Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
samedi 20 avril 2024
Antananarivo | 09h11
 

Malagasy

Toamasina

Nirehitra koa ny Esplanade Bazar-kely

samedi 13 septembre 2008 | Volana R.

Tsy afa-bela mihitsy ilay renivohitra ara-toekaren’I Madagasikara. Nirehitra nanomboka tamin’ny 8ora sy fahatelony,omaly alina, ny Esplanade Bazar-kely, aorian’ny Tranoavo. Nisahotaka ny rehetra. Ny mangorona entana mangorona entana. Ny mangalatra manao ny ataony. Ny mpamonjy voinan’ny kaominina, ny zandary, polisy kaominaly sy nasionaly, miara-misalahy amin’ny famonjena indray no sahirana amin’ny famitana ny asany.

Niezaka ny hamono ny afo ny mpamonjy voina, satria dia nitatra be izay tsy izy. Araka ny siosion-dresaka aloha, dia teo akaikin’ny mpivaro-damba sy mpivarotra satroka no niantombohan’ny loza. Nisy ny trano tsy maintsy narodana mba tsy horaisin’ny lelafo.

Araka ny fantatra dia maro ny mpivarotra eo amin’io Esplanade io no lay fotsiny no velarina hivarotana, kanefa kosa maro koa ireo trano andrasan’ny mpiambina ihany amin’ny alina.

Amin’ny ora nanoratanay, dia tsy mbola fantatra ny tetibidin’ny entana very na ny vokatr’ity loza vaovao ity indray, fa ny afo kosa no voafehy. Nanampy betsaka rahateo ny orana be nirotsaka ny marainan’ny omaly.

Araka ny vaovao hafa azo avy any an-toerana kosa anefa dia tonga teo ny mpamono afo avy ao amin’ny Kaominina saingy ireo avy amin’ny ASECNA no namono ny afo. Toa mampiomehy, hoy izy ireo fa izany no zavamisy.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS