Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
vendredi 26 avril 2024
Antananarivo | 23h09
 

Malagasy

Tapatapany

lundi 17 novembre 2008 |  491 visites 

- Ny asabotsy teo no nidina teny amin’ireo faritra heverina fa mety hitrangan’ny tondra-drano ny ministry ny Rano sy ny avy ao amin’ny APIPA. Fitsidihana nampahafantarana ihany koa ny fahavitan’ireo fefiloha tsy hisian’ny tondra-drano eto Iarivo. Niara niaiky ny rehetra fa maro ireo asa vita, nefa hahasakana ny tsy hisian’ny tondra-drano ve izany amin’ireo tanimbary maro nototofana eto andrenivohitra toy ny etsy amin’ny Digue ?

- Manomboka anio ny sazy ho an’ireo olona manana fiara tratra mividy entana eny ampandehanana. Fepetra noraisin’ny tompon’andraikitra eo anivon’ny tanànan’Antananarivo mba hisoroana ny mety hisian’ny fitohanana be loatra sy ny mety hitrangan’ny loza. Hanafoanana miandalana ihany koa ireo mpivarotra mandehandeha mameno tanana ny toy izao.

- Mpiasa mahatratra 150 monina amin’ireo tranon’ny Madarail no fantatra fa nahazo taratasy fanalana azy ireo amin’ny toerany. Ireo mpiasa ireo dia voalaza fa ireo niala antsitra-po ny taona 2001. Mahatratra 600 ireo mpiasa ireo, saingy voalaza fa hatramin’izao dia mbola tsy nahazo ny zo tokony nomena azy ireo.

- Notoloran’ny ministry ny Kolontsaina mari-pankasitrahana i Mikea ny sabotsy maraina teo. Tamin’ny nahazoan’ity mpanakanto malagasy ity ny laharana voalohany tamin’ny hetsika nokarakarain’ny RFI. Ireo telo voalohany no nomena izao fanomezana ka ny minisitra Jean Louis Robinson no nitarika ny lanonana.

Nanangona Penjy R

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS