Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
lundi 13 mai 2024
Antananarivo | 12h30
 

Malagasy

Tsakotsako

Tsy hitatatra ho an-dRainilezafy

mercredi 9 juillet 2008 |  424 visites  | RAW

Tsy ny vary eny an-tsaha no misy mangalatra fa ny ao an-tokantrano no tefohany. Vilia, vilany, sotro, siny, lamba fitafy sy firakotra, ny fitaovana toa ny radio sy télé ary ny vola sy firavaka.

Misavoritaka ny sain’ny mpiray tanàna any ambanivohitra sasantsasany. Ny fiainana efa miha-sarotra sy miha lafo andro aman’alina. Ny vidim-bokatra tsy hay hakarina fa voafehin’ny mpanangobokatra avy ao an-tanandehibe. Ny tany teo am-pelantanan’ny tena toa misy mikitikitika. Ary ity atao hoe kara-tany vao nalaina toa tsy misy ilana azy akory ; ny hetra anefa toa miha mitombo ary tsy maintsy aloha.

Ny filazan’ny tantsaha sasany dia ny hampitombo ny vola miditra aminy no tena mahamay ny fanjakana fa tsy ny hampanankarena ny tantsaha sy tambanivohitra. Eny na ireo tambonivohitra, havana, mila ravinahitra aza dia tsy mieritreritra loatra ny hampandroso sy hampanankarena ireo lazaina hoe valala mpiandry fasana. Aiza ve ka maherin’ny 30 isan-jatony izao ny zana-bola hampiharina amin’ny tanimbary volen’ireo mpiandry tanana mamboly ny tanimbary ? Teloina tokoa mantsy ny fomba fanao amin’ny ireny tanimbary hankinina amin’ny valala mpiandry fasana ireny ; ny iray am-pahatelony an’ny tompon’ny tany ary ny roa am-pahatelony no an’ny mpamboly. Ny vola sy fitaovana ary ny fikarakarana ny tanimbary sy ny voly vary dia anjaran’ny mpamboly avokoa. Ny anjara asan’ny tompon’ny tany dia miandry ny am-pahatelony isaky ny fararano, satria azy ny tany.

Ireny tanimbary teloina ireny aloha dia tsy hampitombo ny vokatra araka ny fanantenan’ny mpitondra azy. Lafo loatra ny hofan’ny tanimbary ka tsy ahafahan’ny mpamokatra manilika mba hanatsarana ny fomba famokarana sy ny kojakojam-pamokarana. Raha toa ka manana ny atoa aza izy dia tsy hitatatra ho an-dRainilezafy satria tsy ho azy ny vokatsoa fa tsy maintsy zaraina amin’ny tompon’ny tany. Raha tsorina dia tsy mamparisika ny fanatsarana sy fampitombona ny voka-bary ny fomba fanao hatrizay dia ity hoe « teloina » ity.

Tena sahirana ny tokantrano malagasy ambanivohitra. Mikorontan-tsaina noho ity tsy fandriampahalemana amin’ny lafiny rehetra ity. Porofon’izany ireny zavatra niseho tany Imerintsiatosika ireny. Ao ny « mpangala-jaza » ao ny « mpangalatra taova » ao ny mpisakana sy mpanendaka, ao ny mpamono olona. Tsy fantatra intsony ny tena marina fa dia miambina ny isam-pokontany. Manomboka amin’ny sivy ora alina ka hatramin’ny 4 ora maraina. Nefa dia tsy manakana ny mpanao ratsy hiasa antoandro be nanahary izany fiambenana izany.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS