Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
vendredi 29 mars 2024
Antananarivo | 17h10
 

Malagasy

Antoko Leader Fanilo

Loabary andasy ho an’ny demokrasia

mardi 16 septembre 2008 | Njaka

Amin’izao fanamarihana ny andro iraisam-pirenena ho an’ny demokrasia izao, dia nanomana loabary andasy ny Leader Fanilo, nanasany ireo mpanao politika sy fiarahamonim-pirenena. Ny mpahay lalàna, Jean Eric Rakotoarisoa, Ny mpahay tantara, Lucile Rabearimanana, ny tanora mpandalina politika, Ketakandriana Rafitoson no nitondra fanazavana. Ho an’i Jean Eric Rakotoarisoa, dia nilaza fa tsy misy ny fahafahana ara-demokratika eto Madagasikara. Ny parlemanta no sehatra hisian’ny demokrasia, saingy hatramin’ny Repoblika voalohany dia izay antokon’ny fitondrana hatrany no matanjaka ao anatiny ka tsy misy adi-hevitra malalaka. Ny lalàna mifehy ny fifandraisana koa no fitsipika arahina amin’izany demokrasia izany kanefa efa ho folo taona izay no tsy mety tafavoaka izany lalàna mifehy ny fifandraisana izany. Tsy mifandanja hoy izy ny fisarahan’ny fahefana telo, ny fahefana mitsara, ny fahefana manao lalàna, ary ny fahefana mpanatanteraka. Ny mpanatanteraka no mitazona ny fahefana rehetra, hoy ity mpahay lalàna ity.

Ny filohan’ny Leader Fanilo, Manasse Esoavelomandroso no nilaza fa manao fanamby na “défi” amin’ny fitondrana izay milaza fa manjaka ny demokrasia eto Madagasikara. ny Leader Fanilo. Porofo lehibe tsy hisian’ny demokrasia ny lehiben’ny faritra tsy fidiana fa tendrena, tsy afaka mivory maneho hevitra ny antoko politika. Tsy toy ny an’ny antoko Tim izay mamory vahoaka isaky ny distrika manangana Distim. Betsaka ny onjam-peo tsy miankina saingy tsy misy vaovao azo resahana ankoatry ny an’ny fitondrana. Raha misy afaka miteny aza dia akatona ny onjam-peo avy eo, hoy ny Leader Fanilo.

Mpanao politika maro no nanatrika izany fotoana izany ary samy naneho hevitra avokoa, Pastora Richard Andriamanjato, Pierre Andrianantenaina, Pierre Houlder, Betiana Bruno, Razakarimanana Ferdinand, James Ratsima, Vaovao Benjamin, Monja Roindefo sy ireo hafa.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS