Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
jeudi 25 avril 2024
Antananarivo | 22h13
 

Malagasy

Fanavaozana ny rafi-pampianarana

Hamakafaka ny Fiangonana katolika

lundi 3 novembre 2008

Fanambarana miezinezina ny navoakan’ny Diosezin’Antananarivo taorian’ny sinoda lehibe notanterahiny teto Antananarivo ny 29 oktobra ka hatramin’ny 2 novambra. « Manoloana ny fanavaozana ny rafi-pampianarana aroson’ny Fanjakana dia tsy maintsy manadihady ny Fiangonana ka hijery akaiky ireto lafin-javatra ireto. Na manaja ny soa toavina maha-mpino kristiana sy izay takian’ny maha-olona ny fanavaozana atao, na sodokan’ny tanjona tsara endrika, na voagejan’ny mpamatsy vola ka voatery manaraka fotsiny izay fepetra apetrany ».

Arak’izao fanambarany izao, misy ny ahiahy tsy ihavanana mipetraka manoloana ity rafi-pampianarana vaovao ity. Handray ny andraikiny ny Fiangonana ka hiditra lalina hahafantatra ny tena marina. Misy ny tetik’ady napetrany ahatongavana amin’izany. « Takiana ny famakafakana ifotony sy ny fikaonan-doha ara-drariny mba ho resy lahatra ny rehetra fa tena mitombina ny tanjona hotratrarina » hoy ny fehin-kevitra nivoaka teo anivon’ny sinoda.

Naneho ny fahavononany hiara-hiasa ny Fanjakana

Tsy niandry ela ny valin-teny avy amin’ny Fitondram-panjakana. Toy izao ny ampahan’ny lahateny nataon’ny Praimnisitra nandritry ny Sorona masina ho famaranana ny Sinoda natao tetsy Mahamasina omaly. "Efa miroso amin’ny sekoly vaovao dia ny sekoly vaovao ho an’ny ampitso isika. Efa nisy nisy ny fiaraha-miasa, ary mbola hisy ny fiaraha-miasa ho an’ny tombotsoan’ny Malagasy. Ny Fanjakana mijoro ankehitriny dia Fanjakana vonona

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS