Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
samedi 27 avril 2024
Antananarivo | 19h24
 

Articles dans la rubrique « Malagasy »

  • Tapatapany

    lundi 17 novembre 2008 |  491 visites
    Ny asabotsy teo no nidina teny amin'ireo faritra heverina fa mety hitrangan'ny tondra-drano ny ministry ny Rano sy ny avy ao amin'ny APIPA. Fitsidihana nampahafantarana ihany koa ny fahavitan'ireo fefiloha tsy hisian'ny tondra-drano eto Iarivo. Niara niaiky ny rehetra fa maro ireo asa vita, nefa hahasakana ny tsy hisian'ny tondra-drano ve izany amin'ireo tanimbary maro nototofana eto andrenivohitra toy ny etsy amin'ny Digue? Manomboka anio ny sazy ho an'ireo olona manana fiara tratra mividy (...)
  • Raharaha 2002

    Ho avy ireo nitsoam-ponenana ?

    samedi 15 novembre 2008 | Penjy R. |  2430 visites
    Efa ela no naniry hiverina eto Madagasikara ireo nitsoam-ponenana any ivelany momba ny raharaha 2002. Tsy mbola nety anefa ny tetika, satria ingahy Pierrot Rajaonarivelo aza tsy tafiditra. Niraraka ny ivin'ny sasany any an-dafy raha nalalaka ny fidiran'i Rossy teto. Rossy izay noheverin'ny maro, fa ho raisim-potsiny raha vao migadona eto Madagasikara. Ny mifanohitra amin'izay anefa no hita, satria tsy mba isan'ireo nametraka herisetra tamin'ireny raharaha nafana teto Madagasikara farany (...)
  • Norbert Lala Ratsirahonana

    Mandinika vao mandray fepetra

    vendredi 14 novembre 2008 | Penjy R. |  1075 visites
    Tsy re firy ny tenako amin'ny fanehoan-kevitra momba ny fiainam-pirenena. Antony, dia mitazana ny fomba fiasan'ny fitondrana aho. Eo no hitsaranay ny asa vitany. Ilaina ny mangina, sao hambara fa mamingana ny fandaharan'asan'ny fanjakana. Aorian'ny fahitana ny asa nataon'ny mpitondra vao manapaka hevitra. Io no nambaran'ingahy Norbert Lala Ratsirahonana omaly raha sendra ny mpanao gazety. Tsy mba fomban'ny antoko misy anay ny mitabataba mialoha, nefa ny ilay olona mbola eo an-dàlam-piasany. (...)
  • Fitsinjaram-pahefana

    Vao maika tsy mazava

    jeudi 13 novembre 2008 | Eugène R. |  861 visites
    « Délégués régionaux du gouvernement » indray izao no malaza. Hapetraka io rafitra vaovao eny anivon'ny faritra io raha ny tatitry ny filan-kevitriny minisitra tamin’ny talata teo no asiana teny. Ny « Délégués régionaux du gouvernement », araka io tatitra io, dia tompon’andraikitra tendren'ny praiminisitra, lehiben’ny gouvernementa. Eo indrindra no tsy mazava ny resaka satria mantsy vao tsy ela akory izay no nanendrena ireo roa ambinifolo mianadahy mpikambana ao anatin’ilay atao hoe « Cellule de (...)
  • Asan-jiolahy etsy sy eroa

    Manjaka ny basy vita gasy

    jeudi 13 novembre 2008 | Penjy R. |  679 visites
    Mahazo vahana indray ankehitriny ny basy vita gasy ampiasain'ireo andian-jiolahy maro eto amintsika. Porofon'io ny fahitana ireo olon-dratsy voatifitry ny mpitandro ny filaminana ahiatana itony basy vita gasy itony. Mihorohoro ny mponina, satria ankoatry ny fitaovam-piadiana mahery vaika izay ampiasain'ireo olon-dratsy, dia ity fitaovana vita gasy ity indray no eny ambalahan'ireto olon-dratsy. Maro no efa tratra, saingy mbola misy ny mampiasa izany. Tambazotra goavana noho izany no fantatra (...)
  • Amboanjobe

    Lavitry ny rano fisotro madio

    jeudi 13 novembre 2008 | Penjy R. |  334 visites
    Tao anatin'ny andro maro izay, dia miaina amin'ny tsy fisian'ny rano fisotro madio ny mponina eny Amboanjobe. "Masiso izahay vahoaka, satria na ny rano entina mba hidiovana aza tsy misy". Efa maro ny fitarainana nalefana eto amin'ny kaominina Amboanjobe nalefa any amin'ny JIRAMA, saingy toa tsy nisy valiny hatrany izany. Tao anatin'ny herinandro izay dia nandeha nandritra ny 24 ora ny rano, saingy mitsitaitaika ny fandehan'io. Zara raha nisy rano ho sotroina. Avy eo indray, dia tapaka (...)
  • Fotoam-bavaky ny FJKM

    Voazarazaran’ny politika ny mpino

    mardi 11 novembre 2008 | Naivo kely |  737 visites
    Vory lanona ny mpino FJKM teny Mahamasina ny alahady lasa teo. Niombom-bavaka momba ny faha-40 taona nijoroan'ity finoana FJKM teto Madagasikara. Nandritra ny laha-teny nataon'ny filohan'ny FJKM, Lala Rasendrahasina no nanamafisany ny andraikitry ny fiangonana momba ilay rafim-pampianarana vaovao nampetraky ny fanjakana. Mifanohitra tanteraka amin'ny fomba fijerin'ny fiangonana Katolika tanteraka ny kabary izay niseho ny alahady sy ny fotoam-pivavahana nataon'ny katolika andro vitsy lasa (...)
  • Ady amin’ny kere

    Be ny tany, fa ny mpamboly no tsy ampy

    mardi 11 novembre 2008 | Penjy R. |  426 visites
    Midadasika i Madagasikara. Mbola ny 25% ny tany azo volena ihany anefa no misy mamboly. Antony maro no mahatonga izany, dia ny tsy fisian'ny fikarakarana manokana ireny tany ireny, toy ny fanamboarana ny lakan-drano hanondraka ny velaran-tany. Io trangan-javatra iray io no mahatonga ny tantsaha hitady fivelomana hafa, ka ny fiakarana antanàn-dehibe no masaka ao an-tsaina. Raha ireo mbola manajary ny tany kosa, dia tsy mitombo ny velaran'ny tany volena, fa ny fiheverana ny hampitombo ny (...)
  • Fiarovana ny omby gasy

    Ampidiro amin’ny rafim-panabeazana

    lundi 10 novembre 2008 | Penjy R. |  847 visites
    Telo andro no naharetan'ny fampirantiana momba ny tantaran'ny omby gasy tetsy amin'ny Tahala Rarihasina Analakely. Telo andro nampahafantarana ny olona nitsidika tao ny maha-harena ity omby gasy ity. Fikarohana manokana momba ny omby gasy no nataon'ny profesora Tsiavaliky Celestin manerana ny nosy. Isan'io ny momba ny volon'omby sy ny fomba fiteny isam-paritra entina hanononana ireny volon'omby ireny. Voalaza fa dimy fotsiny ireo renin'ny volon'omby gasy eto amintsika izay nahazoana (...)
  • Kaominina andrenivohitra

    Manomboka anio ny sazy

    lundi 10 novembre 2008 | Penjy R. |  767 visites
    Tsy andeferana intsony ireo miniha mandika ny fepetra napetraka. Io no nambaran'ireo tompon'andraikitra misahana ny polisy kaominaly eto amin'ny tanana, satria ampy izay ny filazana ny tokony hanajana ny lalana isan-karazany. Momba ny fipetrahan'ireo mpivarotra fiara etsy Analakely sy ireo mpanamboatra finday io. Hanao be midina eny amin'io faritra Analakely io ny mpiasan'ny kaominina anio maraina. Ho raofina avy hatrany ireo fiara mbola mijanona eny amin'ireo fariotra natokana hanaovana (...)
  • Jeneraly Razakarimanana

    Omeo fanabeazana ny vahoaka

    samedi 8 novembre 2008 | Penjy R. |  584 visites
    "Aleo ho an'ny mpanao politika ny politika, ary ny mpandraharaha tokony hipetraka any amin'ny anjara asany. Raha io no tanteraka, dia vetivety dia ho tafavoaka ity firenena ity". Fanambaran'ny Jeneraly Razakarimanana Ferdinand io manoloana ny fifidianana niseho tany Etazonia farany teo. Ny demokraty sy ny repoblikana, dia nahay nijery ny tombontsoa iraisana ho an'ny fireneny. Nametraka ny adilahy politika, izay tsy fahita any. Tsy toy izay kosa anefa ny eto, satria tsy voapetraka amin'ny (...)
  • Nivadika ny pejy

    Nandresy ingahy Barack Obama avy amin’ny demokraty

    vendredi 7 novembre 2008 |  508 visites
    Lavony tamin'ny isam-bato 338 i Mc Cain avy amin'ny repoblikana izay vato 155 monja no azo tamin'ireo mpifidy vaventy. Sambany hoy ny maro, vao mba nisy filoha mainty tany Etazonia, ary antenaina ny hitondra rivo-baovao eo amin'ny lafim-pianan'ny vahoaka Amerikana maro izay nahatafakatra azy ho filoham-pirenena izao. "Hanangana an'i Amerika ho amin'ny toerana sahaza azy aho", hoy ingahy Obama omaly tao Chicago raha nikabary voalohany, ary ho iray isika vahoaka Amerikana manontolo. Tsy nisy (...)
  • Manandafy Rakotonirina

    Feno 70 taona

    jeudi 6 novembre 2008 |  1758 visites
    70 taona niainana Atoa Manandafy Rakotonirina, filohan’ny MFM. Tany Sahamadio Fisakana Fandriana izy no teraka ny 31 oktobra 1938. Fito ny zafikeliny, ary mizioga “Grand Croix de 2ème classe de l’Ordre National” nanomboka tamin’ny jolay 2003 izy. “Izahay sy ry Ratsiraka sy De Gaulle io”, hoy Atoa Manandafy ho valin’ny fiarahabana ny “maingoka” natao azy. Tonga dia ny fanagasiana avy hatrany no narangarangany. Tsy endrika fanagasiana tamin’ny 1972 araka ny itiavan’ny sasany hitarihana intsony ny resaka (...)
  • Rano fisotro madio ao Ilakaka

    Ar 51 tapitrisa no nanamboarana lava-drano 12

    jeudi 6 novembre 2008 |  539 visites
    Vokatry ny fiaraha-miasa teo amin’ny mpandraharaha “thailandais” izay mipetraka ao Ilakaka sy ny kaominina Ranohira dia lava-drano miisa 12 no namboarina tao amin’ny fokontany Andohan’Ilakaka mba hanamaivanana ny fahasahiranan’ny mponina eo amin’ny rano fisotro madio. Hatramin’izay mantsy dia rano amin’ny vovo no nampiasain’ny ankamaroan’ny olona ka tsy nahagaga raha betsaka ny aretin-kibo tany an-toerana. Ireo izay tsy manana vovo dia mividy rano Ar 100 ny iray siny. Efa vita soa aman-tsara moa (...)
  • Loa-bary andasin’ny MAP

    Be ireo olom-boatendry ho very seza

    jeudi 6 novembre 2008 |  483 visites
    Alohan'ny faran'ny taona 2008, dia hanao jery tombana ny asa vita nandritra ny taona ny fanjakana. Ho hita taratra ao na tena tafatsangana ny rindrina, ary voatafo ny trano na tsia. Loa-bary andasin'ny MAP izy ity, ka ireo asa mbola tsy vita, dia ho fantarina ao ny antony tsy naha-tontosa izany. Fepetra iray isan'ny hipetrahan'ny ezaka eo amin'ny oom-boatendry sy ny olom-boafidy ny toy izao. Ho hitan'ny vahoaka eo mantsy izay tsy nahay ny asany. Tsy fotoan'ny andrakandrana intsony izao, fa (...)
  • Raharaha tany Ihorombe sy Farafangana

    Hivoaka rahampitso ny didim-pitsarana

    mercredi 5 novembre 2008 |  455 visites
    Olona iray no nifidy in-droa. Io no votoatin'ny fitorian'ny kandida mpifanandrina amin'ny ben'ny tanana ankehitriny tany amin'ny kaominin'Ihorombe, distrikan'i Farafangana. Rahampitso alakamisy no ahafantarana ny marina momba ity raharaha ity. Teo amin'ny elanelam-bato 92 no nanasaraka ny vaton'ny ben'ny tanana ankehitriny Rasoa Florence Dorothee, sy ity kandida mpifanadrina aminy ity. Tsy nahita lesoka afa-tsy io olona nifidy in-droa io, izay tsy fantatra ny antony nahatonga izany ny maro, (...)
  • Otrikafo" tsy tia vahiny

    Halanay ny mpangeja, hoy Rajaonah

    mardi 4 novembre 2008 |  722 visites
    "Tsy ny "Otrikafo" no tsy tia vahiny, fa ny fomba fangejany eto no tsy ekenay Otrikafo. Io no nambaran'ingahy Ranjaonah Mpitarika ity fikambanana ity. Maro ny tetika politika ampetraky ny vahiny eto. Tsy azo ekena ireny raha hambotry ny harentsika eto. Toherinay hatramin'ny farany io. Ho avy ny vahiny maro manomboka ny taona ho avy iny. Hitondra inona ho antsika izany. Amin'ny Otrikafo, dia tsy fotoana handraisantsika ny fivorian'ny vondrona Afrikana sy ny Frankaofonia izao. Efa zato taona (...)
  • Ralison Roger sy ny PRM

    Misy manolo-bato mafana i Ravalomanana

    mardi 4 novembre 2008 | Penjy R. |  1051 visites
    Aoka ny tena marina no hambara amin'ny filoham-pirenena, fa tsy hotoroana vohana izy. Fanazavana nentin'ingahy Ralison Roger tao amin'ny Aceem Radio ny alahady atoandro teo. Tsapa fa betsaka ny resaka azo hifandinihana nefa toa tsy ahitana izany firy ireo olona manodidina azy. Fotoana ilana ny fikaonan-doha izao, satria sao dia tara loatra. Ampetraho hanana ny toerany ireo manam-pahaizana Malagasy. Tsy ho voatery ny vahiny hatrany no hanana ny anjara-toerana amin'izany eto amintsika. Omeo (...)
  • Fanavaozana ny rafi-pampianarana

    Hamakafaka ny Fiangonana katolika

    lundi 3 novembre 2008 |  793 visites
    Fanambarana miezinezina ny navoakan'ny Diosezin'Antananarivo taorian'ny sinoda lehibe notanterahiny teto Antananarivo ny 29 oktobra ka hatramin'ny 2 novambra. "Manoloana ny fanavaozana ny rafi-pampianarana aroson'ny Fanjakana dia tsy maintsy manadihady ny Fiangonana ka hijery akaiky ireto lafin-javatra ireto. Na manaja ny soa toavina maha-mpino kristiana sy izay takian'ny maha-olona ny fanavaozana atao, na sodokan'ny tanjona tsara endrika, na voagejan'ny mpamatsy vola ka voatery manaraka (...)
  • Sinoda katolika

    Zava-dehibe ny fanavaozana ny làlam-pifidianana

    lundi 3 novembre 2008 | Herimanda R. |  428 visites
    Naneho ny heviny mahakasika ny raharaha politika eto anivon'ny firenena ny sinoda katolika eto amin'ny diosezin'Antananarivo. "Ho fandraisan'anjara misimisy kokoa amin'ny fampivoarana ny fiainan'ny olona, dia heverin'ny Fiangonana fa zava-dehibe ny fampahafantarana ny olona ny Lalàmpanorenana sy ny fanavaozana ny làlam-pifidianana". Isan'ireo fehin-kevitra nivoaka teo anivon'ny sinoda izany izay nambara ampahibemaso omaly nandritry ny fotoam-pamaranana. Navoitra tao anatin'izany (...)

0 | ... | 80 | 100 | 120 | 140 | 160 | 180 | 200 | 220 | 240 | ... | 900

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS