Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
samedi 27 avril 2024
Antananarivo | 04h48
 

Malagasy

Fanavaozana ny fanabeazana

Vonona ny tsy miankina

lundi 14 juillet 2008 |  510 visites  | Volana R.

« Tsy misy afa-tsy ny tenin-dreny no hahafahana manokatra ny vavahadin-tsain’ny zaza. » Ratoejanahary Maxime, Malagasy mpanoratra sy mpikaroka, mpamokatra boky fianarana ho an’ny Malagasy mpianatra sy mpanabe, no efa nivoy sy nampita izany vao nanomboka namoaka fitaovam-panabeazana izy. Hita taratra tamin’ireo boky rehetra nomeny entin-manabe izay valin-karoka izay, kanefa tsy nanadinoiny kosa fa tsy maintsy mifehy ny teni-pirenena hafa ny Malagasy mpianatra.

Ny faran’ny herinandro teo no nanazavan’ny minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena sy Fikarohana Siantifika ny tanjona ary lalana entina hanatanterahana ny fanavaozana ny fanabeazana sy fanovana ny rafi-pampianarana eto Madagasikara, manomboka io taom-pampianarana ho avy io. Iny faran’ny herinandro iny ihany koa no nanatontosan’ny Groupe Condorcet, seha-mpampianarana tsy miankina, ny fahavononany hiditra amin’izay fanavaozana izay. Miainga, mifantoka ary atolotra ny tanora ny fanabeazana ao amin’ny Condorcet, araka izao fehin-kevitra izao : « Izay fiaraha-monina tsy miara-mandroso amin’ny tanora ao aminy, dia toy ny manakana ny rivo-baovao tsy hiditra ao aminy. Izany hoe nanapa-kevitra ny ho faty izy. » (Kofi Annan)

Noamafisin’ny mpanolotsaina sosialy aoa min’ny kaominina Antannaarivo koa fa, araka ny fanavaozana ny fanabeazana, dia “atao izay hampikamina ny sain’ny mpianatra sy ny ray aman-dreny. Mora ny handraisana syy hizarana, mora ny hampitana ny fampianarana rehefa voavolavola amin’ny tenin-dreny ny mpianatra, satria anaty tontolo iainany izy, dia ny maha Malagasy azy.”

Miara-miombona antoka ny “Tsy miankina”

“Tsy misaraka amin’ny fanjakana ny Tsy miankina, raha mbola eto Madagasikara koa. Samy tanora Malagasy no beazina, ary tanjona iray no tratrarina, dia ny fampandrosoana ny firenena sy ny maha olona” hoy ny filohan’ny Condorcet, Rajoelisona Bakoliarinosy. Nandritra ny andro volaohan’ny varavarana misokatra nokarakarainy ary, dia nasaina manokana ny tale jeneralin’ny NLIM (National leadership institute of Madagascar), Rakotoarivony Huberet, hanazava ny lohahevitra : “Ny fitantanana ny fanovana”, amin’ny ankapobeny, ary indrindra eo amin’ny lafiny fanabeazana. Hevitra iray no entian amin’izay : “Inona no tsy misy, ary nahoana moa raha ny toy izao no entina hanatanterahana izany.” Fikarohana hatrany no iainana, hahafahana manatsara sy manavao.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS