Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
vendredi 29 mars 2024
Antananarivo | 12h59
 

Malagasy

Nivadika ny pejy

Nandresy ingahy Barack Obama avy amin’ny demokraty

vendredi 7 novembre 2008

Lavony tamin’ny isam-bato 338 i Mc Cain avy amin’ny repoblikana izay vato 155 monja no azo tamin’ireo mpifidy vaventy. Sambany hoy ny maro, vao mba nisy filoha mainty tany Etazonia, ary antenaina ny hitondra rivo-baovao eo amin’ny lafim-pianan’ny vahoaka Amerikana maro izay nahatafakatra azy ho filoham-pirenena izao. « Hanangana an’i Amerika ho amin’ny toerana sahaza azy aho », hoy ingahy Obama omaly tao Chicago raha nikabary voalohany, ary ho iray isika vahoaka Amerikana manontolo.

Tsy nisy rahoraho teo amin’ny andaniny sy ny ankilany mpifanandrina, fa dia nifampiarahaba sy nifampirary soa ny kandida roa lahy. Fahitana eran-tany izany ho an’ny firenena mandroso, fa fifaminganana kosa ho an’ny tany andàlam-pandrosoana toan’i Madagasikara. Io hiarahana mahita io hatramin’izao, ny zava-misy eto Madagasikara. Na dia efa manaiky ny mpitondra eto aza izao tontolo izao, dia misy mbola milaza fa tsy filoham-pirenena io. Tsy mipetraka intsony ny mety ho endrim-piaraha-miasa, fa ny fanonganana hatrany no mitoetra amin’ny mpanao politika sasany. Tsy ho gaga isika, raha maro ny firenena niray làlana tamin’i Madagasikara, efa manana ny anjara toerany eo amin’ny lafiny toe-karena. Isika kosa mba aiza raha mihoatra amin’io ? Nivadika ny pejy ho an’ny Amerikana. Hitondra inona ho antsika izany ? Sao dia mba fakan-tahaka ny firariantsoa teo amin’ireo kandida nifaninana tany Etazonia ? Sa ny mety any amin’ny firenena matanjaka, tsy mety aty Madagasikara ?

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS