Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
jeudi 25 avril 2024
Antananarivo | 13h09
 

Malagasy

Tapatapany

Lasan’i Toliary ny loka

vendredi 28 novembre 2008

Hivoaka anio ny valin’ny fifaninana kaominina mendrika. Atao eny amin’ny lapam-panjakana Iavoloha ny lanonana. Fantatra fa lelavola sy fitaovana afaka ho entin’ny kaominina miasa avy hatrany no loka ho zaraina. Raha ny fantatra, dia ny kaominina Toliary voalohany no hibata ny loka goavana. Ny filoha Ravalomanana no hitarika ny fotoana amin’ity anio ity.

Mandry tsy lavoloha Ivato seranana

Miaina ao anatin’ny horohoro ny ankamaroan’ireo mponina eny amin’ny kaominina Ivato seranana. Ny antony dia noho ny fandrenesana ireo fanafihan-jiolahy tao ho ao nitranga teny amin’io kaomina io. Amin’ny 9 ora alina, dia efa mikatona avokoa ny ankamaroan’ny mpivarotra eny an-toerana. Tsy misy sahy mivoaka alina intsony ihany koa ireo mpirevirevy eny amin’io tanana io. Na eo aza anefa izany, dia mieazaka mampandry fahalemana ny tanana ireo tompon’andraikitry ny filaminana isan-karazany.

Hifanatrika amin’ny governemanta ny loholona

Anio hariva no hiaona mivantana amin’ireo loholona ny mpikambana ao amin’ny Governemanta. Fihaonana izay fanaon’ireo andrim-panjakana roa ireto ny toy izao. Fametrahana fanontaniana mivantana sy arahim-baliny no hita ao, ary ahafantarana bebe kokoa ny tetikasan’ny Governemanta manaraka.

Asa fanaovan-gazety

Ny taona ho avy iny no voalaza fa hanaovana ny fifidianana izay ho mpikambana vaovao ao anatin’ny holafitry ny mpanao gazety. Fantatra io nandritra ny fiakaran’ny governemanta teny amin’ny lapan’ny Tsimabazaza. Momba ny lalana mifehy ny asa fanaovan-gazety ihany koa dia nasian’ny ministra miahy ity sehatra ity resaka.

Nanangona N.K

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS