Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
vendredi 19 avril 2024
Antananarivo | 06h45
 

Malagasy

Andry Rajoelina

Tsy ekena ny jadona

mercredi 10 septembre 2008
Tsy hanaiky lembenana ny Ben’ny tanàna.

Nivoaka ny fahanginana i Andry Rajoelina omaly hariva. Notanisainy ireo « antsojay » sy ny « tsy rariny » mihatra amin’ny tanànan’Antananarivo. Avy eo nanindry mafy izy fa « jadona » no iainan’ny olomboafidy eto an-drenivohitra. Henjana tokoa ny teniny ary nampitroatra azy ny fidinan’ny minisitry ny Rano teny Andralanitra nanamafy fa « eo ambany fitantanan’ny ministera ny SAMVA manomboka izao. » Sampan-draharaha momba ny fanadiovana ny tanàna ny SAMVA ary ny Ben’ny tanàna hatrizay no filohan’ny filan-kevi-pitantanana. « Lalàna ny nametraka ny SAMVA ka tsy tokony ho didim-pitondrana na fanapahan-kevitra tsotra no manafoana na manova azy », hoy i Andry Rajoelina. Nokianiny koa ny « fivarotan’ny Tiako i Madagasikara vary eny amin’ny Fokontany » nanomboka tamin’ity herinandro ity. Nametra-panontaniana moa izy hoe « afaka mivarotra vary koa ve izany izao ny antoko hafa (ankoatry ny Tim) ? » Sy koa hoe « tsy efa fanesorana tanteraka ny sefom-pokontany tsy ho eo ambany fiahian’ny Ben’ny tanàna (ve) izao tranga izao ? »

Fingana

Enina (6) no isan’ireo fingana sy olana notanisain’i Andry Rajoelina niainany sy ny ekipany hatrizay nitondrany ny tanàna izay. Voalohany amin’ireny ny fanesorana ny Sefom-pokontany tsy ho eo ambany fiahiana sy tsy hotendren’ny Ben’ny tanàna intsony. Ao koa ny fibodoan’ny Fanjakana ny volan’Antananarivo, amin’ny alalan’ny Trésor. Avy eo ny fitakiana ny trosan’ny kaominina hatramin’ny taona 1980. Manampy izany ny ady saritaka momba ny fiantsonan’ny « taxi- brousse » ao Ampasampito, ary farany, ny fanendahana aminy ny fitantanana ny SAMVA. Mbola nilaza « olana marobe » hafa moa izy fa tsy nanambara mivantana hoe inona izany.
Nitodika manokana tamin’ny mponin’Antananarivo i Andry Rajoelina teo ampamaranana : « ny mpifidy sy fifidianana malalaka no nametraka ahy eo amin’ny fitantanana ny tanàna. Koa midika ho tsy fanajana ny safidiny ny fanaovana antsojay ataon’ny Fanjakana amin’ny Ben’ny tanàna eo amin’ny asany ».

Nangonin’i R. C.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS