Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
vendredi 10 mai 2024
Antananarivo | 14h08
 

Articles dans la rubrique « Malagasy »

  • Rado

    Maty ilay poeta

    mercredi 17 septembre 2008 |  6347 visites
    Maty ny alin’ny alatsinainy 15 septambra, tamin’ny 12 ora i teo amin’ny faha 85 taonany Georges Andriamanantena, Poêta sady Mpanoratra fantatra amin’ny solon’anarana hoe « Rado ». Noho ny harerahana vokatry ny fahanterany sy ny aretim-po izay nitsaboana azy nandritra ny iray volana teny amin’ny « hôpital militaire Soavinandriana » no anton’izany. Efa nanao izay azony natao ny mpitsabo manoloana izany tsy fahasalamany izany. Omaly no niala teny amin’ny tranompaty teny Anjanahary ny nofo mangatsiaka ary (...)
  • Antoko Leader Fanilo

    Loabary andasy ho an’ny demokrasia

    mardi 16 septembre 2008 | Njaka |  481 visites
    Amin’izao fanamarihana ny andro iraisam-pirenena ho an’ny demokrasia izao, dia nanomana loabary andasy ny Leader Fanilo, nanasany ireo mpanao politika sy fiarahamonim-pirenena. Ny mpahay lalàna, Jean Eric Rakotoarisoa, Ny mpahay tantara, Lucile Rabearimanana, ny tanora mpandalina politika, Ketakandriana Rafitoson no nitondra fanazavana. Ho an’i Jean Eric Rakotoarisoa, dia nilaza fa tsy misy ny fahafahana ara-demokratika eto Madagasikara. Ny parlemanta no sehatra hisian’ny demokrasia, saingy (...)
  • Tanora tsy an’asa

    Ataon’ny hafa fitaovana

    lundi 15 septembre 2008 | Naivo kely |  524 visites
    Rehefa noana ny kibo mivezivezy ny fanahy. Ny kibo tsy mba lamosina hono mahazaka maniraka, ka tsy ho gaga isika raha tsy mifidy iraka hampanaovina azy ny tanora tsy an’asa eto amintsika. Irakiraka etsy sy eroa no zary mameno ny androm-piainan’ny tanora. Asa ihany anefa no hampanaovina azy ireny, saingy tolotra kely zara raha vaza mihetsika no tambiny ny asa ataony. Miainga amin’ny filazana fa mianatra asa aloha. Mahavita zavatra betsaka noho ny tena mpiasa ara-dalana izy ireny. Rhefa tonga (...)
  • Toamasina

    Nirehitra koa ny Esplanade Bazar-kely

    samedi 13 septembre 2008 | Volana R. |  952 visites
    Tsy afa-bela mihitsy ilay renivohitra ara-toekaren’I Madagasikara. Nirehitra nanomboka tamin’ny 8ora sy fahatelony,omaly alina, ny Esplanade Bazar-kely, aorian’ny Tranoavo. Nisahotaka ny rehetra. Ny mangorona entana mangorona entana. Ny mangalatra manao ny ataony. Ny mpamonjy voinan’ny kaominina, ny zandary, polisy kaominaly sy nasionaly, miara-misalahy amin’ny famonjena indray no sahirana amin’ny famitana ny asany. Niezaka ny hamono ny afo ny mpamonjy voina, satria dia nitatra be izay tsy izy. (...)
  • Fanovana ny Fanabeazana

    « Roso, tsa mipody intsony ! »

    samedi 13 septembre 2008 | Volana R. |  808 visites
    Vonona ny fanjakana sy izay sekoly hampihatra ny fanovan-drafitra, "ary tsy hijanona raha tsy tody hatramin'ny farany. Fanabeazana mitodika amin'ny famolavolana olom-pirenena afaka mamakafaka sy mandanjalanja, mikaroka sy manatsara hatrany ny zava-bitany ka hahatonga azy ho mpikatroka tompon'andraikitra, ho fampandrosoana ny faritra misy azy sy ny tanindrazana iombonana". Vonona ihany koa ny fitaovana, ka boky 790.000 ho an'ny T.1, ary 702.000 ho an'ny T.6 no voatonta sy hozaraina amin'ny (...)
  • Bazary Ankirihiry

    10 tapitrisa Ar. avy amin’ny filoha nasionaly TIM

    vendredi 12 septembre 2008 | Gilbert R. |  401 visites
    Vola mitentina 10 tapitrisa Ariary no natolotry ny filohan’ny Antenimieran-doholona no sady filoha nasionalin’ny antoko TIM, Yvan Randriasandratriniony, entina hanampiana ireo olona traboina noho ilay haitrano mahatsiravina nitranga tao amin’ny bazary Ankirihiry, ny alarobia faha 10 septambra 2008 . Nampahery ireo fianakaviana maro niaran-doza ny tenany ary nankasitraka ihany koa ny fisian’ny firaisan-kina teo amin’ny mpitondra fanjakana any an-toerana nifanome tànana sy tsy nikely soroka (...)
  • Taratasin’ny mpamaky

    An’ny rehetra

    vendredi 12 septembre 2008 |  557 visites
    « Fanontaniana kely mikasika ny fanagasiana. Maheno sy mamaky foana amin'ny gazety aho ilay teny "génération sacrifiee". Inona marina ilay sacrifice ? Tsy nahay teny frantsay ve ny "sacrifice" na sorona sa tsy nandroso mihitsy isika satria tsy nahay teny frantsay. Sao kosa tamin'iny fotoan'andro iny tsy nandeha ny toe-karena ka voa daholo isika mianakavy. Ny tiako lazaina dia hoe raha tsy nisy ny fanagasiana izany dia tsy nisy ny sorona. Raha ny fahazoako azy izany dia ny sorona (sacrifice) (...)
  • Kaominina eto andrenivohitra

    Hitokona ireo mpiasa voahilikilika

    vendredi 12 septembre 2008 | Penjy R. |  528 visites
    Ny etsy miravona, ny olana hafa mipoitra indray. "Rehefa tsy hisy fitsimbinana ny momba anay mpiasa, dia mety hiafara amin'ny fitokonana faobe izy ity". Io indray no nambaran'ireo mpiasa eo anivon'ny kaominina Antanananarivo renivohitra. "Tafiditra hatrany anatin'ny asanay ny resaka politika, ka napetraka anjorom-bala izahay mpiasa efa niasa amam-polo taona maro". Ny fitakiana ny hampiakarana azy ireo ho ELD no fiandohan'ny resaka. 5 taona niasana ny kely indrindra, nefa mbola ECD ihany (...)
  • Fanondranana hazo

    Kaontenera maro tavela ao Toamasina

    jeudi 11 septembre 2008 | Njaka |  592 visites
    Kaontenera maro mitondra hazo haondrana any ivelany no tavela ao amin’ny seranantsambon’i Toamasina nanomboka tamin’ity herinandro ity. Ny antony, niova ny fomba fiasan’ny minisiteran’ny Tontolo iainaan sy ny Ala. Tsy haingana toy ny hatramin’izay intsony fa nitarazoka andro maromaro vao vita avokoa ny fanarahamaso rehetra. Raha ny fombahatramin’izay hoy ireo mpandraharaha mpanondrana hazo, rehefa tonga ao Toamasina ireo hazo, toy ny sapin, dia iray andro ihany no atao ny fanarahamaso, (...)
  • Andry Rajoelina

    Tsy ekena ny jadona

    mercredi 10 septembre 2008 |  2464 visites
    Nivoaka ny fahanginana i Andry Rajoelina omaly hariva. Notanisainy ireo « antsojay » sy ny « tsy rariny » mihatra amin’ny tanànan’Antananarivo. Avy eo nanindry mafy izy fa « jadona » no iainan’ny olomboafidy eto an-drenivohitra. Henjana tokoa ny teniny ary nampitroatra azy ny fidinan’ny minisitry ny Rano teny Andralanitra nanamafy fa « eo ambany fitantanan’ny ministera ny SAMVA manomboka izao. » Sampan-draharaha momba ny fanadiovana ny tanàna ny SAMVA ary ny Ben’ny tanàna hatrizay no filohan’ny (...)
  • Antananarivo • Savorovoro politika

    Tonga saina ny faritra iva

    mercredi 10 septembre 2008 | Manou |  1651 visites
    Tsy an-kiato intsony tao ho ao ny ankamely politika ifanaovan'ny samy "mahery" eto amin'ny firenena, indrindra ny eto Antananarivo. Misy fiantraikany amin'ny fiainana ara-piaraha-monin'ny vahoaka hatrany anefa ny tranga toy ireny, araky ny efa niainan'ny rehetra nandritra ireny vanim-potoana isan-karazany ireny, ka manomboka tsy ho voafahan-dalitra intsony ny eny amin'ny faritra be mponina eto an-drenivohitra, tondroin'ny mpahay ho faritra iva, amin'izao fotoana izao... Tsy ho fitaovana Tsy (...)
  • Kaominina sy fanjakana

    Alamino sao mikorontana, hoy Ramampy Zenaïde

    mercredi 10 septembre 2008 | Penjy R. |  906 visites
    Raha tena mipetraka eo amin'ny fanjakana sy ny kaominina ny fitiava-tanindrazana, dia tokony ahay hifandamina izy ireo. Tsy izao fifandirana isaky ny masoandro miposaka izao no heverina fa ahafahana mampandroso haingana ny tanàna. Io no fanambarana nataon-dramatoa Ramampy Zenaïde, filoha lefitry ny Antenimieram-pirenena teo aloha ary mpikambana tao amin'ny TIM. Matahotra ny hisian'ny korontana ny tenany, satria toy ny vao omaly ny zava-nitranga nandritra ny raharaha 2002 ireny. Izao sahady ve (...)
  • Korontana niseho tao ho ao

    « Sao mandrora mitsilany », hoy ny MFM

    mardi 9 septembre 2008 |  1000 visites
    Mametraka ahiahy momba ny tranga niseho tao ho ao ny MFM. Ny antony, dia atomotra ilay fandraisantsika ilay fivoriana an-tampony hatao eto Madagasikara ny vola Jolay 2009 ho avy izao. Ny korontana eto anefa dia miseho ihany. Ny mpanohitra mitarika olona hidina andàlam-be, ny mpitondra kosa tsy mitsahatra ny mampiditra am-ponja ny tsy mitovy hevitra aminy. Mandrora mitsilany isika, satria ny vola tokony ho nanaovana asa sosialy efa natobaka nanaovana ireo fotodrafitr'asa. Ny fivoriana anefa (...)
  • Fanehoan-kevitra

    Tsy mila mpanakorontana ny TIM

    lundi 8 septembre 2008 | Penjy R. |  533 visites
    Mitohy ny asa ataon'ny antoko Tiako I Madagasikara. Tsy maintsy voapetraka hatramin'ny faran'ny volana Oktaobra izao ny rafitra rehetra. Misokatra ho an'ny olona tsara sitrapo ny fampandrosoana, saingy tsy hiaraka amin'ny mpanakorontana. Io no nambaran'ny filohan'ny TIM Ivan Randriasandratriniony ny sabotsy teo tetsy Ankorondrano. Namaliana avy hatrany ireo resabe nandeha teto amin'ny tanàna tao ho ao ihany koa io fihaonany tamin'ny mpanao gazety io. Aoka tsy hialokaloka amin'ny tsy (...)
  • Korontana

    Vono olona 35 ny enim-bolana voalohany

    lundi 8 septembre 2008 | Hery A. |  509 visites
    Mirongatra ny asan-jiolahy manerana ny Nosy, raha izay enim-bolana voalohany amin'ity taona ity no nanangonana antontan'isa teny anivon'ny mpitandro filaminana ambanivohitra. Nahatratra 106 no isan'ny tranga nahian'ny mpitandro filaminana ka ny teto amin'ny manodidina an'Antananarivo no nahitana tranga be indrindra, raha voamarika fa ny fari-piadidian'ny Fianarantsoa no loha laharana tamin'ny taona 2007. Ny fari-piadidian'ny Toamasina kosa no nahaverezana fananana be indrindra satria (...)
  • Famoriam-bahoaka

    Nihemotra ny mpanohitra

    samedi 6 septembre 2008 | Naivo kely |  710 visites
    Tsy nahazo alalana hanao famoriam-bahoaka ny mpanohitra anio. Ny antony dia efa misy mampiasa io kianja mitafon'ny mahamasina io ny asabotsy. Nisy ny fitadiavana vaha-olana nataon'ny tompon'andraikitra hafa eto amin'ny tanana hanomezana azy ireo ny ao ambadiky ny kianja mitafo, saingy nilaza indray ireto mpanohitra miara-diha ireto, fa aleo amin'ny manaraka fa mbola tsy vonona? Inona no anton'ity fihemorana tampoka ataon'ny mpanohitra ity, nefa efa nomena toerana malalaka haneho ny (...)
  • Antananarivo renivohitra

    Manimba zavatra ny lonilony politika

    vendredi 5 septembre 2008 | Hery A. |  665 visites
    Voafatotry ny loko politika tanteraka ny tanànan'Antananarivo amin'izao fotoana izao ka manomboka miseho tsikelikely ny fiantraika ratsiny. Ny zavatra efa nampoizina hatramin'ny fampielezan-kevitra sy ny fanehoan-kevitra tetsy sy teroa taorian'ny fifidianana ben'ny tanàna no miseho ankehitriny. "Ho potika ny zava-bitan'ny PDS teo aloha", hoy ny sasany. Hitombo be dia be ny takela-by ho an'ny dokam-barotra", hoy ny sasany. Ity takela-by ity moa no nalaza tamin'izany, sady nisy rahateo ny (...)
  • Filaharana vola

    Tokony tsy ampijaliana ny beantitra

    jeudi 4 septembre 2008 | Hery A. |  404 visites
    Isan-tapabolana eo no ahitana ny olona mitandahatra maka vola amin'ny banky eto an-drenivohitra. Mpandray karama ny ankamaroan'izy ireny ka amin'ireo fotoana fivoahan'ny vola io maha be mpilahatra azy io, dia ny faha 15n'ny volana sy ny faran'ny volana. Raha natao fanadihadiana ny sasany amin'izy ireo dia saika mifaoka ny vola rehetra ao anatin'ny kaontiny. "Io aza tsy ampy" hoy ny sasany. "Tsy ajanonay ao ny volanay", hoy ny hafa. Tokana ny noheverina ho tombontsoa hoy ireo mpiasa dia ny (...)
  • Voly vary maro anaka

    Miditra an-tsehatra ny mpanao Filma

    jeudi 4 septembre 2008 | Naivo kely |  460 visites
    Hifanotofan'ny vahiny i Madagasikara. Samy mitondra izay voatsirambin'ny tanany izay rehetra liana amin'ny fampandrosoana ity nosy ity. Andro vitsy lasa izao no nigadona eto amintsika ny mpanao filma malaza eran-tany dia ingahy Jim Carey. Tsy hampianatra Filma an-dry Avoko na ry Volatiana sy ny hafa anefa izy fa hanome ny fahaiza-manaony eo amin'ny lafiny fambolena. Ny voly vary maro anaka no tena hifantohan'ny ity mpanao sary mihetsika ity, izay delegasiona maro izy ireo no tonga eto. Efa (...)
  • Fidiran’ny mpianatra

    Hifanotofana ny boky tonta

    mercredi 3 septembre 2008 | Naivo kely |  393 visites
    Na dia kely aza ny elanelana, sitrany ahay vaza mihetsika. Io no teny miverimberina eny amin'ireo ray aman-drenin'ny mpianatra miantsena etsy Ambohijatovo, mpivarotra boky tonta. Lafo ny boky vaovao, ka ety no heverina fa mba mifanahatsahana amin'ny vola eo ampelan-tanana. Tsy dia lafo manao ahoana ihany koa ny vidiny. Ho an'ny ankizy any amin'ny kilasy fanombohana, Ar 3000 ny fianarana mamaky teny sy manoratra. Ny bokin'ankizy fianarana teny Frantsay kosa dia Ar 2000, ary arakaraky ny (...)

0 | ... | 160 | 180 | 200 | 220 | 240 | 260 | 280 | 300 | 320 | ... | 900

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS