Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
lundi 20 mai 2024
Antananarivo | 21h09
 

Articles dans la rubrique « Malagasy »

  • Kaonty any Soisa

    Tsy afaka mametra-bola any intsony ny filoha

    samedi 19 juillet 2008 | Naivo kely |  1712 visites
    "Ho hentitra ny fanjakana amin'ny fanaraha-maso ny vola miditra eto Madagasikara. Tsy maintsy fantarina avokoa ny hampiasana azy, fa tsy ho avela ho gaboraraka, ka samy manao izay hitiavany azy ny rehetra. Tsy azon'ny filoha atao intsony ihany koa ny manokatra kaonty amin'ny banky ao Soisa hitahirizany ny volany". Isan'ny nambaran'ny filoha Ravalomanana io omaly raha nitokana ilay sampandraharaha misahana ny ady amin'ny famotsiam-bola tetsy Faravohitra izy. Samy nanamafy ny (...)
  • Matsilo

    Ampy izay hoy i Ranjivason

    vendredi 18 juillet 2008 | Naivo kely |  811 visites
    Aleo milaza ny marina halan'andriana, toy izay mamono ny rariny halam-bahoaka. Mitombo ny disadisa manenika ny fiainam-pirenena sy ny sokajin'olona. Ny lonilony mila tsy ho voatsindry intsony. Tsy zava-baovao izany, saingy mihamahazo vahana. Efa nisy ireo fanairana nataona fikambanana vaventy, iraisam-pirenena, na teratany eto an-toerana na any am-pielezana. Teo ny antso avo tamin'ny Pentekosta nataon'ny FFKM. Ny hafatry ny filankevitry ny Eveka, ny fanehoan-kevitra III, navoakan'ny (...)
  • Rajaonah sy ny « Otrikafo »

    Malahelo ny zanaky i Lafrantsa

    jeudi 17 juillet 2008 | Naivo kely |  1513 visites
    Hitsakitsahin'ingahy masoivoho Frantsay ny fiandrianam-pirenena Malagasy. Inona no antony hilazany fa tsy navelan'ny filoha Malagasy hanao ny asany izy nandritra ny kabary ho fankalazana ny fetim-pirenena Frantsay? "Fifanarahana efa vita teo amin'ny fitondrana Malagasy ny Frantsay iny", hoy ity mpitarika ny fikambanana "Otrikafo" ity. Nohampatsiahivin'ingahy Rajaonah fa tsy maharaka tantara ity lehilahy ity. Ny taona 1947 dia Malagasy 90000 no naripaky ny Frantsay teo. Ny taona 1972 dia (...)
  • Ady tany

    Raikitra ny eny Andrefan’Ambohijanahary

    jeudi 17 juillet 2008 | Manou |  739 visites
    HIfandritaka ny fokonolona sy ny tompon'ny toby fitsinjaran-tsolika Jovenna eny Andrefan'Ambohijanahary. Ampangain'ny mponina ho nanitatra ny faritry ny taniny amin'ny azy ireo io mpandraharaha io tamin'ny 24 jona teo satria, hono, saika hametaka vatobaorina an-tsokosoko tany anaty tambohon'olona na dia fanitsiana ny faritry ny refi-taniny aza no nolazainy fa hataony tamin'io fotoana io. Trano 10 manodidina ny faritry ny tobin-dasantsy no voalaza fa voakitika tamin'izao raharaha izao (...)
  • Taratasin’ny mpamaky

    Haron-tabebaka

    mercredi 16 juillet 2008 |  707 visites
    Manintona vahiny maro ny fandehanana any Madagasikara amin’ny fotoam-pialan-tsasatra toy izao. Mampiaiky ireo namana maro ifanerasarana aty am-pita aty ny zavatra hitany any amintsika : betsaka ary maro karazana ny zava-mahaliana sy tian-ko tsidihana, ny fotoana no tsy ampy matetika ! mahatsiaro tena ho mpanefoefo tampoka rehefa atakalo vola gasy ny vola vahiny ! aminy dia mora be ny zava-drehetra (nefa koa fantany fa lafo be ho an’ny fahefa-mividin’ny Malagasy) : fitaterana, hôtely, sakafo ; (...)
  • Toetr’andro

    Herinandro tena hangatsiaka

    mercredi 16 juillet 2008 | Herimanda R. |  632 visites
    "Tsy tokony hahagaga ny fiovaovaon'ny toetr'andro eto amintsika. Ao anatin'ny vanim-potoanan'ny ririnina ny eto Madagasikara amin'izao fotoana izao. Misy ny fitenenantsika manao hoe tsy mena-mivadika toy ny andro ririnina". Na izany aza mbola haharitra telo andro eo ho eo ny hatsiaka mamirifiry. Fanambaran'ny teknisiana mpamantatra ny toetr'andro eny Ampandrianomby izany raha nanontaniana izy ny amin'ny toetr'andro ankehitriny izay toa mivadibadika be ihany. Mbetika mangatsika, mbetika (...)
  • Fanodikodinana sy fanondranana olona antsokosoko

    Mbola mafy sy henjana ny ady hanoherana izany

    mercredi 16 juillet 2008 | Gilbert R. |  668 visites
    Na dia mirotsaka tanteraka entina miatrika ny ady amin'ny fanodikodinana sy fanondranana olona antsokosoko eto Madagasikara aza ny fandaharan'asa antsoina hoe "FITIA" sy ny tetik'asa "AINA" tamin'ny fahazoana famatsiam-bola avy amin'ny governemanta Amerikana na ny USAID tamin'ny alalan'ny Catholic Relief Services; dia toa mitombo isa hatrany ny iharan'ny fahavoazana. Maro ny ezaka izay hifanomezan-tanan'ireo minisitera samihafa, eo ihany koa ny komity isan-karazany natsangana mba (...)
  • Kolonely Belone

    Nohafahan’ny fitsarana ny lehilahy

    mardi 15 juillet 2008 | Naivo kely |  833 visites
    Voarohirohy tamin'ny asan-jiolahy mitam-basy ny kolonely Belone. Fanafihana nitranga tany Soavinandriana Itasy ny alin'ny 27 septambra 2007 no niandohan'ny raharaha tany Mandevintena atsimon'i Soavinandriana. Fandrobàna olona mpanangom-bokatra tany an-toerana no niseho. Nikasa hividy fiara 4x4 ity farany no nokasain'izy ireo ho robaina ilay vola be. Diso anefa ny vaovao voarain'ireto mpandroba ka tsy nisy afa-tsy vola 1 hetsy sy firavaka monja no hita tao an-trano. Voasakan'ny zandary teny (...)
  • Mpianatra avy any Texas

    Sao miangatra be loatra

    mardi 15 juillet 2008 | Njaka |  1578 visites
    Taitra ireo mpianatra amin'ny fampianarana ambaratonga ambony raha nahita ny fomba nandraisan'ny filoha, Marc Ravalomanana ireo mpianatra 22 mianadahy nahavita fianarana avy any amin'ny oniversite tsy miankina any Texas. Ny nanatrika ny fivoahan'ireo mpianatra ireo no antondian'ny filoha Ravalomanana tany Etazonia ary nitondra azy ireo nody an-tanindrazana. Rehefa tonga teto indray, nanaovana lanonana manetriketrika ny fanolorana ny diplaoma teny amin'ny Carlton Anosy, izay natrehin'ny (...)
  • Politika

    Mametraka mpandimby ny goaika antitra

    lundi 14 juillet 2008 | Naivo kely |  1054 visites
    Anjaran'ny tanora indray izao. Ampy izay ny anay. Mpanao Politika isan'ny fanta-daza efatra teto amin'ny firenena no nilaza ireo ny faran'ny herinandro teo. Na dia niezaka ny handrafitra ny tetika entina hanatsarana ny fomba fanaovana Politika eto Madagasikara aza ny antoko sy ny mpikambana ao aminy, dia misy fotoanany ny zava-drehetra. Ho ampitaina ny fanilo, ka anjaran'ireo tanora mpikambana nomena andraikitra indray no manohy ny tolona. Tsapa ho an'ny antoko maro ity fanovan-drafitra tao (...)
  • Fanavaozana ny fanabeazana

    Vonona ny tsy miankina

    lundi 14 juillet 2008 | Volana R. |  510 visites
    « Tsy misy afa-tsy ny tenin-dreny no hahafahana manokatra ny vavahadin-tsain’ny zaza. » Ratoejanahary Maxime, Malagasy mpanoratra sy mpikaroka, mpamokatra boky fianarana ho an’ny Malagasy mpianatra sy mpanabe, no efa nivoy sy nampita izany vao nanomboka namoaka fitaovam-panabeazana izy. Hita taratra tamin’ireo boky rehetra nomeny entin-manabe izay valin-karoka izay, kanefa tsy nanadinoiny kosa fa tsy maintsy mifehy ny teni-pirenena hafa ny Malagasy mpianatra. Ny faran’ny herinandro teo no (...)
  • Grevin’ny JIRAMA

    Misy mpanao politika ao ambadika ?

    samedi 12 juillet 2008 | Naivo kely |  538 visites
    Hatramin'izao, dia mbola tsy hita ny marimaritra iraisina eo amin'ny andaniny sy ny ankilany. Ny mpiasa sy ireo mpitantanana ao amin'ny JIRAMA io. Hitohy ny Grevy ataon'ireto mpiasa ireto. Raha ny heno, dia misy mpanao politika mikitikitika ny hitaran'ny izao fitokonana ataon'ny mpiasa izao. Ny fitakiana ny tombontsoa sy ny fandaminana anatiny no tena votoatin'ny Grevy. Hanerana an'i Madagasikara ny fanairana ataonay hoy ny solontenan'ny mpiasa, ary efa maro ireo sonia voahangona. Momba iry (...)
  • Bucas Antanimena

    15 taona nanaovana asa sosialy

    samedi 12 juillet 2008 | Herimanda R. |  321 visites
    10 jolay 1993 - 10 jolay 2008, feno 15 taona katroka afak'omaly ny Bucas na ny "Bureau de Coordination des Actions Sociales" etsy Antanimena. Ny Bucas dia Sampandraharahan'ny EKAR Arsidiosezin'Antananarivo miandraikitra ny fandrindrana sy ny fanentanana ny asa sosialy irotsahany. Ho fanokafana izany tsingerin-taona izany, nisy ny lamesa narahina atrika asa notanterahina tetsy amin'ny foibeny. Tamin'izany no nahafantarana fa ny fitomboan'ny fahantrana tamin'ny taona 80 no nanosika ny (...)
  • Fasan’ny Karana

    Mpanera hanao grevy faobe

    vendredi 11 juillet 2008 | Hery A. |  633 visites
    Manoloana ny tohin'ny fanamboarana ny fiantsonan'ny fiara amin'ny zotra rezionaly etsy amin'ny "Fasan'ny Karana" dia miatraika any amin'ireo mpanera sy mpitandro filaminana eny an-toerana ny fandroahana. Nanomboka tamin'ny alatsinainy no fantatra fa hofefena ity fiantsonan'ny fiara fitaterana ity, ka taorian'ny fivorian'ireo tompon'andraikitra dia tapaka fa olona 4 isaky ny koperativa ihany no mahazo miserasera amin'ity toby ity. Tsy misy afa-tsy ny sekretera anefa ireo olona 4 ireo ka (...)
  • Tsakotsako

    Tsy hitatatra ho an-dRainilezafy

    jeudi 10 juillet 2008 | RAW |  420 visites
    Tsy ny vary eny an-tsaha no misy mangalatra fa ny ao an-tokantrano no tefohany. Vilia, vilany, sotro, siny, lamba fitafy sy firakotra, ny fitaovana toa ny radio sy télé ary ny vola sy firavaka. Misavoritaka ny sain'ny mpiray tanàna any ambanivohitra sasantsasany. Ny fiainana efa miha-sarotra sy miha lafo andro aman'alina. Ny vidim-bokatra tsy hay hakarina fa voafehin'ny mpanangobokatra avy ao an-tanandehibe. Ny tany teo am-pelantanan'ny tena toa misy mikitikitika. Ary ity atao hoe kara-tany (...)
  • Fahantrana

    Lasa fitadiavam-bola ho an’ny hafa

    jeudi 10 juillet 2008 | Naivo kely |  753 visites
    Ratsy endrika tanteraka i Madagasikara. Io no tsapan'ny Malagasy izay monina any ivelany. Ireo vahiny mba hiditra eto kosa dia efa mailo, satria malaza ratsy ity firenentsika ity. Toa tsy mba misy zavatra tsara haranty any ivelany mihitsy, fa ny ratsy avokoa no voatanisa any ivelany, ka mampandositra ny vahiny mba te-hitsidika antsika. Ny mpitondra fanjakana no tsy tian'ny sasany, ka ny firenena manontolo no haratsiana. Fahantrana, mpanendaka eran'ny làlana, ary korontana politika no voalaza (...)
  • Fanefitry ny VIH-Sida

    Nahazo fanasàna ny « Image Appli »

    jeudi 10 juillet 2008 | Volana R. |  1134 visites
    Iza no nandefitra ? Soa ho an'ny marary, indrindra ny Malagasy mitondra ny tsimokaretina VIH (PVVIH) no tanjona, ka dia nandefa "fanasana" tany amin'ireo mpikaroka nahita fanefitry ny Vih sy fanefitry ny Sida ny minisiteran'ny Fahasalamana, ny Fandrindrana ny Fiainam-pianakaviana ary ny Fiahiana ara- tsosialy. Araka ny fanazavan'ny mpikaroka, dia fanasana hanatitra ny antontan-taratasy milazalaza ny tantaran'ny fikarohana, ny fanandramana efa nataony ary ny fitiliana (analyses) tontosany no (...)
  • BOA Toamasina

    Nivoha ny coffre, very ny Ar. 250 tapitrisa

    mercredi 9 juillet 2008 | Hery A. |  791 visites
    Tsy trano vaky na varavarana nipitsoka, nefa dia very ny vola tao amin'ny banky BOA eo amin'ny "Avenue" ao Toamasina. Araka ny vaovao azo dia tamin'ny zoma alina no nanjavonan'ny vola mitentina Ar. 250 tapitrisa tao anatin'ny fitehirizam-bolan'ity banky BOA ity. Niantefa any amin'ny mpiambina avy hatrany ny ahiahy satria taorian'io fahaverezam-bola io dia tsy hita ny nanjavonan'ilay mpiambina. Ahiana arak'izany ity mpiambina ity izay tsy fantatra moa na nangalatra ny vola marina na tsia. (...)
  • BEPC

    Mpiadina nifoka rongony

    mercredi 9 juillet 2008 | Hery A. |  693 visites
    Mpiadina amin'ny fanadinana BEPC iray no any am-ponja, andro vitsy alohan'ny fanadinana izay nanomboka tamin'ny alatsinainy teo tao amin'ny distrikan'ny Tolagnaro. 18 taona ity tovolahy ity izay saron'ny mpitandro filaminana nifoka rongony, ary mbola tanana any hatramin'izao ka tsy afaka miatrika ny fanadinana. Mpiadina miisa 12 hafa kosa no tsy tonga noho ny antony tsy fantatra. Fantatra moa fa miisa 6 ny foibem-panadinana ao Tolagnaro, misy mpiadina miisa 1172. Etsy andaniny dia nisy (...)
  • Tsakotsako

    Tsy hitatatra ho an-dRainilezafy

    mercredi 9 juillet 2008 | RAW |  424 visites
    Tsy ny vary eny an-tsaha no misy mangalatra fa ny ao an-tokantrano no tefohany. Vilia, vilany, sotro, siny, lamba fitafy sy firakotra, ny fitaovana toa ny radio sy télé ary ny vola sy firavaka. Misavoritaka ny sain'ny mpiray tanàna any ambanivohitra sasantsasany. Ny fiainana efa miha-sarotra sy miha lafo andro aman'alina. Ny vidim-bokatra tsy hay hakarina fa voafehin'ny mpanangobokatra avy ao an-tanandehibe. Ny tany teo am-pelantanan'ny tena toa misy mikitikitika. Ary ity atao hoe kara-tany (...)

0 | ... | 240 | 260 | 280 | 300 | 320 | 340 | 360 | 380 | 400 | ... | 900

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS