panambadiana eny amin'ny fitsarana, dia hita fa ny vavy no maro mangataka io fisarahana io. Ny (...)
  • Mpanohitra sy Ravalomanana

    Te-hiresaka fa matikena-maso

    mercredi 19 novembre 2008 | Penjy R. |  995 visites
    Mbola miantso ny mpanohitra hatrany ny filoha Ravalomanana omaly teny Iavoloha. Henohy ny feon'izy ireo, ary aoka mba hifantoka tanteraka any amin'ny tena fampandrosoana ny resaka. Antso izay miantefa mivantana any amin'ny mpitondra ankehitriny, ny tsy hanavahana firehena amin'ny famoahan-kevitra mandritra ny loabary an-dasy eny Iavoloha io. Raha ny hita anefa, dia tsy nisy tonga teny amin'iny lapa io ny mpanohitra rehetra. Ny Otrikafo aza dia namaly fa tsy hanamafy ny fahefan'ny vahiny (...)
  • Fanabeazana eto Madagasikara

    Handefa horonantsary any Norvezy ny ministera

    mercredi 19 novembre 2008 | Herimanda R. |  452 visites
    Hamokatra horonan-tsary iray ny Minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena Malagasy (Men) ho entina mampahafantatra ny dingana vita ankehitriny ho fanatanterahana ny « Sekoly vaovao ho an’ny rahampitso ». Halefa sy haseho any Oslo, renivohitr’I Norvezy izy io mandritry ny fivorian’ny antsoina hoe « Groupe de haut niveau » izay karakarain’ny UNESCO izay tanterahina any amin’io firenena io ny 16 ka hatramin’ny 18 desambra ho avy izao. Ity horonan-tsary ity, araka ny voalaza, dia mampiseho indrindra ireo asa (...)
  • Dian’ny filoha Ravalomanana tany ivelany

    Homamiadana ny fery tsy sitrana 5 taona

    mardi 18 novembre 2008 | Penjy R. |  1526 visites
    Tonga avy any ivelany indrayny filoha Ravalomanana. Tsara ny diha hoy izy, ary maro ny firenena vahiny vonona hanampy an'i Madagasikara. Hiatrika ny loa-bary an-dasy etsy avoloha isika hoy ny filoha Ravalomanana, ka anjaran'ny rehetra ny mandinika sy mandritra ny asa tokony hanarenana ny firenena. Nomeny tsiny kosa ny fandrenesana ny tsy handraisan'ny mpanohitra anjara amin'ny laha-dinika manomboka anio eny Iavoloha. Toy izany koa ny momba ny lonilony misy eo amin'ny mpanohitra momba ny (...)
  • Vakinankaratra

    Misokatra Tanteraka amin’ny any ivelany

    mardi 18 novembre 2008 | Princia R. |  694 visites
    Mahomby ny haitarika raha ny faritra Vakinankaratra no ambara satria ny ambaratongam-pahefana rehetra dia samy maneho izay fahaiza-mitarika izay ary tsy mijanona fotsiny amin’ny asa fampandrosoana anatiny fa mitodika sy mivelatra amin’ny any ivelany. Porofon’izany ny ezaka ataon’ny Ben’ny tanàna an’Antsirabe Ambonivohitra torak’izany ihany koa ny lehiben’ny faritra Vakinankaratra Randimbiharimanana Etienne ho an’ny faritra iraimanontolo. Rehefa avy namita iraka tany ivelany sy nitsidika firenena (...)
  • Mpanao politikan’Imerina

    Inona no nivorian’izy ireo teny Antsahadinta ?

    lundi 17 novembre 2008 | Penjy R. |  2496 visites
    Taitra ny Merina. Tsy ny Merina manontolo fa ireo mpanao politika eto amin'ny tanàna no tonga saina ka nanambatra ny heriny. Nahilik'izy ireo tamin'ity fikambanana ity kosa ireo mpanao politika tao amin'ny Arema teo aloha toa an-dry Harinaivo Rasamoelina sy ry Ange Andrianarisoa na dia samy avy eto afovoan-tany aza. Zanaka ben'ny tanàna teo aloha sy zanaka pasitera efa nitana andraikitra goavana tamin'ny fitondrana teo aloha, miampy vehivahy mpandraharaha tanora nilatsaka filoham-pirenena (...)
  • Loa-bary an-dasy

    Hanomboka rahampitso

    lundi 17 novembre 2008 | Naivo kely |  551 visites
    Hifantoka eny Iavoloha indray ny mason'ny mpanara-baovao manomboka rahampitso talata. Herinandro be izao no hanaovana ilay loa-bary an-dasy handinihana ny fizotra ny asa amin'ny fanatanterahina ny MAP nandritra ny taona 2007. Manana andraikitra goavana amin'io ireo olom-boatendry sy tompon'andraiki-panjakana maro samy hafa. Inona no vita, ary inona no tsy mbola hefa? Hamaritra izany no tanjona amin'ity fihaonana eny Iavoloha ity, ary handray anjara amin'io ihany koa ireo mpamatsy vola (...)

0 | ... | 60 | 80 | 100 | 120 | 140 | 160 | 180 | 200 | 220 | ... | 900

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS