Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
jeudi 25 avril 2024
Antananarivo | 19h30
 

Malagasy

Manandafy Rakotonirina

Feno 70 taona

jeudi 6 novembre 2008
Manandafy mitondra ny zanany vavy nijery “Zafindraony Fifohazana” tao Antsahamanitra

70 taona niainana Atoa Manandafy Rakotonirina, filohan’ny MFM. Tany Sahamadio Fisakana Fandriana izy no teraka ny 31 oktobra 1938. Fito ny zafikeliny, ary mizioga “Grand Croix de 2ème classe de l’Ordre National” nanomboka tamin’ny jolay 2003 izy.

“Izahay sy ry Ratsiraka sy De Gaulle io”, hoy Atoa Manandafy ho valin’ny fiarahabana ny “maingoka” natao azy. Tonga dia ny fanagasiana avy hatrany no narangarangany. Tsy endrika fanagasiana tamin’ny 1972 araka ny itiavan’ny sasany hitarihana intsony ny resaka amin’izao 2008 izao.

Demokrasia

Tsy tontosa araka ny ikendrena azy ny demokrasia raha tsy avoaka amin’ny teny gasy ny didim-pitsarana. Tsy lojika mihitsy ny didy avoaka amin’ny teny frantsay satria tsy azon’ny voakasiky ny raharaha akory. Vahiny eto amin’ny tanintsika isika satria voatery mitady mpandika teny. Tokony hihazakazahana ny momba io sehatra io fa manohitohina ny demokrasia izany.

“Plurilinguisme”

Noraisin’Atoa Manandafy ohatra ny firenena eoropeana 27 mitambatra lalam-bola “euro” sy làlam-barotra “marché commun”. Farafaharatsiny dia tokony hahay tenim-pirenena 24 ny manampahaizana eoropeana raha te hifehy tsara ny làlam-barotra sy ny làlam-bola ao anatin’io sy ny fiainan’ny olona.

“Isika mampiasa ny teny frantsay sy teny anglisy amin’ny fiarahana amin’ny COI sy ny COMESA ary ny SADC. Tsy averina any amin’ny 1972 intsony ny resaka, tsy “bilinguisme” intsony fa “plurilinguisme” no tokony ho tratrarina raha te hifehy fandrosoana sy lalam-bola ary lalam-barotra eto amintsika isika. Izay tandrify antsika aloha, satria hatramin’ny teny arabo aza mila kirakiraina”.

“Crise financière”

Ho valin’io fanontaniana io dia nilaza Atoa Manandafy fa voatery ny Fanjakana manao fanitsiana rehefa mikatso toa izao ny lalam-bola. Volam-panjakana sy fahefam-panjakana no miantoka ny banky rehefa teraka toa izao ny tsy fampitokisana amin’ny mpampindram-bola mamatsy ny banky. Tsy inona anefa ny volan’ny Fanjakana fa ny hetra, izany hoe ny herim-pon’ny vahoaka. Miverina miditra amin’ny fitantanana ny làlam-bola izany izao ny fahefam-panjakana. Efa izay no misy any Etazonia, Eoropa, Chine, Arabie Saoudite... Vola entina miasa io lazaina hoe volam-panjakana io.

Raha ny hevitr’i Atoa Manandafy dia tafiditra amin’ny fahasahiranana isika vokatry ny krizy, satria ny fifandanjan’ny karama sy ny vidim-piainana tsy mifanentana. Ny karama ambany loatra eto amintsika raha ampitahaina amin’ny vidim-piainana lafo. Misondrotra haingana mihitsy ny vidin-tsakafo, tsy mifanentana amin’ny karama raisin’ny olona. Izay no anisan’ny endrika hitrangan’io krizy io eto amintsika. Haingana izany, ny mazava indrindra dia ny vidim-bary, mofo, lafarinina, ny zavatra hafarantsika avy any ivelany ireny. Ady hevitra be hatrehina ato ho ato ny mikasika ny zon’ny mpiasa sy ny karama araka izany. Dia sahala amin’izany koa ny valin-kasasaran’ny mpamboly sy mpiompy. Hiteraka ady hevitra be mihitsy io satria tsy mifandanja amin’ny vidin’ny tsena iraisam-pirenena.

Vola vahiny

Ny tsy fahaizantsika mitrandraka ny harena voajanahary ao an-kibon’ny nosintsika sy anaty ranomasina ary ambonin’ny tanintsika no nanery antsika amin’ny fanalalahana. Tonga ny mpampiasa vola miaraka amin’ny olona mahay mitrandraka ny harena efa nisy hatramin’izay eto amintsika : harena ambanin’ny tany, ambonin’ny tany, zava-manan’aina, zava-maniry, trondro. Ilàna vola avy any ivelany “investissement direct étranger”, izany hoe olona na kaompania mahay mitrandraka izany, satria any ivelany rahateo no làlam-barotra ahitana ny famelomana an’ireo. Kely loatra ny tsenantsika Malagasy ka tsy ahaveloman-javatra lehibe sy fihariana. Ohatra mazava tsara amin’izany ny QMM, tsy maharaka ny zavatra takiany ny fihariana misy eto amintsika amin’ny resaka sakafo sy trano fonenana fotsiny.
Manampahaizana teran-tany

Mitaky ezaka be dia be amintsika izany. Mila mamokatra manampahaizana maro isika amin’ny sampana rehetra, ary hihazakazahana izany fa tsy mitaredretra. Mila mahalala tsara ny dingana tratrarina, sy ny ezaka atao fa tsy mijanona fotsiny amin’ny resaka ady amin’ny fahantrana. Miteraka fiovana eo amin’ny asam-piveloman’ny olona izay asa vao tonga izay. Efa manomboka mamboly legioma ny any anindrana, fa tsy mihonona fotsiny intsony amin’ny voatabia sy ovy avy aty afovoan-tany. Manomboka mandeha koa ny fizahantany.

Obama

Nitsotra Atoa Manandafy fa raha ny safidiny dia mazava fa mitempo ho an’ny Kandida Barack Obama ny fony. Izy no mambran’ny “International Liberal” amin’ny maha Demokraty azy, hoy izy. Ankoatra ny maha mainty hoditra azy dia manan-tsaina ilay olona, araka ny fitsaran’Atoa Manandafy, ka hitondra fiovana be amin’ny fiainan’izao tontolo izao sy ny firenena amerikana raha izy no lany. Anisan’ireo nahazo fanasan’ny Ambasady amerikana amin’ny fiaraha-misakafo amin’ny Alarobia maraina ny MFM.

Vovonana

Nahemotra amin’ny aprily 2009 ny Vovonana MFM saika hatao amin’ny desambra izao satria tsy ho eto an-toerana Atoa Manandafy, filoha nasionaly. Manamafy ny fananganana ny ALDR aloha no imasoan’ny antoko, araka ny filazany. Mifanindry indrindra amin’ny fivorian’ny “International Liberal” (IL) hatao any Bangkok ilay vovonana. Nilaza izy fa tena ilaina ny ezaka fanatevenana ny fifandraisana amin’ny any ivelany. Tsy azo ialana io fivoriana io satria izy mambran’ny Komity mpanatanteraky ny IL. Samy hitondra ny heviny ny lehiben’antoko rehetra mivondrona amin’ny IL. Zava-dehibe no ho dinihina araka izany satria ao anatin’izao krizy ara-bola iraisam-pirenena izao no hikaon-doha.

Nanangona Razaka Oliva

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS