Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
vendredi 19 avril 2024
Antananarivo | 16h50
 

Malagasy

Rano fisotro madio ao Ilakaka

Ar 51 tapitrisa no nanamboarana lava-drano 12

jeudi 6 novembre 2008
Mbola sahirana ny renim-pianakaviana amin’ny fitadiavana rano fisotro madio any Ilakaka”.(Sary : NTA)

Vokatry ny fiaraha-miasa teo amin’ny mpandraharaha “thailandais” izay mipetraka ao Ilakaka sy ny kaominina Ranohira dia lava-drano miisa 12 no namboarina tao amin’ny fokontany Andohan’Ilakaka mba hanamaivanana ny fahasahiranan’ny mponina eo amin’ny rano fisotro madio.

Hatramin’izay mantsy dia rano amin’ny vovo no nampiasain’ny ankamaroan’ny olona ka tsy nahagaga raha betsaka ny aretin-kibo tany an-toerana. Ireo izay tsy manana vovo dia mividy rano Ar 100 ny iray siny. Efa vita soa aman-tsara moa amin’izao fotoana izao ireo fotodrafitr’asa namboarin’ny “thailandais” ireo saingy mbola tsy miasa. Araka ny nambaran’ny lefitry ny ben’ny tanànan’i Ranohira, Radany Manahira Pascal dia mitentim-bidy 51 tapitrisa Ariary ireo lava-drano manara-penitra vaovao izay napetraka isaky ny faritry ny toeram-pitrandrahana vato miisa 12.

Mbola tsy ampy moa ireo fotodrafitr’asa ireo raha ny filàn’ny mponina any amin’ity tanin’ny safira ity no resahina. Any amin’ireo toeram-pitrandrahana sasany mantsy dia rano maloto izay sady hanivanana tany hitadiavana safira no ampiasan’ireo olona amin’ny fikarakarana sakafo sy sotroina.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS