Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
jeudi 18 avril 2024
Antananarivo | 07h19
 

Malagasy

Taratasin’ny mpamaky

An’ny rehetra

vendredi 12 septembre 2008

« Fanontaniana kely mikasika ny fanagasiana. Maheno sy mamaky foana amin’ny gazety aho ilay teny « génération sacrifiee ». Inona marina ilay sacrifice ? Tsy nahay teny frantsay ve ny « sacrifice » na sorona sa tsy nandroso mihitsy isika satria tsy nahay teny frantsay. Sao kosa tamin’iny fotoan’andro iny tsy nandeha ny toe-karena ka voa daholo isika mianakavy. Ny tiako lazaina dia hoe raha tsy nisy ny fanagasiana izany dia tsy nisy ny sorona. Raha ny fahazoako azy izany dia ny sorona (sacrifice) goavana dia ilay tsy fahaizan’ny olona tamin’io fotoana io ny teny frantsay.

Amiko anefa ny sorona lehibe indrindra izay nanomboka tamin’ny 1896 fotoana nahavoazanaka an’i Madagasikara dia ny tsy fahafahantsika mijery ny hoavintsika afa tsy amin’ny alalan’ny teny Frantsay. Io no tena sorona ary tsy « génération » iray no lasa sorona fa isika mianakavy tsy mahay mijery ny ho avy afa tsy amin’ny alalan’ny « solomaso » frantsay.

Tsy afaka be resaka aho satria hoy ny sasany hoe « ka ianao tsy niarany ka ». Marina izany saingy hatramin’izao tsy mankaiza loatra ny fahaizako ny tenin’i La Frantsa reny malala ary nataon’ny sasany fiomehezana aza tamin’izaho nandalo tany Frantsa kanefa dia tsy hitako loatra ny tombony na fatihantoka mahay ny teny Frantsay. Afaka miresaka amin’ny Haitiana miteny Frantsay aho eto Miami.

Nety ho tsara ho ahy kokoa ny niteny espagnol satria feno Kiobana eto. Tsy misy firy ny boky na lahatsoratra amin’ny teny Frantsay ao amin’ny taranja misy ahy. Ny tantara mihodina foana : ao aoriana ao hihena koa ny herin’ny anglisy fa ny sinoa no ho avy. Efa be ny olona aty no mampianatra ny zanany teny sinoa ary efa lasa programa any amin’ny sekoly maromaro ny teny sinoa.

Mety ho lasa sorona indray ny « génération » ho avy satria nifikitra tamin’ny teny frantsay izay teny nanjaka tamin’ny taon-jato faha valo ambin’ny folo
fa tsy nisokatra tamin’ny teny ilaina amin’ny taon-jato fa iraika ambin’ny roa-polo (anglisy, sinoa,...). N’inon’inona anefa ny taon-jato misy, malagasy
foana isika ka noho izany ny teny malagasy tsy maintsy ampianarina foana. N’inon’inona ataonao tsy ho vazaha mihitsy ianao ary ny vazaha aza hilaza an’izany aminao ».

Mandra-panoratra.

Jaona

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS