Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
mardi 16 avril 2024
Antananarivo | 23h52
 

Malagasy

Imerintsiatosika

Potiky ny orana ny voly

jeudi 27 novembre 2008

Faly sahirana ny mponina amin’ny filatsahan’ny orana eto amintsika. Faly satria mba nahazo aina ny voly isan-karazany. Sahirana ihany koa anefa, satria toa be loatra ny rotsakorana tonga.

Mitaraina ny mponina eny Imerintsiatosika mahita ny tanimbary dibo-drano. Potika avokoa ny ankamaroan’ny vary izay tokony hiakatra atsy ho atsy. Andro maro lasa izay, dia nirotsaka ny havandra teny an-toerana. Namono ny voly sy ny fiompiana izany. Tonga indray anefa ity ny ora-mikija. Na izany aza dia tsy kivy ny mponina amin’ny hetraketraky ny natiora. Mitohy hatrany ny fanarenana ny simba. Maro no mihevitra fa ilaina ny fanamboarana ny lakan-drano, mba ahafahan’ny rano mivarina any an-drenirano.

Ankoatra io, dia potika ihany koa ny làlana ao antampon-tanàna. Misy ny ezaka ataon’ny kaominina amin’ny fanamboarana izany, saingy ao anatin’ny fotoam-pahavaratra izy ireo no manao ny asa ka miteraka fotaka mandrevo.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS