Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
vendredi 26 avril 2024
Antananarivo | 03h57
 

Malagasy

Fanovana ny Fanabeazana

« Roso, tsa mipody intsony ! »

samedi 13 septembre 2008 | Volana R.
Ny filoham-pirenena avy nanolotra ny taratasy manendry ireo mpampianatra.

Vonona ny fanjakana sy izay sekoly hampihatra ny fanovan-drafitra, « ary tsy hijanona raha tsy tody hatramin’ny farany. Fanabeazana mitodika amin’ny famolavolana olom-pirenena afaka mamakafaka sy mandanjalanja, mikaroka sy manatsara hatrany ny zava-bitany ka hahatonga azy ho mpikatroka tompon’andraikitra, ho fampandrosoana ny faritra misy azy sy ny tanindrazana iombonana ».

Vonona ihany koa ny fitaovana, ka boky 790.000 ho an’ny T.1, ary 702.000 ho an’ny T.6 no voatonta sy hozaraina amin’ny mpianatra dieny ity taom-pianarana ity. Efitrano fianarana 1.000 kosa no an-dàlam-panamboarana handraisana azy ireo sy eny amin’ny toerana tsy ampy fotodrafitrasa.

Zava-dehibe ny tenim-pirenena

Mpampianatra 2800 no nahazo fiofanana, teny amin’ny toeram-panofanana miisa 16 manerana ny Nosy. Natolotra azy ireo ny taratasy didim-panjakana manendry azy tsirairay amin’ny toerana hiasany. Miroso avy hatrany amin’ny fampiasana ny tenin-dreny ho fitaovana ianarana ny sekoly malagasy. « Zava-dehibe tenim-pirenena », hoy ny filohan’ny Repoblika, Ravalomanana Marc. Ankoatra ny fahaiza-mitariky ny tompon’andraikitra, dia hitoetra tanteraka ny fahatokisan’ny mpampianatra eo amin’ny fampitana ny fahalalàna amin’ny ankizy beaziny. Torak’izay ihany koa, afaka hifandray ny ray aman-dreny sy ny zanany".

Nohazavain’ny minisitry ny Fanabeazana, Ralambomanana Stangeline, fa isan’ny sakana teo amin’ny fifandraisan’ny ray aman-dreny sy ny mpianatra ny tsy fitovian’ny teny ibeazana any an-tokantrano.

Resy lahatra ny mpiara-miombona antoka

Fanabeazana ho an’ny rehetra no tanjona, ka toerana lavitra sy saro-dàlana indrindra amin’ny Cisco 20 amin’ireto distrika ireto : Ambalavao, Ambositra, Ambanja, Ambatolampy, Amparafaravola, Ankazobe, Antanifotsy, Antsohihy, Betroka, Fandriana, Fenoarivo Atsinanana, Mananjary, Marovoay, Moramanga, Nosy-Be, Sakaraha, Soaviandriana, Vatomandry, Vohipeno, no hampiharana ny fanovana. « Nilaozan’ny toetr’andro ny rafitra teo aloha ary tsy maintsy hampifanatonana amin’ny tanjon’ny fampandrosoan’ny taona arivo fahatelo. »Vola mitentina 85 tapitrisa dolara no enti-manana amin’ny fanovan-drafitra ary 27 tapitrisa dolara isa-taona kosa no efa azo antoka fa hatolotry ny mpiara-miombona antoka mandra-pahavitan’ny fanovana eny anivon’ny Cisco 111 manerana an’i Madagasikara".

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS